bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Isaiah 48
Isaiah 48
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 47
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 49 →
1
Mihainoa izao, ry taranak’i Jakôba, ianareo izay antsoina amin’ny anaran’i Israely; nateraky ny loharanon’i Jodà, mianiana amin’ny Anaran’i Iaveh, ary mankalaza ny Andriamanitr’i Israely, nefa tsy amin’ny fo mahitsy na araka ny hitsim-po.
2
Fa maka ny anarany amin’ny tanàna masina izy ireo, sy miankina amin’ny Andriamanitr’i Israely, izay mitondra Anarana hoe: Iavehn’ny tafika.
3
Ny zavatra taloha, dia efa nambarako hatramin’ny ela; naloaky ny vavako izany, sady nantsoiko ampahibemaso; ary tampoka Aho dia nanao, ka tanteraka ireo zavatra ireo.
4
Noho ny fahalalako fa ianao dia mafy hatoka, ary anjam-by ny vozonao, sy varahina ny handrinao,
5
dia nambarako taminao hatramin’ny ela izany zavatra izany; nolazaiko taminao talohan’ny hahatongavany izany, fandrao lazainao hoe: «Ny sampiko no nanao izany; ny andriamanitro hazo na anidina no nandidy izany.»
6
Efa nandre izany ianao; jereo fa tanteraka avokoa izy; fa ianareo kosa, tsy hanambara izany va ianareo? Ankehitriny mampandre anao zava-baovao Aho, dia zava-miafina mbola tsy fantatrao.
7
Vao izao no noarîna izany, fa tsy taloha; hatramin’izao anio izao, tsy mbola nandre izany ianao, fandrao lazainao hoe: «Indro fa efa fantatro ihany izany.»
8
Tsy mbola nandre izany ianao, tsy nahalala izany ianao; tsy mbola nandre izany velively ny fonao. Satria fantatro ianao fa mpivadika loatra, ary ny anaranao hatrany an-kibon-dreninao dia hoe mpivadika.
9
Noho ny Anarako, dia manindry ny hatezerako Aho, ary noho ny voninahitro, dia mandefitra aminao Aho, mba tsy hamongorana anao.
10
Indro fa nandrendrika anao Aho, nefa tsy nahazo volafotsy; ary nizaha toetra anao tamin’ny memin’ny fahoriana Aho.
11
Noho ny fitiavako ny Tenako, dia noho ny fitiavako ny Tenako no hanaovako izany; satria ahoana no hanazimbana ny Anarako? Tsy hafoiko ho an’ny hafa ny voninahitro.
12
«Mihainoa Ahy, ry Jakôba, sy ianao, ry Israely, izay nantsoiko; Izaho dia izaho ny voalohany, izaho koa no farany.
13
Ny tanako ihany no nanorina ny tany, ary ny tanako ankavanana no namelatra ny lanitra; izaho no miantso azy ireo, dia tonga miaraka amin’izay izy.
14
Mivoria ianareo rehetra, ka mihainoa: Iza tamin’ireny no mba efa nilaza izany? Ilay tian’i Iaveh dia hanatanteraka ny sitrapony amin’i Babela, ary ny sandriny hamely ny Kaldeanina. -
15
Izaho dia Izaho ihany no niteny sady niantso azy; nasaiko tonga izy, ka hambinina ny alehany.
16
Manatòna Ahy ianareo, ka henoy izao: Hatramin’ny voalohany, tsy niteny an-takontakona Aho; hatramin’ny ahatongavan’ireo zavatra ireo dia eo Aho; - Ary ankehitriny i Iaveh, Tompo, maniraka ahy omban’ny Fanahiny.»
17
Izao no lazain’i Iaveh mpanavotra anao, ilay Masin’i Israely: «Izaho Iaveh, Andriamanitrao, mampianatra anao mba hahitanao soa; mitarika anao amin’ny lalana tokony halehanao aho.
18
Enga anie ka hihaino ny teniko ianao, dia ho tahaka ny ony ny fiadananao; ho tahaka ny onjan-dranomasina ny fahamarinanao;
19
ho tahaka ny fasika ny taranakao; dia ho tahaka ny vovo-pasika, ny haloaky ny kibonao; tsy hoesorina ny anarany, na hovonoina eo anatrehako.»
20
«Mivoaha avy ao Babilôna, mandosira ny Kaldeanina, amin’ny hobin-kafaliana! Torio izany, ataovy antso avo koa, ampandreneso hatrany am-paran’ny tany! Lazao hoe: I Iaveh efa nanavotra an’i Jakôba mpanompony!
21
Tsy mangetaheta ireo any amin’ny efitra nitondrany azy; fa mampiboiboika rano avy amin’ny vatolampy Izy ho an’ireo; mampitresaka ny vatolampy Izy, dia migororoana ny rano. Tsy misy fiadanana ho an’ny ratsy fanahy, hoy i Iaveh.»
← Chapter 47
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 49 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52
53
54
55
56
57
58
59
60
61
62
63
64
65
66