bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Isaiah 29
Isaiah 29
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 28
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 30 →
1
Loza ho an’i Ariela, dia i Ariela, ilay tanàna nilasian’i Davida! Ampio taona ny taona, aoka ho tafatsingerina ireo fety lehibe,
2
dia hoporetiko mafy i Ariela, ka tsy hisy afa-tsy sento amam-pitarainana ao; fa ho tahaka an’i Ariela ho ahy izy;
3
Izaho hitoby manodidina anao, hanisy miaramila hanemitra anao, ary hanangana manda hamelezana anao.
4
Haetry ianao ka avy amin’ny tany no hisandratan’ny feonao, ho re avy amin’ny vovoka ny feonao mimonomonona, hivoaka avy amin’ny tany toy ny an’ny matoatoa, ny feonao; ary hiakatra avy amin’ny vovoka, toa bitsibitsika malemy, ny teninao.
5
Ny habetsahan’ny fahavalonao, ho tahaka ny vovoka madinika; ary ny habetsahan’ny mpiady, ho toy ny akofa manidina.
6
Ary indro fa amin’izay dia tampoka sy amin’ny indray mipy maso no hisavan’i Iavehn’ny tafika anao, amin-kotrokotroka, kotro-baratra, rohondrohona mafy, tadio, tafio-drivotra, ary lelafo mandevona.
7
Ary ho tahaka ny nofy, tahaka ny fahitana amin’ny alina no hahazo ireo firenena maro rehetra izay hiady amin’i Ariela, sy izay rehetra hanafika azy sy ny tranony mimanda, sy hamoritra azy mafy.
8
Tahaka ny olona noana, manonofy hoe mihinana, kanjo nony mahatsiaro dia foana ny fanahiny; ary tahaka ny olona mangetaheta manonofy hoe misotro, kanjo nony mahatsiaro, anan’ny hasasarana sy mangetaheta ihany izy. Dia tahaka izany no hahazo an’ireo firenena maro ireo, izay mandeha hamely ny tendrombohitra Siôna.
9
Migagà ianareo, ka aoka hitanàka foana ianareo! Manajambà tena ianareo, ka aoka ho voajamba! Mamo izy ireo nefa tsy tamin-divay, mivembena izy ireo nefa tsy tamim-pisotro mahery.
10
Fa i Iaveh no nampidina ao aminareo fanahy mampatoritory; nakimpiny ny masonareo - ny mpaminany izany; nosaronany ny lohanareo - ny mpahita izany.
11
Ary ny fahitana rehetra aminareo, dia tonga toy ny teny amin’ny boky voaisy tombon-kase; ka atolotra ny olona mahavaky teny izy, atao hoe: «Vakio ity», dia valiany hoe: «Tsy azoko atao, fa voaisy tombon-kase ity boky ity.»
12
Atolotra ny olona tsy mahavaky teny indray atao hoe: «Vakio ity», dia valiany hoe: «Tsy mahavaky teny aho».
13
Ary hoy ny Tompo: «Satria ity firenena ity manatona Ahy amin’ny vavany sy mankalaza Ahy amin’ny molony, nefa ny fony ampanalaviriny Ahy, ary ny fivavahana ataony amiko dia didy nianarany tamin’olombelona,
14
noho izany mbola hanohy ny fanaovana zava-mahagaga Aho, amin’izany vahoaka izany, dia zava-mahagaga tsy fahita, tsy fahita amin’ity firenena ity. Ka ny fahendren’ny olon-kendriny ho foana, ary ny fahazavan-tsain’ny mpampianatra azy hihamaizina».
15
Loza ho an’izay manafina lalina tsy ho hitan’i Iaveh, ny hevi-mifono voakasany, sady manao ny asany ao amin’ny maizina, ka manao hoe: «Iza no mahita antsika sy mahalala antsika?»
16
Hadalana re izany: Hatao ho tanimanga va ny mpanefy tanimanga no ilazan’ny taozavatra ny mpanao azy hoe: «Tsy nanao ahy izy». sy ilazan’ny siny amin’ny mpanefy hoe: «Tsy mahalala na inona na inona izy?»
17
Tsy vetivety foana va dia ho zary saha misy hazo mamoa i Libàna, ary ny saha misy hazo mamoa dia hatao ala?
18
Amin’izany andro izany, ny marenina handre ny tenin’ny boky, ary ny jamba hivoaka amin’ny haizina amana haizim-pito ka hahita.
19
Ny manetry tena hitombo hafaliana hatrany, amin’i Iaveh, ary ny mahantra indrindra hientan-kafaliana ao amin’Ilay Masin’i Israely.
20
Satria lasa tsy hita intsony ny mpampahory ary maty ny mpaniratsira ary ho ringana izay rehetra mamoron-tsain-dratsy,
21
dia ireo manameloka olona noho ny teniny indraimbava; mamela-pandrika ho an’izay namaky betroka azy eo am-bavahady; ary mamery ny marina amin’ny laingany.
22
Noho izany, izao no lazain’i Iaveh amin’ny taranak’i Jakôba, dia Izy izay nanavotra an’i Abrahama: «Tsy hisy hahamenatra an’i Jakôba intsony tsy hivaloarika intsony ny handriny.
23
Fa izy sy ireo taranany, rehefa mahita ny asan’ny tanako eo aminy, dia hanamasina ny Anarako izy ireo», hanamasina an’Ilay Masin’i Jakôba izy ireo, ary hanaja ny Andriamanitr’i Israely. Ireo Mivily saina, hianatra fahendrena, ary ireo mimonomonona, handray fampianarana.
← Chapter 28
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 30 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52
53
54
55
56
57
58
59
60
61
62
63
64
65
66