bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Isaiah 10
Isaiah 10
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 9
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 11 →
1
Loza ho an’izay mamoaka fitsarana tsy marina, sy ho an’ny mpanoratra manoratra fanamelohana tsy ara-drariny.
2
Mampanalavitra ny tribonaly ny osa sy manendaka ny rariny amin’izay ory eo amin’ny vahoakako; ny mpitondratena ataony firemby; ary ny kamboty fambabony!
3
Hanao ahoana re ianareo, amin’ny andro famangiana sy amin’ny loza amin’antambo ho tonga avy lavitra? Any amin’iza no handosiranareo, hamonjy anareo, ary aiza no hanaovanareo ny harenareo?
4
Hany sisa hatao dia milefitra eo amin’ny babo, na lavo eo amin’ny maty. Na izany rehetra izany aza anefa, tsy nihodivitra ny hatezerany, ary mbola mihinjitra ihany ny tanany.
5
Loza ho an’i Asora, tsora-kazon’ny fahatezerako! fiasàn’ny havinirako ny tehina eny an-tanany!
6
Irahiko izy hamely ny firenena mpankahala fivavahana, omeko didy izy hamely ny vahoaka mahatezitra Ahy, dia handroba sy hamabo, ary hanosihosy azy, toy ny fotaka eny an-dalambe.
7
Kanjo tsy izany no heviny, ary tsy izany no heverin’ny fony; fa ny handringana no hany kendreny, sy hamongotra firenena tsy an-kavitsiana.
8
Hoy izy: «Tsy mpanjaka avokoa va ny andriandahiko?
9
Tsy toa an’i Karkemisa va no nahazo an’i Kalnô, tsy toa an’i Arfada va no nahazo an’i Hamata? ary tsy toa an’i Damasa va no nahazo an’i Samaria?
10
Toy ny nanakaran’ny tanako an’ireo fanjakan’ny andriamanitra tsy mahomby, izay mahery noho ny an’i Jerosalema sy i Samaria ny sampiny, toy ny efa nataoko tamin’i Samaria sy ireo andriamaniny,
11
moa tsy toy izany koa va no hataoko amin’i Jerosalema sy ny sary sampiny?»
12
Nefa izao no hitranga raha avy izay hahatanterahan’ny Tompo ny asany manontolo, amin’ny tendrombohitra Siôna sy amin’i Jerosalema, dia hosavako ny vokatry ny fo be anjonanjon’ny mpanjakan’i Asiria, sy ny reharehan’ny masony miandranandrana.
13
Satria izy nanao hoe: «Ny nahefàko izany dia noho ny herin’ny tanako, sy noho ny fahendreko, satria mahira-tsaina aho! Ny faritanin’ny firenena, nafindrako, ny hareny nobaboiko, ary ireo nipetraka teo amin’ny seza fiandrianany dia nanongana azy Aho toy ny lehilahy mahery fo.
14
Toy ny fisambotra akany no nisamboran’ny tanako ny haren’ny firenena, ary toy ny fanangona atody nilaozana no namoriako ny tany rehetra, ka tsy nisy nikopa elatra, na nisoka-bava na mba nikiaka akory!»
15
Mirehareha amin’ny tanana mampandihy azy va ny famaky, miavonavona amin’izay mampandeha azy va ny tsofa? Sa hoe: ny tsora-kazo indray va no manetsika izay manainga azy; sa hoe: ny tehina indray no manangana izay tsy hazo!
16
Noho izany, ny Tompo, Iavehn’ny tafika, haniraka faharerahana hamely ny mpiadiny matanjaka; ary eo ambanin’ny voninahiny, hisy afo mirehitra, toy ny afo amin’ny hain-trano.
17
Ny fahazavan’i Israely no ho afo; ary ny Masiny no ho lelafo, handroso sy handevona, indray andro monja, ny tsilo sy ny heriny.
18
Ka ny voninahitry ny ala amam-boly hazo mamoa hofoanany hatramin’ny fanahy ka hatramin’ny vatana; hanahaka ny marary matin’ny singotr’àty izany.
19
Ho azo isaina ny hazo sisa any an’alany; zaza iray dia hahalatsaka an-tsoratra azy.
20
Ary izao no hiseho amin’izany andro izany: Ny sisa amin’i Israely ary izay afaka tsy lany amin’ny taranak’i Jakôba, dia hitsahatra tsy hiankina amin’izay namely azy intsony, fa hiankina amin’i Iaveh izy ireo amin’ny masin’i Israely, tsy hivadika aminy.
21
Misy sisa hiverina, dia sisa amin’i Jakôba, ho amin’ny Andriamanitra mahery.
22
Satria na dia hoatra ny fasika amin’ny ranomasina aza ny vahoakanao, ry Israely, dia izay sisa eo ihany no hiverina; ka efa raikitra ny fandringanana hampisafoaka ny fahamarinana,
23
fa ny fandringanana efa naraikiny, dia hotanterahin’ny Tompo, Iavehn’ny tafika, amin’ny tany rehetra.
24
Izany no hilazan’ny Tompo, Iavehn’ny tafika hoe: Aza matahotra na inona na inona avy amin’i Asora, ry vahoakako monina any Siôna, raha mamely anao amin’ny tsora-kazo izy, ka manainga ny tehina aminao, toa an’i Ejipta taloha.
25
Fa rehefa afaka kely foana, dia hitsahatra ny hatezerako, ary hifotitra aminy, handringana azy, ny fahavinirako.
26
Hanainga kotopia hamelezana azy i Iavehn’ny tafika, toy ny namelezany an’i Madiàna, teo amin’ny vatolampin’i Oreba, ary toy ny tehiny teny ambony ranomasina; ary hoaingany izany toy ny taloha tany Ejipta.
27
Ka izao no hiseho amin’izany andro izany: Ny entan’i Asora hoesorina eo an-tsorokao; ary ny jiogany eo amin’ny vozonao, ka ny tanjakao no hahavaky ny jioga.
28
Iny izy tonga ao Ajata, efa mamaky an’i Magrôna, mametraka ny entany ao Makmasy.
29
Nihoatra ny hadilalana izy ireo, nitoby tao Gabà tamin’ny alina; raiki-tahotra mafy i Ramà, vaky nandositra i Gabaan’i Saola.
30
Manaova antso fitarainana, ry zanaka vavin’i Galima! mampandria sofina, ry Laisa! Indrisy, ry Anatôta mahantra!
31
Miparitaka i Medmenà, lasa nandositra ny mponina ao Gabima.
32
Indray andro sisa, dia any Nobe izy; hanainga tanana hamely ny tendrombohitry ny zanaka vavin’i Siôna izy, hamely ny havoan’i Jerosalema!...
33
Indro ny Tompo, Iavehn’ny tafika, mikapa ny sampan-kazo, ataony mikotrokotroka; ny avo indrindra, voakapa; ny lasa ambony indrindra voazera amin’ny tany.
34
Ny ala milobolobo voakapa amin’ny vy; ary lavo i Libàna alamaky ny Mahefa anankiray.
← Chapter 9
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 11 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52
53
54
55
56
57
58
59
60
61
62
63
64
65
66