bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Isaiah 9
Isaiah 9
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 8
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 10 →
1
Ny vahoaka nandeha tamin’ny haizim-pito, nahita mazava lehibe; ary ireo nonina tamin’ny tany aloky ny fahafatesana, namirapiratan’ny mazava.
2
Nampitombo ny vahoakanao Ianao, ary nataonao lehibe ny hafaliana; ka mifaly eo anatrehanao, toy ny fifaliana raha fararano izy, toy ny fihobiana an-kafaliana, raha mizara babo.
3
Satria ny jioga nanavesatra azy, ny tsora-kazo nikapohana ny lamosiny, ny tehin’ny mpitoroka azy, dia samy notapahinao, toy ny tamin’ny andron’i Madiàna.
4
Ny kapan’ny mpiady rehetra tamin’ny fikatrohana mbamin’ny kapaoty nihosin-dra rehetra, dia atao anatin’ny afo: ka levon’ny afo.
5
Fa misy zaza teraka ho antsika; zazalahy nomena antsika; ka ny fanjakana napetraka eo an-tsorony; ary ny anarany atao hoe: Mpanolo-tsaina mahagaga, Andriamanitra mahery, Ray mandrakizay, Andrian’ny fiadanana,
6
mba hanitatra ny fanjakana, sy hanome fiadanana tsy manam-pahataperana, ho an’ny seza fiandrianan’i Davida sy ny fanjakany, mba hampiorenany azy sy hanamafisany azy, amin’ny hitsiny sy ny rariny, hatramin’izao ka ho mandrakizay. Ny zotom-pon’i Iavehn’ny tafika no hanatanteraka izany.
7
Nandefa teny ho an’i Jakôba, ny Tompo, ary mihatra amin’i Israely izany;
8
Hahalala izany avokoa ny vahoaka, dia i Efraima sy ny mponina any Samaria, izay miteny amim-piavonavonana sy amim-pireharehan’ny fony manao hoe:
9
«Nianjera ny biriky, fa vato voapaika kosa no harafitsika, voakapa ny aviavy, fa sedera kosa no hasolontsika azy.»
10
I Iaveh nanangana ny mpanohitra an-dRasìna hamely azy ireo sy manindrona an’ireo fahavalony,
11
dia i Siria any Atsinanana, sy ny Filistinina any Andrefana, ka ho lanin’ireo, hataony be am-bava, i Israely. Na izany rehetra izany aza anefa, tsy nihodivitra ny hatezerany, ary mbola mihinjitra ihany ny tanany.
12
Satria tsy niverina amin’izay nikapoka azy ny vahoaka, ary tsy nitady an’i Iavehn’ny tafika izy ireo.
13
Ka hofongoran’i Iaveh amin’i Israely ny loha sy ny rambo, ny fototr’antrendry aman-jozoro amin’ny indray andro monja.
14
Ny loholona sy ny andriana no loha, ary ny mpaminany mampianatra lainga no rambo.
15
Fa ireo mitarika ity vahoaka ity mamily azy, ary izay voatarika dia very.
16
Noho izany ny zatovon’izy ireo tsy ankasitrahin’ny Tompo, ary ny kamboty amam-mpitondratenany, tsy ananany antra; satria izy rehetra dia samy mpankahala fivavahana sy ratsy fanahy avokoa, ary ny lela rehetra mamoaka fankahalana ny fivavahana avokoa. Na izany rehetra izany aza anefa, tsy nihodivitra ny hatezerany, ary mbola mihinjitra ihany ny tanany.
17
Fa nirehitra hoatra ny afo ny faharatsiana, ka mandevona ny hery sy ny tsilo; mampiredaka ny hery milobolobo amin’ny ala, ka ny setroka misavoana mitambolimbolina.
18
Noho ny hatezeran’i Iavehn’ny tafika dia may ny tany, ary ny vahoaka zary rembin’afo. Tsy misy mitsimbina izay rahalahiny intsony;
19
mikapa eny ankavanana ny olona, nefa noana ihany, mandrapaka eny ankaviany izy, nefa mbola tsy voky; samy mihinana ny nofon-tsandriny avokoa izy; i Manase mamely an’i Efraima, i Efraima mamely an’i Manase, izy roa tonta ireo mamely an’i Jodà.
20
Na izany rehetra izany aza anefa, tsy nihodivitra ny hatezerany, ary mbola mihinjitra ihany ny tanany.
← Chapter 8
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 10 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52
53
54
55
56
57
58
59
60
61
62
63
64
65
66