bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Isaiah 33
Isaiah 33
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 32
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 34 →
1
«Loza ho anao, ry mpandrava, mbola tsy noravana, ry mpandroba, tsy mbola norobaina! Rehefa nitsahatra ny nandrava ianao, dia horavana; rehefa tapi-nandroba ianao, dia horobaina.»
2
Iaveh ô, mamindrà fo aminay! Ianao no antenainay. Aoka Ianao ho sandrinay isa-maraina, sy ho famonjena anay amin’ny andro fahoriana.
3
Mandositra ny vahoaka mandre ny feon’ny kotro-baratrao miparitaka ny firenena nony mitsangana Ianao.
4
Hangonina hoatra ny fanangon’ny valala ny babonareo; mihazakazaka mankao ny olona, hoatra ny andiam-balala.
5
Manerinerina i Iaveh fa mitoetra any ambony Izy; fenoiny rariny amam-pahamarinana i Siôna.
6
Azo antoka ny andronao; hanananao be ny famonjena, sy ny fahendrena amam-pahalalana; ny fahatahorana an’i Iaveh no rakitrao.
7
Indreo ny lehilahy maheriny, mibabababa eny an-dalambe; ary ny iraka mitady fihavanana, mitomany amin’alahelo mafy.
8
Ny arabe maty, ny lalana tsy misy mpandeha. Ny fanekena nivadihany; ny tanàna nafokainy; ny olona tsy hajainy.
9
Misaona sy milofika ny tany; menatra sy malazo i Libàna, zary sahala amin’i Arabah i Sarôna, manintsan-dravina i Basàna sy i Karmely.
10
«Ankehitriny hitsangana aho, hoy i Iaveh, ankehitriny hijoro Aho; ankehitriny hisandratra Aho.
11
Torontoronina mololo ianareo, ka niteraka vodivary; ny fofonainareo ihany no ho afo mandevona anareo.
12
Ary ny vahoaka dia ho memy fandoroan-tsokay, ho tsilo voatomboka mirehitra anaty afo.
13
Ianareo lavitra, mihainoa ny nataoko; ianareo akaiky, mahafantatra ny heriko.»
14
Nangovitra ny mpanota ao Siôna, ary raiki-tahotra ny mankahala fihavanana, nanao hoe; «Iza amintsika no hahatoetra ao anaty afo mandevona? iza amintsika no hahatoetra ao anaty lelafo mandrakizay?»
15
Izay mandeha amin’ny rariny, sy miteny amin’ny hitsiny; izay tsy mety mandray harena azo an-keriny, izay manifikifi-tanana tsy handray kolikoly; izay manentsin-tadìny amin’ny resaka handatsa-dra, mitampi-maso tsy hahita ny ratsy;
16
izany no honina any amin’ny fitoerana avo; ny trano mimanda miorina amin’ny vatolampy no fialofany, ny haniny dia homena azy; ary ny ranony tsy hanam-paharitana.
17
Ny masonao hibanjina ny mpanjaka amin’ny tarehiny, hahatsinjo tany midadasika lasa lavitra.
18
Ny fonao hahatsiaro ny natahorany: Nankaiza ny mpanoratra? Nankaiza ny mpampiasa nitana ny fandanjàna? Nankaiza ny lehibe mpanisa ny tilikambo?
19
Tsy ho hitanao intsony ny vahoaka mirehareha, ny vahoaka manao teny maizina sy tsy fantatra, fa fiteny tsy fantatra no akanakaniny.
20
Jereo ity Siôna tanàna fanaovantsika fety; aoka ny masonao anie hahita an’i Jerosalema, fonenana mahasambatra, lay tsy hafindrafindra, izay tsy hongotana mandrakizay ny tsîmany sy tsy hanesorana iray akory ny tadiny.
21
Ao marina no honenan’i Iaveh ho antsika amin’ny voninahiny; ao no misy ony aman-dakan-drano lehibe; izay tsy ho sahin’ny lakana voizina hidirana na iray aza, sy tsy hidiran-tsambo lehibe na iray aza.
22
Satria i Iaveh no mpitsara antsika, i Iaveh no mpanao lalàna ho antsika, i Iaveh no mpanjakantsika; Izy no hamonjy antsika.
23
Mivaha ny mahazakan-tsambonao, tsy mahatana ny andrin-tsambo ho eo amin’ny fiorenany izy; ary tsy mahazona ny sainan-tsambo mivelatra intsony. Amin’izany mizara babo betsaka ny olona, ny mandringa avy no hanana anjara babo.
24
Tsy misy mponina manao hoe: «Marary aho!» Nahazo ny famelana ny helony, ny vahoaka monina ao Siôna.
← Chapter 32
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 34 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52
53
54
55
56
57
58
59
60
61
62
63
64
65
66