bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Isaiah 26
Isaiah 26
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 25
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 27 →
1
Amin’izany andro izany hohiraina ao amin’ny tanin’i Jodà izao hira izao: «Manana tanàna mafy isika! Ny famonjeny no ataony mandany sy manda ivelany.
2
Vohay ny vavahady, avelao hiditra ny firenena marina, mitana ny fahamarinana.
3
Ny fo mahalefitra iantohanao fiadanana, dia fiadanana noho izy matoky anao.
4
Matokia an’i Iaveh mandrakizay ianareo, fa vatolampin’ny taona rehetra i Iaveh.
5
Manetry izay nonina any amin’ny havoana Izy; naniva ny tanàna miezinezina, naniva azy amin’ny tany, nataony mikasika ny vovoka Izy
6
ka voahosihosin’ny tongotra izy, dia ny tongotry ny ambany toerana sy ny dian’ny ory.»
7
Voaravona ny sakeli-dalan’ny marina; mahitsy ny lalana izay areninao ho an’ny marina.
8
Koa teo amin’ny lalan’ny fitsaranao no niandrasanay Anao, ry Iaveh, ny Anaranao amam-pahatsiarovana Anao, no fanirian’ny fanahinay.
9
Ny fanahiko maniry Anao mandritra ny alina; ary ny saiko ato anatiko, nikatsaka Anao. Satria raha mihatra amin’ny tany ny fitsarànao, dia tonga mahalala ny fahamarinana ny mponina amin’izao tontolo izao.
10
Raha omena famindram-po ny ratsy fanahy dia tsy mahalala ny fahamarinana; ka na eo amin’ny tanin’ny fahamarinana aza izy dia manao ratsy, sy tsy mahita izay fiandrianan’i Iaveh.
11
Ry Iaveh ô, ny tananao efa voaainga tsy hitan’izy ireo. Fa ny zotom-ponao ho an’ny olonao kosa ho hitany ka hangaihay izy ireo; ho levon’ny afo natao handevonana ny fahavalonao.
12
Ry Iaveh ô, hiantoka fiadanana ho anay Ianao, fa ny asanay rehetra dia Ianao no nanatanteraka azy ho anay.
13
Ry Iaveh Andriamanitray ô, nisy tompo hafa noho Ianao efa nanapaka anay koa; fa noho Ianao irery ihany no ahazoanay mankalaza ny Anaranao.
14
Ny maty tsy ho velona intsony, ny matoatoa tsy mba hitsangana, fa efa nosavanao izy ka naringanao, sady nolevoninao avokoa ny fahatsiarovana azy.
15
Nampitomboinao ny firenena, ry Iaveh, nampitomboinao ny firenena sy nahariharinao ny voninahitrao; nitarinao halalaka ny faritry ny tany.
16
Nitady Anao izy, nony azom-pahoriana, ry Iaveh ô, noborahiny ny fitarainany, raha nokapohinao izy.
17
Tahaka ny vehivavy bevohoka madiva ho teraka, miolanolana sy miantsoantso eo amin’ny fijaliany, tahaka izany izahay eo anatrehan’ny tavanao, ry Iaveh.
18
Fa efa bevohoka izahay, efa nihetsi-jaza izahay, dia tsy niteraka afa-tsy rivotra. Tsy nanome ny famonjena ho an’ny tany izahay, ka tsy nisy mponina teraka ho an’izao tontolo izao.
19
Ho velona indray ny olonao efa maty; hitsangana indray ny fatin’ny oloko. Mifohaza, ka manaova hobin-kafaliana, ianareo izay mandry eo amin’ny vovoka, fa ny andonao, ry Tompo, dia andon’ny fahazavana; ary ny tany hamoaka indray ny maty.
20
Mandehana, ry vahoakako, midira ao an’efitranonao, ka mirindrìna varavarana ianao rehefa ao; miere vetivety foana, mandra-pahalasan’ny fahatezerana.
21
Fa indro i Iaveh mivoaka avy amin’ny fonenany, hizaha ny tsy fahamarinan’ny mponina amin’ny tany; ary ny tany hampiseho ny ra izay nofohiny, ka tsy hanafina intsony izay novonoina teo aminy.
← Chapter 25
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 27 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52
53
54
55
56
57
58
59
60
61
62
63
64
65
66