bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Isaiah 62
Isaiah 62
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 61
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 63 →
1
Noho ny amin’i Siôna tsy hangina aho, ary noho ny amin’i Jerosalema, tsy hiala sasatra aho, mandra-piposaky ny fahamarinany, hoatra ny hazavan’ny maraina; sy mandra-pamirapiratry ny famonjeny, hoatra ny fanilo.
2
Hahita ny fahamarinanao ny firenena, hahita ny voninahitrao ny mpanjaka rehetra, ka hantsoina amin’ny anaram-baovao ianao, izay hofidin’ny vavan’i Iaveh.
3
Ho satroboninahitra eo an-tanan’i Iaveh ianao, sy ho hamàman’andriana, eo an-tanan’ny Andriamanitsika.
4
Tsy hisy intsony hanao anao hoe «i Nafoy»; ary tsy hisy intsony hiantso ny taninao hoe «i Faharinganana.» Fa ny hiantsoana anao dia hoe «I Ankasitrahiko»; ary ny taninao «i Vady ampakarina». Satria i Iaveh hankasitraka anao; ary ny taninao hahazo vady.
5
Tahaka ny ampakaran’ny zatovo ny virjiny ho vadiny, no hampakaran’ny zanakao anao; ary tahaka ny hamalifalian’ny ampakarina ny mpampakatra, no hamalifalianao ny Andriamanitrao.
6
Eo ambonin’ny mandanao, ry Jerosalema, no efa nametrahako mpiambina; ka tsy hangina intsony ireny, na andro na alina.
7
O ry zareo mpampahatsiaro an’i Iaveh ô, aza mitsahatra ianareo; ary aza avelanareo hitsahatra Izy, mandra-panangany an’i Jerosalema indray, sy mandra-panaony azy ho fideran’ny tany.
8
I Iaveh efa nianiana tamin’ny tanany ankavanana sy tamin’ny sandriny mahery hoe: «Ny varinao tsy homeko hohanin’ny fahavalonao intsony, ary tsy hosotroin’ny zanaky ny hafa firenena intsony ny divainao, vokatry ny fisasaranao.
9
Fa izay mijinja ny vary ihany no hihinana azy, ka hidera an’i Iaveh; ary izay hioty ny voam-boaloboka ihany no hisotro azy, eo amin’ny kianjan’ny fitoerako masina».
10
Mivoaha, mivoaha amin’ny vavahady ianareo, areno ny lalan’ny vahoaka. Savao, savao ny arabe, esory ny vato eo aminy; manangàna saina eo ambonin’ny vahoaka.
11
Izao no nambaran’i Iaveh, hatrany amin’ny faran’ny tany: «Lazao amin’ny zanaka vavin’i Siôna hoe: Indro, avy ny Mpamonjy anao; ny valisoa homeny efa eny aminy; ary ny tamby hatolony efa eo anoloany.
12
Izy ireo hantsoina hoe: ‹Firenena masina,› ‹Ny navotan’i Iaveh›; ary ianao kosa hantsoina hoe: ‹Ilay irina›, ‹Tanàna tsy foy› ».
← Chapter 61
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 63 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52
53
54
55
56
57
58
59
60
61
62
63
64
65
66