bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Isaiah 54
Isaiah 54
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 53
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 55 →
1
Mihobia an-kafaliana, ry momba, izay tsy niteraka; mampisehoa hafaliana sy firavoravoana lehibe, ry tsy nihetsi-jaza; fa ny zanak’ilay nariana no maro, noho ny zanak’izay manam-bady, hoy i Iaveh.
2
Halalaho ny itoeran’ny lay, velaro ny ambaim-ponenanao, aza hazonina fa alefaso ho lava ny tadinao, ary aoreno mafy ny tsima-day!
3
Fa hitatra miankavanana sy miankavia ianao; ary haka fonenana amin’ny firenena ny taranakao; ary hanisy mponina amin’ny tanàna lao Izy.
4
Aza matahotra, fa tsy ho menatra ianao; aza mangaihay, fa tsy hisy hahamenatra anao; fa hanadino ny henatry ny fahatanoranao ianao; ary tsy hahatsiaro intsony ny tondromaso, fony mpitondratena.
5
Fa ny vadinao dia ny Mpahary anao; I Iavehn’ny tafika no Anarany, ary ny Mpanavotra anao dia ilay Masin’i Israely, Andriamanitry ny tany rehetra no iantsoana azy.
6
Hoatra ny vady nafoy sy tra-pahoriana, no ampodian’i Iaveh anao, hoatra ny vadin’ny fahatanoranao efa nisaorana; hoy ny Andriamanitrao.
7
Vetivety foana, kelikely foana no nahafoizako anao, fa amin’indrafo lehibe kosa no amoriako anao.
8
Tamin’ny firehetan’ny hatezerako no nanafenako vetivety ny Tavako taminao, fa amim-pitiavana mandrakizay kosa no angorahako anao, hoy i Iaveh Mpanavotra anao.
9
Dia ho toy ilay ranon’i Nôe izany amiko, nony nianiana Aho fa ilay ranon’i Nôe tsy hiely intsony amin’ny tany: toy izany koa no nianianako fa tsy ho tezitra aminao na handrahona anao intsony Aho.
10
Na dia hihataka aza ny tendrombohitra, ka hihozongozona ny havoana, ny fitiavako tsy mba hiala aminao, ary ny fanekem-pihavanako tsy mba hikorontana, hoy i Iaveh Ilay mangoraka anao.
11
Ry Ikala ory, afotofoton’ny tafio-drivotra, tsy manam-piononana ô; indro Aho handatsaka ny vatonao amin’ny antimoanina, sy hanorina anao eo ambonin’ny safira;
12
hataoko vato tsy leon-doza ny nongonongo-mandanao, eskarbokla ny vavahadinao, ary vatosoa avokoa ny manda manodidina anao.
13
Ho mpianatr’i Iaveh avokoa ny zanakao rehetra, ary ho be fiadanana ny zanakao.
14
Hatao miorina tsara amin’ny fahamarinana ianao; aoka ho lavitra anao anie ny fanahiana, fa tsy manan-katahorana ianao; ho lavitra anao anie ny fampahatahorana, fa tsy hanakaiky anao izany.
15
Raha misy miara-mioko, tsy ho avy amiko izany; fa iza no miara-mioko hamely anao? Ho lavo eo anoloanao izy.
16
Indro fa Izaho no nahary ny mpanefy, izay mifofotra ny arina mivaivay, ka manatsoaka ny fiadiana hamboariny avy ao, ary Izaho no nahary ny mpandrava mba handringana.
17
Ny fiadiana rehetra notefena hamelezana anao, tsy hisy asany, ary ny lela rehetra hisondrotra hifanohitra aminao, horesenao lahatra. - Izany no lovan’ny zanak’i Iaveh; izany no fahamarinana ho azony avy amiko. - Teny marin’i Iaveh. -
← Chapter 53
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 55 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52
53
54
55
56
57
58
59
60
61
62
63
64
65
66