bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Isaiah 5
Isaiah 5
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 4
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 6 →
1
Andeha hihira ho an’ny malalako aho, ilay hiran’ny malalako, ny amin’ny tanimboalobony. Ny malalako dia nanan-tanimboaloboka, teo amin’ny tanety mahavokatra.
2
Ka nasainy ny tany, noesoriny ny vato taminy; ary namboly karazam-boaloboka teo izy. Nanorona tilikambo teo afovoany izy, ary nandavaka famiazam-boaloboka koa. Nampoiziny hamoa voaloboka tsara izy, kanjo divay marikivy no vokany.
3
Ary izao kosa, ry mponina ao Jerosalema, sy olona any Jodà, masìna ianareo, tsarao Aho, sy ny tanimboaloboko!
4
Inona moa no mbola tokony ho natao tamin’ny tanimboaloboko, ka tsy nataoko taminy? Nahoana no voaloboka no nantenaiko ho voany, kanjo tsy namoa afa-tsy divay marikivy izy?
5
Koa ankehitriny haposako aminareo, izay hataoko amin’ny tanimboaloboko: hongotako ny fefiny, dia horaotina izy; hadorako ny tambohony, dia ho voahosihosy izy.
6
Hataoko tany foana izy; ka tsy hohetezana na hasaina intsony; fa hanirian’ny hery aman-tsilo; ary handidy ny rahona aho, tsy handatsaka orana aminy intsony.
7
Fa ny taranak’i Israely, no tanimboalobok’i Iavehn’ny tafika, ary ny olona any Jodà, no voly nolalainy; hitsiny no nantenainy taminy, kanjo ra latsaka no niseho; ny fahamarinana no nantenainy, kanjo fitarainam-pahoriana no hita.
8
Loza ho an’izay manampy trano amin’ny trano, sy manitatra saha amin’ny saha, mandra-paha-tsy misy manelanelana intsony, fa dia izy irery no honina eo afovoan’ny tany.
9
Ity no teny ren’ny sofiko avy amin’i Iavehn’ny tafika: Eny ho foana ireo trano maro ireo, tsy hisy mpitoetra intsony ireo trano lehibe sy tsara tarehy ireo.
10
Fa ny tanimboaloboka telon-jato aza tsy hahavokatra afa-tsy iray bata, ny voan-javatra iray homera tsy hahavokatra afa-tsy iray efah.
11
Loza ho an’izay mihazakazaka hatramin’ny vao maraina mitady fisotro mahamamo, ary manalava ny filerany amin’ny hariva, efa voarehitry ny divay.
12
Harpa amam-baliha sy langoroany, ary sodina aman-divay, dia izay no fanasan’izy ireo; fa ny asan’i Iaveh tsy asiany fiheverana, ary ny ataon’ny tanany tsy jereny akory.
13
Noho izany ny vahoakako ho lasan-ko babo, tsy manampò izany akory; ny andriany ho zary andian’olo-noana, ary ny valalabemandry aminy ho main’ny hetaheta.
14
Koa dia mitatra ny Seoly, ka manadanadana tsy anerany ny vavany; mivarina ao ny reharehan’i Siôna, mbamin’ny be sy ny maro aminy izay mihahohaho sy mifaly.
15
Haetry ny olombelona, haongana ny olona, ary haondrika ny mason’ny mpiandranandrana;
16
dia hiseho ho lehibe, amin’ny fitsarana, i Iavehn’ny tafika, ary hiseho ho masina amin’ny fahamarinana ny Andriamanitra masina
17
Hisy ondry hiraoka ahitra, toy ny eo amin’ny fiandrasana azy, sy olon-kafa handevona ny sahan’ny mpanan-karena efa voasimba.
18
Loza ho an’izay mitari-keloka amin’ny kofehim-pitaka sy ota, toy ny amin’ny mahazakan-tsarety!
19
izay manao hoe: «Aoka ho dodona izy, aoka hohafainganiny ny asany, hahitantsika azy! Aoka hihakely sy ho tanteraka ny didin’Ilay Masin’i Israely, ka hahafantarantsika!»
20
Loza ho an’izay miantso ny ratsy, soa, ary ny soa, ratsy; izay manao ny haizina ho fahazavana, sy ny fahazavana ho haizina; izay manao ny mamy ho mangidy, sy ny mangidy ho mamy.
21
Loza ho an’izay manao ny tenany ho hendry, sy mihevitra azy ho mazava saina!
22
Loza ho an’izay mahery amin’ny fisotroan-divay, sy matanjaka amin’ny fampiharoharoana ny fisotro mahery!
23
ho an’izay manamarina ny meloka, noho ny kolikoly, sy tsy manome ny rariny ananan’ny marina!
24
Noho izany, toy ny fandevon’ny lelafo ny mololo, sy toy ny fitelin’ny afo ny ahi-maina, ny fakany hanahaka zavatra lo; ary ny voniny hofaohiny toy ny vovoka; satria nanipaka ny lalàn’i Iavehn’ny tafika izy ireo, sy naniratsira ny tenin’Ilay Masin’i Israely.
25
Noho izany, nirehitra tamin’ny vahoakany ny fahatezeran’i Iaveh, nahinjiny tany aminy ny tanany, dia nikapoka azy Izy; nihozongozona ny tendrombohitra; miampatra toy ny diky eny an-dalana, ny fatin’izy ireo. Na dia izany rehetra izany aza anefa tsy mbola afaka ny hatezerany, ary mbola mihinjitra ihany ny tanany.
26
Manangan-tsaina ho an’ireo firenena lavitra Izy; ary misiaka miantso azy ireo, avy any am-paran’ny tany. dia indreo tonga ireny, faingana sady mailaka.
27
Tsy misy reraka na mangozohozo, na dia iray aza, tsy misy rendremana na matory, na dia iray aza, tsy misy olona miala fehikibo eny an-tehezany, na tapa-kofehin-kiraro akory.
28
Voaranitra avokoa ny zana-tsipikany, voahenjana avokoa ny tsipìkany; mafy tahaka ny vato ny kitron-tsoavaliny; tahaka ny tadio ny kodiaran-tsaretiny.
29
Fieron’ny liona, ny fierony; manerona izy toy ny liona tanora izay mitrerona sy misambotra ny rembiny; dia lasany izany ka tsy misy mahesotra izany aminy intsony.
30
Amin’izany andro izany hisy rohondrohona hihatra amin’ny vahoaka, tahaka ny firohondrohon’ny ranomasina. Hijery ny tany ny olona ka indro haizina no eo! Tebiteby mafy sy mivelatra hanarona ny lanitry ny faritany ny haizina.
← Chapter 4
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 6 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52
53
54
55
56
57
58
59
60
61
62
63
64
65
66