bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Isaiah 22
Isaiah 22
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 21
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 23 →
1
Faminaniana ny amin’i Lohasahan’ny fahitana. Maninona ity ianao, no miakatra ambony tafon-trano avokoa,
2
ry tanàna be horakoraka sy feno tabataba, ry vohitra miravoravo? Ny maty eo aminao tsy mba matin-tsabatra, na lavo an’ady.
3
Ny lehibenao indray nandositra avokoa, voasambotra tsy amin-tsipìka; ny vahoakanao indray azo avokoa, teny am-pandosirana any lavitra any.
4
Koa niteny aho nanao hoe: «Mihodìna tsy hijery ahy, aoka hitomany mafy aho! Aza maimay hampionona ahy, noho ny fandringanana ny zanaka vavin’ny vahoakako.»
5
Fa andron’ny tabataba, fanosihosena, fahaverezan-kevitra ity, ka nalefan’ny Tompo Iavehn’ny tafika, ho any amin’ny Lohasahan’ny fahitana; ravana ny manda, misy dradradradra re eny an-tendrombohitra eny.
6
I Elama mandray ny tranon-jana-tsipìka, tamy izy mitondra kalesy ama-mpitaingin-tsoavaly; ary Kira nanala fono ny ampingany.
7
Feno kalesy ny lohasahanao tsara indrindra; ary mitana fitoerana eo am-bavahadinao, ny mpitaingin-tsoavaly.
8
Nalana tamin’i Jodà ny fisalobonany. Amin’izany andro izany dia manopy maso ianao, mankany amin’ny fitahirizam-piadiana ao an-dapan’ny ala,
9
ary ny banga amin’ny tanànan’i Davida, hitanareo fa betsaka. Novorinareo ny rano amin’ny kamory ambany,
10
nisainareo ny trano ao Jerosalema ary noravanareo ny trano hamboarana ny manda.
11
Nanao fitahirizan-drano eo anelanelan’ny manda roa ianareo, halehan’ny rano avy amin’ny kamory tranainy. Kanefa Ilay nanao izany tsy nojerenao akory, Ilay nanomana izany hatry ny ela tsy hitanareo akory.
12
Ny Tompo Iavehn’ny tafika, niantso anareo, tamin’izany andro izany, hitomany sy higogogogo, hibory loha sy hisikina lasàka.
13
Kanjo fety amam-piravoravoana no hita; manominda omby ny olona, mamono ondry, mivoky hena sy misotro divay, manao hoe: «Aoka hihinana sy hisotro isika, fa ho faty ihany rahampitso.»
14
Izao no nambaran’i Iavehn’ny tafika tamiko: «Tsy havela izany helokareo izany, mandra-pahafatinareo», hoy ny Tompo Iavehn’ny tafika.
15
Izao no nolazain’ny Tompo Iavehn’ny tafika: «Mandehana manatona an’io mpitandrina io, dia i Sobnà, lehiben’ny ao an-dapa, ka lazao aminy hoe:
16
Fa inon’ny atỳ ianao, ary inonao no atỳ, no mihady fasana eto ianao; mihady fasana ho anao eny amin’ny toerana avo ianao; mandoaka fonenana ho anao amin’ny vatolampy ianao?
17
Indro i Iaveh hanipy anao amin’ny sandry mahery;
18
hanasangodina anao, hanakodiadia anao mafy, hikodiavanao hoatry ny baolina, eny amin’ny tany lemaka midadasika be. Dia ho faty any ianao, ho any koa ny kalesy kantonao, ry ilay henatry ny ankohonan’ny tompony ity.
19
Horoahiko hiala eo amin’ny fitoeranao ianao, haongan’i Iaveh amin’ny raharahanao ianao.»
20
Ary izao no hitranga amin’izany andro izany: Hiantso ny mpanompoko aho, dia i Eliasima zanak’i Helkiasa,
21
ka hampiakanjoako azy ny akanjo vitinao, hampanaoviko azy ny samboadinao; hapetrako eo am-pelatanany ny fahefanao; dia ho tonga ray izy amin’ny mponina ao Jerosalema, sy amin’ny taranak’i Jodà.
22
Hapetrako eo an-tsorony ny fanalahidin’ny tranon’i Davida, ka hamoha izy, tsy hisy handrindrina; handrindrina izy, tsy hisy hamoha.
23
Hatsatoko toy ny fantsika amin’ny fitoerana mafy izy, ka hanjary sezam-boninahitra ho an’ny ankohonan-drainy.
24
Hahantona aminy avokoa ny voninahitra rehetra amin’ny fianakavian-drainy, dia ny zanaka aman-jafy, ny fanaka madinika rehetra, hatramin’ny kopy ka hatramin’ny sinibe.
25
Amin’izany andro izany - teny ton’i Iavehn’ny tafika,- hotsoahana ilay fantsika natsatoka amin’ny fitoerana mafy; hombotana izy ka hianjera, dia ho levona ny entana nahantona taminy; fa efa niteny i Iaveh.
← Chapter 21
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 23 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52
53
54
55
56
57
58
59
60
61
62
63
64
65
66