bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Isaiah 37
Isaiah 37
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 36
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 38 →
1
Nony nandre izany teny izany i Ezekiasa, dia notriariny ny fitafiany, notafiny ny lasàka, lasa izy nankao an-tranon’i Iaveh.
2
Ary nirahiny i Eliasima, lehiben’ny ao an-dapa, sy i Sobnà mpanoratra, ary ny lohandohan’ny mpisorona, samy voatafy lasàka, ho any amin’i Izaia zanak’i Amôsa, mpaminany,
3
ka nanao taminy hoe: «Izao no lazain’i Ezekiasa: Androm-pahoriana amam-pamaizana sy fahafaham-baraka izao andro izao, fa ny zaza vonon-kivoaka avy ao am-bohoka nefa ny hery hiterahana azy, tsy misy.
4
Angamba ho ren’i Iaveh Andriamanitrao, ny tenin’ny lehiben’ny mpandroso divay nirahin’ny mpanjakan’i Asiria, tompony, hanevateva an’Andriamanitra velona, ka hosaziny noho ny teny efa ren’i Iaveh Andriamanitrao. Koa manaova fivavahana ho an’izay sisa mbola tavela.»
5
Lasa nankany amin’i Izaia ireo mpanompon’i Ezekiasa,
6
dia hoy i Izaia tamin’izy ireo: «Izao no holazainareo amin’ny tomponareo: Toy izao no tenin’i Iaveh: Aza matahotra ny teny efa renao, izay naniratsiran’ny mpanompon’ny mpanjakan’i Asiria Ahy.
7
Fa indro Aho, manisy fanahy ao anatiny, hany ka noho ny vaovao hampandrenesina azy dia hiverina ho any amin’ny taniny izy, dia hataoko lavon-tsabatra any amin’ny taniny.»
8
Dia niverina ny lehiben’ny mpandroso divay ka nahita ny mpanjakan’i Asiria, nanao fahirano an’i Lobnà; efa reny ny nialan’ny tompony tany Lakisa.
9
Ary nandre vaovao ny mpanjakan’i Asiria ny amin’i Tharakà, mpanjakan’i Etiôpia, fa hoy ny olona taminy: «Efa niainga izy io hanafika anao.» Nony vao nandre izany izy, dia nandefa iraka ho any amin’i Ezekiasa, hanao hoe:
10
«Izao no holazainareo amin’i Ezekiasa mpanjakan’i Jodà ataovy hoe: Aza mety hofitahin’ny Andriamanitrao, izay itokianao ianao, ataony hoe: ‹Tsy hatolotra eo an-tanan’ny mpanjakan’i Asiria i Jerosalema.›
11
Indro efa renao ny nafitsoky ny mpanjakan’i Asiria, ny tany rehetra, fa nataony anatema izany!... Ka ianao ve dia ho voavonjy?
12
Moa nahavonjy azy va ireo andriamanitry ny firenena noravan’ny razako dia i Gôzàna, i Harama, i Resefa, ary ny taranak’i Edena, izay any Telasara?
13
Aiza avy ny mpanjakan’i Emata, ny mpanjakan’i Arfada, ary ny mpanjakan’ny tanàna Sefarvaima, ny an’i Anà, ny an’i Avà?»
14
Noraisin’i Ezekiasa avy eny an-tanan’ireo iraka ny taratasy, ka novakiny; dia niakatra ho ao an-tranon’i Iaveh izy sady namelatra izany teo anatrehan’i Iaveh.
15
Ary nivavaka teo anatrehan’i Iaveh i Ezekiasa nanao hoe:
16
«Ry Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely ô, izay mipetraka amin’ny Kerobima, Ianao irery no Andriamanitry ny fanjakana rehetra ambonin’ny tany, Ianao no namorona ny lanitra sy ny tany.
17
Atongilano ny sofinao, Iaveh, ka mihainoa! Ahirato ny masonao, Iaveh, ka mijere! Henoy avokoa ny tenin’i Senakeriba izay nalefany, hanevatevana an’ilay Andriamanitra velona.
18
Marina tokoa, ry Iaveh ô, fa i Senakeriba dia nandrava ny firenena rehetra mbamin’ny taniny,
19
ary nanipy ny andriamanitr’ireny tao anaty afo, satria tsy andriamanitra ireny, fa asan-tanan’olombelona, vato aman-kazo, ka dia voaravany.
20
Ankehitriny, Iaveh Andriamanitray ô, vonjeo amin’ny tanan’i Senakeriba izahay; ary aoka ho fantatry ny fanjakana rehetra ambonin’ny tany, fa Ianao irery no Iaveh.»
