bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Isaiah 60
Isaiah 60
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 59
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 61 →
1
Mitsangàna, ka mamirapiràta! fa miposaka ny fahazavanao; ary miposaka eo aminao, ny fahazavan’i Iaveh.
2
Indro ny haizina fa manarona ny tany, ary ny haizim-pito manarona ny firenena; fa i Iaveh kosa no miposaka eo aminao ary ny voninahiny miseho eo aminao.
3
Mandroso ho amin’ny fahazavanao ny firenena, ary ho eo amin’ny famirapiratan’ny fiposahanao ny mpanjaka.
4
Atopazo manodidina ny masonao, ka jereo, izy rehetra mivory mankatỳ aminao; ny zanakao lahy tamy avy lavitra; ny zanakao vavy entina an-trotroana.
5
Hahita izany ianao amin’izay ka ho miramirana; hibitaka sy hiravoravo ny fonao, fa hivantana aminao ny haren’ny ranomasina; ary ho tonga ao aminao ny rakitry ny firenena.
6
Ho rakotry ny angamenavava zavon-tany mbamin-drameva avy any Madiàna sy Efah ianao; ny any Sabà rehetra ho avy, hitondra volamena sy emboka manitra, ary hitory ny fiderana an’i Iaveh.
7
Hivory ao aminao ny biby fiompy rehetra any Sedara; hozakainao ny ondralahin’i Nabaiôta, hiakatra ho fanatitra ankasitrahina eo ambony ôteliko ireny, ary hataoko be voninahitra ny tranon’ny voninahitrao.
8
Iza moa ireto manidina hoatra ny rahona, sy hoatra ny voromahailala ho eo amin’ny tranony?
9
Fa Izaho no antenain’ny nosy; ary ny sambon’i Tarsisa no ho lohalalana; hamerina hankatỳ ny zanakao avy lavitra, mbamin’ny volafotsiny sy ny volamenany, ho an’ny Anaran’i Iaveh Andriamanitrao, sy ilay Masin’i Israely, satria efa nomeny voninahitra ianao.
10
Ny taranaky ny firenen-kafa, no hanangana ny mandanao, ary ny mpanjakany ho mpanomponao. Satria nikapoka anao tamin’ny hatezerako Aho, fa mamindra fo anao, amin’ny fitiavako kosa.
11
Hivoha lalandava ny vavahadinao, tsy hirindrina izy na andro na alina, hampidirina ny haren’ny firenena ho ao aminao, mbamin’ireo mpanjakany mova tsy ny manotrona ny mpandresy.
12
Fa ho velona ny firenena amam-panjakana tsy hanompo anao, hofongorana mihitsy izany firenena izany.
13
Ho indray tonga ao aminao ny voninahitr’i Libàna, ny sipresy, ny platàna, ny boîsa, handravahana ny fitoerako masina, dia hataoko be voninahitra ny fitoerana hipetrahan’ny tongotro.
14
Ny zanak’ireo mpampahory anao ho tonga ao aminao, sady hiondri-doha, ary izay rehetra naniratsira anao koa hiankohoka amin’ny tongotrao; ary ianao hantsoina hoe, ny Tanànan’i Iaveh, ilay Siônan’ilay Masin’i Israely.
15
Ianao izay efa nariana teo sy nankahalaina ary nanirery, dia hataoko reharehan’ny taona rehetra, sy fifalian’ny taranaka rehetra.
16
Hitsentsitra ny rononon’ny firenena ianao, sady hitsentsitra ny nonon’ny mpanjaka, dia ho fantatrao fa Izaho Iaveh no Mpamonjy anao, ary ilay Maherin’i Jakôba no Mpanavotra anao.
17
Volamena no hampankanesiko atỳ ho solon’ny varahina; sy volafotsy no havantako atỳ ho solon’ny vy; sy varahina ho solon’ny hazo; ary vy ho solon’ny vato; ny fiadanana no hataoko mpitondra anao, ary ny fahamarinana no ho mpifehy.
18
Tsy ho re eo amin’ny taninao intsony izay hoe fampahoriana; na izay hoe fandravana amam-pandringanana, eo amin’ny faritaninao; ny mandanao antsoina hoe: i Famonjena, ary ny vavahadinao: i Fiderana.
19
Ny masoandro tsy ho fanazavana anao amin’ny andro intsony; ary ny fisomambisambin’ny volana tsy hitsilo anao intsony; fa i Iaveh no ho fahazavana mandrakizay ho anao, ary ny Andriamanitrao no ho voninahitrao.
20
Tsy hilentika intsony ny masoandronao, ary tsy hihataka intsony ny volanao. Satria i Iaveh no ho fahazavana mandrakizay ho anao ary ho tapitra ny andron’ny fisaonanao.
21
Tsy hisy afa-tsy olo-marina eo amin’ny vahoakanao, ary hanana ny tany mandrakizay izy ireo; dia izy ireo solofo namboleko, asan’ny tanako, noarîna ho voninahitro.
22
Ny vitsy indrindra ho tonga arivo; ary ny kely indrindra ho firenena mahery. Izaho Iaveh no hanafaingana izany samy amin’ny fotoany avy.
← Chapter 59
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 61 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52
53
54
55
56
57
58
59
60
61
62
63
64
65
66