bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Isaiah 13
Isaiah 13
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 12
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 14 →
1
Faminaniana momba an’i Babilôna nambara tamin’i Izaia, zanak’i Amôsa.
2
Manangàna faneva, eo amin’ny tendrombohitra mangadihady; antsoy amin’ny feo avo izy ireo, hofay tanana izy, handingana ny vavahadin’ireo mpanapaka.
3
Izaho kosa efa nanome didy an’ireo natokako, ary efa niantso ireo lehilahy maheriko hoentiko hahafa-po ahy amin’ny hatezerako, izay miarahaba ny fiandrianako, amin’ny hobin-kafaliana.
4
Injany re ny horakoraka any an-tendrombohitra, toa hahohahom-bahoaka be; injany re ny tabataban’ny fanjakana, ny firenena tafavory: i Iavehn’ny tafika izany mampanao matso ireo miaramilany mpiantafika.
5
Avy any an-tany lavitra, avy any am-paravodilanitra izy ireo dia i Iaveh sy ireo entiny manatanteraka ny fahatezerany handravany ny tany rehetra.
6
Aoka hinaonaona ianareo, fa antomotra ny andron’i Iaveh: toy ny fandravana ataon’ny Tsitoha no fiaviny.
7
Noho izany ny tanana rehetra hiraviravy; ny fon’ny olombelona rehetra ho reraka,
8
hangovitra izy, ho azon’ny tebiteby amam-panaintainana; hiolanolana toy ny vehivavy miteraka izy; sady hifampijery samy hitanàka foana eo; ary hivoaramena hoatra ny afo ny tarehiny!
9
Indro tonga ny andron’i Iaveh, andro fahalozàna, fahavinirana sy firehetam-pahatezerana, hampanjary ny tany ho efitra, sy handringana ny mpanota eo.
10
Fa ny kintan’ny lanitra, sy antokon-kintany, tsy handefa ny fahazavany hamirapiratra, ny masoandro hihamaizina eo amin’ny fiposahany, ary ny volana tsy handefa ny fahazavany.
11
Hosaziko izao tontolo izao noho ny faharatsiany; ary ny ratsy fanahy noho ny helony; hataoko mitsahatra ny fiandranandran’ny mpirehareha; ary haetriko ny avonavon’ireo mpanjaka manao jadona.
12
Hataoko mahalana mihoatra noho ny volamena madio, ny olombelona; mahalana mihoatra noho ny volamena avy any Ofira.
13
Noho izany, ny lanitra hampangovitiko; ary ny tany hohozongozonina hiala amin’ny fitoerany, azon’ny haviniran’i Iavehn’ny tafika, amin’ny andro hirehetan’ny fahatezerany.
14
Amin’izany ny olona tahaka ny gazela enjehina, tahaka ny biby fiompy tsy misy mpamory, dia samy hitodika ny fireneny avy, sy handositra ho any amin’ny taniny.
15
Izay hita rehetra ho voagorobaka, izay voasambotra rehetra ho lavon’ny sabatra.
16
Ny zanany madinika homontsanina eo imasony, ny tranony hobaboina ary ny vadiny hosavihina.
17
Indro hatsangako hamely azy ireo ny Meda, izay tsy mandala volafotsy, tsy maniry volamena.
18
Ny tsipìkany handripaka ny zatovo; ny naloaky ny kibo, tsy hananany antra; ny zaza tsy hiantran’ny masony.
19
Ary i Babilôna, ilay ravaky ny fanjakana maro, haingon’ny Kaldeanina be rehareha, dia hanahaka an’i Sôdôma sy i Gômôra izay noravan’Andriamanitra. Tsy hisy mponina intsony ao aminy,
20
ary tsy honenana intsony amin’ny taona mifandimby izy; ny Arabo tsy hanangan-day eo; ary ny mpiandry biby tsy hametraka biby fiompy am-bala eo.
21
Fa ny bibidia eny an’efitra no hanao ny lavany eo, ny vorondolo no hameno ny tranony; ny ostritsa no honina any, ary ny satira no hifalihavanja eo.
22
Ny amboadia no hierona ao an-dapany lao; ary ny alikadia ao an-trano firavoravoany. Efa antomotra ny fotoany, ary tsy hohalavaina ny androny.
← Chapter 12
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 14 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52
53
54
55
56
57
58
59
60
61
62
63
64
65
66