21
Dia naniraka ho any amin’i Ezekiasa i Izaia zanak’i Amôsa, hilaza hoe: «Izao no lazain’i Iaveh, Andriamanitr’i Israely: Efa reko ny vavaka nataonao tamiko, ny amin’i Senakeriba, mpanjakan’i Asiria;
22
ka izao no teny nolazain’i Iaveh ny aminy: Maneso anao, mihomehy anao ilay virjiny zanaka vavin’i Siôna; manifikifi-doha eo aorianao, ny zanaka vavin’i Jerosalema!
23
Iza no notsiratsirainao sy nompanao? Hamely an’izay no nanandratanao feo, sy niandranandrànanao maso? -
24
Hamely an’ilay Masin’i Israely. Ny mpanomponao no efa naniratsiranao ny Tompo, ary ianao efa nanao hoe: ‹Amin’ny hamaroan’ny kalesiko no efa niakarako teny antampon-tendrombohitra, teny amin’ny fara sisin’i Libàna; hokapaiko ny avo indrindra amin’ny sipresa ao aminy, ny tsara indrindra amin’ny sipresa ao aminy, dia hahatakatra ny tendrony avo indrindra aho, mbamin’ny alany, hoatra ny saha misy hazo mamoa.
25
Nihady aho, dia manan-drano hosotroina; homainiko amin’ny faladian-tongotro ny onin’i Ejipta rehetra.›
26
Tsy mba renao va fa efa hatramin’ny ela dia nanao izany aho, ary efa noforoniko hatramin’ny andro taloha? Ankehitriny ataoko izay hahatanterahan’izany. hampanjarianao korontan-javatra miavosa ny tanàna mimanda.
27
Tsy manan-kery ny mponina fa raiki-tahotra sy mivadi-po; izy ireo manahaka ny ahitra eny an-tsaha aman-java-maitso milenodenoka, tahaka ny ahitra ambony tafon-trano, tahaka ny vary mandavenona, maina alohan’ny fahamasahany.
28
Fantatro anefa ianao na mipetraka ianao na mivoaka ianao, na miditra ianao; fantatro ny hatezeranao amiko.
29
Noho ianao misafoaka amiko, sy noho ny fireharehanao efa tafakatra mby ao an-tsofiko, izaho kosa hametraka ny masom-biko amin’ny oronao sy ny lamboridiko eo amin’ny vavanao, ka hamerina anao amin’ny lalana niavianao».
30
Ary izao no ho famantarana ho anao: Amin’ity taona ity, ny vokatra avy amin’ny vary raraka an-tany no hohanina; amin’ny taona faharoa ny maniry ho azy no hohanina; fa amin’ny taona fahatelo kosa hamafy sy hijinja ianareo; hamboly tanimboaloboka sy hihinana ny vokany ianareo.
31
Izay voavonjy tamin’ny taranak’i Jodà, izay sisa tavela mbola handatsaka faka any ambany, ary hamoa voa any ambony.
32
Fa hisy sisa hivoaka avy amin’i Jerosalema, ary hisy afaka avy ao an-tendrombohitra Siôna. Izany no hoefain’ny firehetam-pon’i Iavehn’ny tafika.
33
Noho izany izao no lazain’i Iaveh, ny amin’ny mpanjakan’i Asiria: «Tsy hiditra amin’izany tanàna izany izy, na handefa zana-tsipìka ao aminy, na hanangana ampinga eo anoloany, na hanandratra tovon-tany hamelezana azy.
34
Hiverina amin’ny lalana niaviany izy, fa tsy ho tafiditra amin’ity tanàna ity. Teny ton’i Iaveh.
35
Hiaro ity tanàna ity Aho mba hamonjy azy, noho ny amin’ny Tenako, sy noho ny amin’i Davida mpanompoko».
36
Dia nivoaka ny Anjelin’i Iaveh, ka namely olona 185.000 teo an-tobin’ny Asirianina, ary nony vao nifoha ny olona tamin’ny maraina dia indreo maty avokoa ireo.
37
Ary i Senakeriba mpanjakan’i Asiria, nony avy nandrava ny tobiny, dia lasa nody,
38
ka nitoetra tany Niniva. Fa raha ilay niankohoka tao an-tranon’i Nesrôka, andriamaniny iny izy, dia nokapain’i Adrameleka sy i Sarasara, zanany lahy, tamin’ny sabatra, ka nandositra tany amin’ny tanin’ny Ararata izy ireo, dia i Asaradôna, zanany lahy, no nanjaka nandimby azy.
← Chapter 36
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 38 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52
53
54
55
56
57
58
59
60
61
62
63
64
65
66