bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Isaiah 63
Isaiah 63
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 62
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 64 →
1
Iza moa ity avy any Edôma, avy any Bôsrà, mitafy mena midorehitra? Mamirapiratra izy amin’izany fitafiana izany, mijoro amin’ny haben’ny heriny. - Izaho ity, izay miteny amim-pahamarinana, sady manan-kery hamonjy.
2
Nahoana no misy mena ity fitafianao, ary tahaka ny an’izay manosy eo amin’ny famiazam-boaloboka ny akanjonao?
3
Nanosy irery teo amin’ny famiazam-boaloboka aho, fa tsy nisy na dia iray aza niaraka tamiko, ny avy amin’ny firenena. Dia nanosy azy ireo aho, nentin’ny hatezerako, ary nanitsakitsaka azy aho nentin’ny fahavinirako; nipitika tamin’ny akanjoko ny ranony, ka voalotoko avokoa ny fitafiako.
4
Satria andro famaliana no tato am-poko; ary efa tonga ny taom-panavotana.
5
Nijery aho fa tsy nisy olon-kanampy; talanjona aho fa tsy nisy olon-kanohana. Ka dia ny sandriko no namonjy ahy, ary ny hatezerako no nanohana ahy.
6
Nentin’ny hatezerako aho nanamontsana ny firenena; nataoko leon’ny fahavinirako izy ireo; ary nataoko nandriaka tamin’ny tany ny rany.
7
Hankalazaiko ny famindram-pon’i Iaveh, ny fiderana an’i Iaveh, noho izay rehetra efa nataon’i Iaveh ho antsika, noho ny hatsaram-pony lehibe amin’ny taranak’i Israely, izay nasehony azy araka ny fiantràny sy araka ny famindram-pony tsy misy fetra.
8
Fa hoy Izy: «Eny, oloko izy ireo, zanaka tsy mba hivadika!» Ka dia Mpamonjy ho azy ireo Izy.
9
Tamin’ny fahorian’ireo rehetra, niory koa izy, ary ny Anjelin’ny tavany namonjy azy ireo. Noho ny fitiavany sy ny hamoram-pony dia ny Tenany no nanavotra azy ireo; nanohana sy nivimbina azy, nandritra ny andro rehetra fahiny.
10
Izy ireo kosa anefa niodina sy nampalahelo ny Fanahiny Masina; ka dia tonga fahavalon’izy ireo Izy tamin’izay, ary ny Tenany no niady tamin’ireny.
11
Dia nahatsiaro ny andro fahiny, ny andron’i Môizy, ny vahoakany! Aiza Ilay nitondra niakatra avy tamin’ny ranomasina, ny mpiandry ny andian’ondriny? Aiza Ilay nametraka teo amin’izy ireo, ny Fanahiny Masina,
12
izay nampandeha, teo ankavanan’i Môizy, ny sandriny be voninahitra, izay nampisaraka ny rano teo anoloany, hahazoany anarana mandrakizay;
13
izay nampandeha azy namaky ny hantsana ka tsy tafintohina, tahaka ny soavaly mamaky ny tany lava volo,
14
tahaka ny biby fiompy midina ho eny an-dohasaha? Notarihin’ny fanahin’i Iaveh ho amin’ny fitsaharana izy. Toy izany no nitarihanao ny vahoakanao, mba hahazoanao anarana be voninahitra.
15
Mitsinjova eny an-danitra, ary mijere, eny amin’ny fonenanao masina sy be voninahitra. Aiza ny hafanam-po amam-pahefanao, ny fientanam-ponao amam-pamindram-ponao? Niato izany raha ny amiko.
16
Ianao anefa no Rainay; fa i Abrahama tsy mahalala anay, ary i Israely tsy mahafantatra anay. Ianao, Iaveh, no tianay; Mpanavotra anay no Anaranao, hatrizay ela izay.
17
Nahoana izahay, ry Iaveh ô, no dia ataonao maniasia lavitra ny lalanao, ka hamafisinao fo, tsy hatahotra Anao? Miverena, noho ny fitiavanao ny mpanomponao sy ny fokon’ny lovanao!
18
Ny vahoakanao masina nizaka ny tany andro kely foana; ny fitoeranao masina efa nohitsakitsahin’ny fahavalony.
19
Izahay hatry ny ela, no efa hoatra ny olona tsy tapahinao akory, sy tsy iantsoana intsony ny Anaranao. Inay Ianao mandriatra ny lanitra, dia midina, - dia hihorohoro eo anoloanao ny tendrombohitra!
← Chapter 62
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 64 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52
53
54
55
56
57
58
59
60
61
62
63
64
65
66