bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Isaiah 43
Isaiah 43
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 42
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 44 →
1
Ary ankehitriny, izao no lazain’i Iaveh, dia ilay nahary anao, ry Jakôba, sy namorona anao, ry Israely: «Aza matahotra fa Izaho efa nanavotra anao, Izaho efa niantso anao amin’ny anaranao, ka Ahy ianao!
2
Raha mita rano ianao, dia homba anao Aho; raha mamaky ny ony ianao, tsy hanafotra anao izy; raha mandeha eo afovoan’ny afo ianao, tsy ho may; ary ny lelafo tsy handoro anao.
3
Fa izaho Iaveh no Andriamanitrao; ilay Masin’i Israely no mpamonjy anao. Efa nomeko ho avotrao, i Ejipta, ary ho solonao i Etiôpia sy i Sabà.
4
Satria sarobidy eo imasoko sy mendrika hohajaina ianao, sady tia anao Aho, hanome olona maro ho takalonao Aho, sy firenena maro, ho solon’ny ainao.
5
Aza matahotra fa momba anao Aho, hamerina ny taranakao avy any Atsinanana Aho, ary hanangona anao avy any Andrefana.
6
Ny Avaratra hilazako hoe: ‹Atolory izy!› ary ny Atsimo hataoko hoe: ‹Aza mitana azy!› Avereno ny zanako lahy, avy any lavitra any, sy ny zanako vavy, avy any am-paran’ny tany,
7
dia izay rehetra mitondra ny Anarako, izay noarîko ho voninahitro sy noforoniko ary nataoko.»
8
Avoahy ny olona jamba mana-maso, sy ny marenina manan-tsofina.
9
Aoka hivory ny firenena rehetra, sy hiangona ny vahoaka! Iza amin’izy ireo no nanambara izany zavatra izany, sy nilaza tamintsika ny faminaniana taloha? Aoka hasehony izay vavolombelona sy hanamarina ny filazana izy; aoka hihaino azy ny olona sy hanao hoe: «Marina izany!»
10
Ianareo no vavolombeloko, - teny marin’i Iaveh sady mpanompoko, izay nofidiko; mba hahafantaranareo sy hinoanareo Ahy ary hahazoanareo an-tsaina, fa Izaho no izy. Tsy misy Andriamanitra voaforona talohako; ary tsy hisy koa any aoriako.
11
Izaho dia Izaho ihany no Iaveh ary tsy misy mpamonjy afa-tsy Izaho.
12
Izaho no nilaza, Izaho no namonjy, Izaho no nilaza mialoha, tsy mba andriamani-kafa eo aminareo; ary ianareo no vavolombeloko - teny marin’i Iaveh.
13
Izaho no Andriamanitra. Amin’ny sisa Izaho ihany koa no izy, ary tsy misy olona mahafaka amin’ny tanako; Hiasa Aho, ka zovy moa no hahasakana izany?
14
Izao no lazain’i Iaveh, mpanavotra anareo, ilay Masin’i Israely: «Noho ny aminareo, dia naniraka hamely an’i Babilôna Aho, ka hataoko vaky mandositra avokoa izy ireo, dia ny Kaldeanina, ka hidina any amin’ny sambo ireharehany fatratra!
15
Izaho no Iaveh, ilay Masinareo, ilay mpahary an’i Israely, mpanjakanareo!»
16
Izao no lazain’i Iaveh, Izay nanao lalana eny amin’ny ranomasina, sakeli-dalana eny amin’ny rano mahery,
17
izay namoaka kalesy aman-tsoavaly, sy tafika ama-mpiady mahery, hiantafika, - indray lavo tsy hiarina intsony izy rehetra; voakenda sy maty toy ny lahin-jiro izy. -
18
Aza mahatsiaro ny zavatra lasa intsony, ary aza mihevitra ny zavatra taloha intsony!
19
Fa indro aho, hanao zava-mahagaga vaovao; efa hiposaka izy izao, tsy hahalala izany va ianareo? Hanisy lalana any an’efitra Aho, sy ony eny an-tany karankaina.
20
Hanome voninahitra Ahy ny biby eny an-tsaha, mbamin’ny amboadia sy ny ostritsa, satria nanisy rano tany an’efitra Aho, sy ony eny amin’ny tany karankaina, hampisotroana ny vahoakako, ny olom-boafidiko,
21
ny vahoaka noforoniko mba ho Ahy, ka hitory ny fiderana Ahy.
22
Kanefa, ry Jakôba ô, tsy mba niantso Ahy ianao, na nisahirana tamiko akory, ry Israely.
23
Tsy mba nateranao ny ondrin’ny sorona dorana Aho, na nomenao voninahitra tamin’ny soronao akory. Tsy namesatra anao tamin’ny fanatitra Aho na nanasatra anao tamin’ny emboka manitra.
24
Tsy lany vola namidy veromanitra ho Ahy ianao; na namoky Ahy tamin’ny saboran-tsoronao; fa ianao aza no namesatra Ahy tamin’ny fahotanao; nanasatra Ahy tamin’ny tsy fahamarinanao.
25
Izaho dia Izaho ihany no namono ny fahadisoanao, noho ny fitiavako ny Tenako, ka tsy hotsarovako intsony ny fahotanao.
26
Ampahatsiarovy Aho; aoka hifandahatra isika. Aoka ny tenanao no hilaza izay mahamarina ny anao.
27
Nanota ny rainao voalohany, ary nivadika tamiko ireo mpanalalanao.
28
Ka izany no nanonganako an’ireo loholon’ny fitoerana masina, nanolorako an’i Jakôba ho anatema sy i Israely ho fandatsa.
← Chapter 42
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 44 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52
53
54
55
56
57
58
59
60
61
62
63
64
65
66