bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Isaiah 19
Isaiah 19
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 18
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 20 →
1
Faminaniana ny amin’i Ejipta. Indro i Iaveh, mitaingin-drahona maivana miditra any Ejipta. Ka ny sampin’i Ejipta, mangovitra eo anatrehany, ary ny fon’i Ejipta mihonaka ao anatiny.
2
Hamporisika an’i Ejipta hamely an’i Ejipta Aho, ka hiady izy ireo, ny rahalahy amin’ny rahalahy, ary ny sakaiza amin’ny sakaiza, ny tanàna amin’ny tanàna, ary ny fanjakana amin’ny fanjakana.
3
Ny fanahin’i Ejipta ho foana ao anatiny; ary ny fisainany hataoko very; hanontaniany ny mpimasy ama-mpanao fankatoavana, mbamin’ny mpamoha angatra ama-mpisikidy.
4
Hatolotro ho an-tanan’ny tompo lozabe i Ejipta ary mpanjaka mahatahotra no hizaka azy, - teny ton’i Iavehn’ny tafika.
5
Ny rano amin’ny ranomasina ho ritra; ny ony ho tankina sy ho maina;
6
Ny renirano hanjary maimbo, ny lahin-dranon’i Ejipta hihena dia ho maina; ny zozoro amam-bolotara halazo.
7
Ny tanim-bilona manaraka an’i Nila ao amoron’i Nila, ny saha voafafy rehetra manaraka an’i Nila: ho maina hanjary foana, ary tsy hisy intsony.
8
Ny mpaka hazandrano hisentosento sy higogogogo, dia ny mpamintana rehetra, eo an’ony; ny mpandatsaka harato eo ambonin’ny rano hivaranhotsaka.
9
Ry zareo miasa ny rongony madinika voaraotra, sy ry zareo manenona ny landihazo, hiraviravy tanana.
10
Ireo andrin’i Ejipta ho torotoro, ary ny manao taozavatra ho rera-po avokoa.
11
Ny mpanapaka an’i Tanisy adala foana; ny an’ireo hendry amin’ny mpanolo-tsain’i Faraôna dia hadalana ny toroheviny. Ahoana no ahasahianareo milaza amin’i Faraôna hoe: Zanak’olon-kendry aho, taranak’andriana fahagola aho?
12
Aiza moa izay olon-kendrinao? ka aoka hambarany aminao ary aoka hovinanîny izay nodidian’i Iavehn’ny tafika hanjò an’i Ejipta!
13
Ny mpanapaka an’i Tanisy efa very saina; ny mpanapaka an’i Memfisy efa voafitaka, ny tenan’izy ireo, vato fehizoron’ny karazam-pokon’i Ejipta no nandrebireby azy.
14
Norotsahan’i Iaveh fanahy mampandraingiraingy izy, ka ataony mandraingiraingy i Ejipta amin’ny ataony rehetra, mova tsy ny olona mamo mandraingiraingy eo am-pandoavany!
15
Ary tsy misy hahasoa an’i Ejipta, amin’izay rehetra mety ho vitan’ny loha na ny rambo, ny antrendry na ny zozoro.
16
Amin’izany andro izany i Ejipta, hanahaka ny vehivavy; ho toran-kovitra sy ho raiki-tahotra, mahita an’i Iavehn’ny tafika manainga tanana, izay aingainy hamelezana azy.
17
Ary ny tanin’i Jodà, hahatahotra mafy an’i Ejipta: hangovitra izy, isaky ny misy olona hampahatsiaro azy izany anarana izany noho ny didin’i Iavehn’ny tafika, izay navoakany hamelezany azy.
18
Amin’izany andro izany hisy tanàna dimy, any amin’ny tany Ejipta, izay hiteny amin’ny fiteny Kanaàna sy hianiana hanompo an’i Iavehn’ny tafika; ny iray amin’ireo atao hoe Tanàna-Masoandro.
19
Amin’izany andro izany hisy ôtely ho an’i Iaveh, eo afovoan’ny tany Ejipta. Ary eo amin’ny sisin-taniny, hisy tsangam-bato ho an’i Iaveh.
20
Ary ho famantarana ho an’i Iavehn’ny tafika izany, sy ho vavolombelona eo amin’ny tany Ejipta; ka rehefa hitaraina amin’i Iaveh izy ireo, noho ny mpampahory azy, dia haniraka mpamonjy izy, sy mpiaro mahery hanafaka azy.
21
Hanao izay hahafantaran’i Ejipta azy i Iaveh, ka hahalala an’i Iaveh i Ejipta amin’izany andro izany, hanao sorona amam-panatitra izy ireo, hivoady amin’i Iaveh sy hanefa izany.
22
Hikapoka an’i Ejipta i Iaveh, sady hikapoka no hanasitrana! Hibebaka amin’i Iaveh izy ireo, ka hety hionona amin’ny fifonany izy, dia hanasitrana azy.
23
Amin’izany andro izany hisy lalana avy any Ejipta mankany Asiria; ka ny Asirianina ho tonga ao Ejipta, ny Ejiptianina ho any Asiria, dia hanompo an’i Iaveh i Ejipta miaraka amin’i Asora. -
24
Amin’izany andro izany i Israely hikambana amin’i Ejipta sy i Asiria, izy no fahatelony, mba ho fitahiana eo amin’ny tany.
25
Hitahy azy ireo i Iavehn’ny tafika hanao hoe: «Hotahina anie i Ejipta, vahoakako, sy i Asora, asan’ny tanako, ary i Israely lovako.»
← Chapter 18
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 20 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52
53
54
55
56
57
58
59
60
61
62
63
64
65
66