bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Isaiah 7
Isaiah 7
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 6
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 8 →
1
Tamin’ny andron’i Akaza, zanak’i Joatama, zanak’i Oziasa, mpanjakan’i Jodà, dia niakatra hanafika an’i Jerosalema, i Rasima mpanjakan’i Siria, niaraka tamin’i Fasea, zana-dRomelia, mpanjakan’i Israely; nefa tsy nahafaka azy izy.
2
Nambara tamin’ny taranak’i Davida izany vaovao izany, fa hoe: «Mitoby any amin’i Efraima i Siria.» Tamin’izany nipararetra hoatra ny fanetsiky ny rivotra ny hazo an’ala, ny fon’ny mpanjaka sy ny fon’ny vahoaka.
3
Dia hoy i Iaveh tamin’i Izaia: «Mivoaha ianao sy i Seara-Jasoba zanakao, hitsena an’i Akaza eo amin’ny faran’ny lakan-dranon’ny kamory ambony. amin’ny lalan’ny sahan’ny mpamotsy lamba;
4
ka ianao hilaza aminy hoe: Mitandrema, mandria amim-piadanana, aza matahotra, ary aza rera-po foana ianao eo anatrehan’ireo tapa-porohana roa midonaka ireo, amin’ny fisafoakan’i Rasìna sy i Siria, ary ny zana-dRomelia.
5
Noho i Siria nihevitra hampidi-doza anao mbamin’i Efraima sy ny zana-dRomelia nanao hoe:
6
Andeha isika hananika an’i Jodà, ka hampaharaiki-tahotra azy sy hananika azy ary hanangana ny zanak’i Tabeela ho mpanjaka ao;
7
noho izany dia izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Tsy ho vanona izany; tsy hisy izany!
8
Satria fa i Damasa no lohan’i Siria, ary i Rasìna no lohan’i Damasy; ka 65 taona sisa, dia hitsahatra tsy ho vahoaka intsony i Efraima.
9
Ary i Samaria no lohan’i Efraima, ny zana-dRomelia no lohan’i Samaria. Raha tsy mino ianareo, dia tsy haharitra.»
10
Mbola niteny tamin’i Akaza koa i Iaveh nanao hoe:
11
«Mangataha famantarana amin’i Iaveh Andriamanitrao; mangataha izany, na any amin’ny faravodin’ny seoly, na any amin’ny havoan’ny lanitra.»
12
Fa hoy i Akaza: «Tsy hangataka aho; tsy haka fanahy an’i Iaveh aho.»
13
Ka hoy i Izaia: «Mihainoa, ry taranak’i Davida: Mbola tsy ampy anareo va ny mahasasatra ny olombelona, no dia mbola mahasasatra an’Andriamanitra koa ianareo?
14
Noho izany dia ny tenan’ny Tompo no hanome famantarana anareo: Indro nanana anaka ny Virjiny, ka miteraka zaza lahy, ary ny anarany hataony hoe Emanoela.
15
Hihinana hero-dronono sy tantely izy, mandra-pahaizany mandà ny ratsy sy mifidy ny tsara.
16
Fa alohan’ny hahaizan’io zaza io mandà ny ratsy sy mifidy ny tsara, dia ho rava ny tanin’ireo mpanjaka roa maharaiki-tahotra anao ireo.
17
I Iaveh hahatonga aminao sy ny vahoakanao ary amin’ny fianakavian-drainao, andro tsy mbola nisy tonga toa azy, hatramin’ny andro nisarahan’i Efraima tamin’i Jodà, - dia ny mpanjakan’i Asiria.
18
Amin’izany andro izany, i Iaveh hisiaka ny lanitra any amin’ny fara lafin’ny onin’i Ejipta, sy ny renitantely, any amin’ny tanin’i Asiria.
19
Dia ho avy ireny, ka hipetraka avokoa eny amin’ny lohasaha mideza, sy eny an-tsefatsefa-karambato, any amin’ny hazo madinika milobolobo, mbamin’ny tany fiandrasana biby rehetra.
20
Amin’izany andro izany ny Tompo hanaratra, amin’ny hareza nahofany tany an-dafin’ny ony, - dia amin’ny mpanjakan’i Asiria, - ny loha sy ny volon-tongotra ary hoesoriny koa ny volombava.
21
Amin’izany andro izany, ny olona iray hiompy ombivavy iray sy ondrivavy roa;
22
ka noho ny habetsahan’ny ronono avy amin’ireny dia tsy hihinana afa-tsy hero-dronono ny olona; fa hero-dronono sy tantely no fihinan’ny olona rehetra tafajanona eo amin’ny tany.
23
Amin’izany andro izany ny tany rehetra misy foto-boaloboka arivo izay lafo lela volafotsy arivo, dia ho rakotra hery sy tsilo.
24
Zana-tsipìka aman-tsipìka, no hoenti-miditra ao, fa tsy hisy afa-tsy hery sy tsilo, amin’ny tany rehetra.
25
Ary ny tendrombohitra rehetra izay fiasa tamin’ny antsetra fiavàna tsy hankanesanao intsony noho ny fahatahorana ny hery sy ny tsilo; fa dia ho tany fiandrasana omby, ary ho tany hitsakitsahin’ny ondry.»
← Chapter 6
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 8 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52
53
54
55
56
57
58
59
60
61
62
63
64
65
66