bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Isaiah 8
Isaiah 8
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 7
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 9 →
1
Ary hoy i Iaveh tamiko: «Mangalà fàfana lehibe, ka soraty eo, amin’ny soratra azon’ny olona rehetra vakina, izao: ‹Hafaingano ny fandrobana! Mamaboa faingana.› »
2
Ary naka vavolombelona mahatoky hiaraka amiko aho, dia i Oria mpisorona sy i Zakaria zanak’i Jebarakia.
3
Dia nanatona ny mpaminany vavy aho ary nanana anaka izy, ka niteraka zaza lahy. Ary hoy i Iaveh tamiko: «Ataovy hoe: Maher-Salala-Kasy-Baza ny anarany.
4
Fa alohan’ny hahaizan’io zaza io miantso hoe: Dada sy Neny dia hoaterina eo anatrehan’ny mpanjakan’i Asiria ny haren’i Damasy sy ny babo azo tamin’i Samaria.»
5
Izao koa no nolazain’i Iaveh tamiko:
6
«Satria ity firenena ity nanazimba ny ranon’i Siloe misononoka fandeha, sy mifaly noho ny amin-dRasìna sy ny zana-dRomelia,
7
noho izany, indro hampiakarin’ny Tompo hanafika azy ireo, ny ranon’ny ony, sady mahery no lalina, dia ny mpanjakan’i Asiria mbamin’ny heriny rehetra; ny masondranony rehetra hosaforany, ary ny morony rehetra hihoarany;
8
ho tafatsofoka amin’i Jodà izy, ho tondraka sy hanafotra, hisondrotra mandra-pahatongavany havozona, ary ny fivelaran’ny elany handrakotra ny tampon’ny taninao rehetra, ry Emanoela ô!»
9
Manaova akoran’ady, ry vahoaka, nefa ho resy ianareo! Manongilàna sofina ianareo rehetra, ry fara vazan’ny tany. Vonony ny fitaovanareo, nefa ho resy ianareo! Vonony ny fitaovanareo, nefa ho resy ianareo e!
10
Manaova fikasana, nefa hofoanana izany; manomeza baiko, nefa tsy hisy vokany izany; satria momba anay Andriamanitra!
11
Fa izao no nolazain’i Iaveh tamiko, raha nandray ahy ny tanany, sy nanoro ahy tsy hanaraka ny lalan’ity firenena ity, nanao hoe:
12
Aza miantso hoe tetika fikomiana izay rehetra ataon’ity vahoaka ity hoe tetika fikomiana. Aza matahotra izay atahorany, na mangovitra akory ianareo.
13
I Iavehn’ny tafika, dia Izy no hohamasininareo, Izy no aoka hatahoranareo sy hangovitanareo.
14
Dia ho fitoerana masina Izy, nefa koa ho vato fanafintohinana sy ho vatolampy mahasolafaka ho an’ny firenena roa amin’i Israely, ho fandrika aman-tonta ho an’ny mponina eny Jerosalema.
15
Maro amin’izy ireo no ho tafintohina, ho lavo, sady ho montsamontsana; ary ho voafandrika sy ho voasambotra.
16
Fehezo ny teny-vavolombelona, asio tombokase ny fampianarana ao am-pon’ny mpianatrao.
17
Manantena an’i Iaveh izay manafina ny tavany amin’ny taranak’i Jakôba aho, ary matoky azy.
18
Inty aho sy ireo zaza nomen’Andriamanitra ahy, dia famantarana sy fambara amin’i Israely izahay, avy amin’i Iavehn’ny tafika, izay monina ao an-tendrombohitra Siôna.
19
Raha avy izay hilazany aminareo hoe: «Manontania an-dry zareo miantso ny maty, sy amin’ny mpisikidy manao feo mimonomonona sy mibitsibitsika,» valio hoe: «Moa tsy ny Andriamaniny va no tokony hanontanian’ny vahoaka? dia ny maty va no hilan-tsaina ho an’ny velona?
20
Ny fampianarana sy ny teny vavolombelona ihany e! Fa raha manao teny hafa noho izany ny vahoaka, dia tsy misy fahazavan’ny maraina ho azy.»
21
Hirenireny amin’ny tany, vontom-pahoriana sy mosarena, ary rehefa noana izy hanozona ny mpanjakany sy ny andriamaniny amin’ny fiafonafonany.
22
Hanandratra ny masony any ambony, dia hanondrika azy amin’ny tany indray: Ka indro ny fahoriana, ny haizina, ny tebiteby mampanjombona; horoahina any amin’ny haizim-pito izy.
23
Tsy hisy anefa ny haizim-pito, amin’ny tany nozoim-pahoriana. Toy ny nanotofan’ny andro taloha fahafaham-baraka, ny tany Zabolôna sy ny tany Neftalì, no hamenoan’ny andro farany voninahitra, ny lalan’ny ranomasina, ny tany an-dafin’i Jordany, ary ny faritanin’ny firenena.
← Chapter 7
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 9 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52
53
54
55
56
57
58
59
60
61
62
63
64
65
66