bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Isaiah 28
Isaiah 28
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 27
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 29 →
1
Loza ho an’ny diadema be avonavon’ny mpimamo ao Efraima, sy ny voninkazo mora malazo famirapiratan’ny fihaingoany, eny an-tampon’ny lohasaha lonaka misy an’ireo lehilahy mamon’ny divay.
2
Indro fa misy fahavalo mahery sy mahefa avy amin’ny Anaran’ny Tompo, tahaka ny oran-kavandra aman-tafio-drivotra mpandrava, tahaka ny ranonorana be mivatravatra ka manafotra; dia hanjera azy mafy amin’ny tany.
3
Hohosena amin’ny tongotra ny diadema be avonavon’ny mpimamo ao Efraima.
4
Ny voninkazo mora malazo famirapiratan’ny fihaingoany, eny an-tampon’ny lohasaha lonaka, hanahaka ny voan’aviavy masaka alohan’ny fahavaratra: izay mahita azy, raha vantany vao mahazo azy an-tanana mandrapaka azy.
5
Amin’izany andro izany i Iaveh ho diadema mamirapiratra sy fehiloham-boninahitra ho an’ny sisan’ny vahoakany,
6
ho fanahy fahamarinana ho an’izay mipetraka eo amin’ny seza fitsarana, ary ho hery ho an’izay manohana ny fahavalo mananika am-bavahady.
7
Ireo koa mandraingiraingin’ny divay, jembin’ny zava-pisotro mahery, na mpisorona na mpaminany samy jembin’ny zava-pisotro mahery, rendriky ny divay, jembin’ny fisotro mahery, mandraingiraingy eo am-paminaniana, mivembena eo am-pitsarana;
8
feno lo maloto ny latabatra rehetra, tsy misy fitoerana intsony.
9
«Iza no tadiaviny hampianarina fahendrena, ary zovy no tadiaviny hamoasana ny fianarana? Ny zaza vao notazana, vao mitsaha-nono va?
10
Fa didy manampy didy, didy manampy didy, fitsipika manampy fitsipika, fitsipika manampy fitsipika, mbetika izao, mbetika izany.»
11
Eny àry, fa olona mibadabada sy amin’ny fitenim-pirenen-kafa, no hitenenan’i Iaveh amin’ity vahoaka ity.
12
Niteny Izy nanao hoe: «Ity no fitoerana fitsaharana; avelao hiala sasatra ny reraka; ity no fanamaivanana;» - kanefa tsy nety nihaino izy ireo.
13
Noho izany, ho azy ireo ny tenin’i Iaveh, dia «ho didy manampy didy, didy manampy didy; fitsipika manampy fitsipika, mbetika izao mbetika izany»; mba handeha izy ireo, ka ho lavo mitsilany, ho torotoro ary ho voasambotra amin’ny fandrika.
14
Koa mihainoa ny tenin’i Iaveh ianareo, ry olona mpananihany, lehiben’ny vahoaka eto Jerosalema.
15
Ianareo manao hoe: «Efa nanao fanekena tamin’ny fahafatesana izahay; efa nanao fifanarahana tamin’ny Seoly izahay, ka dia handalo ho lasa ny loza manafotra fa tsy hahatratra anay, fa efa nanao ny lainga ho fialofana izahay, ary ny fitaka ho fierena.»
16
Noho izany, izao kosa no lazain’ny Tompo Iaveh: «Indro aho efa nametraka vato ho fanorenana ao Siôna dia vato voatsapa toetra, fehizoro, sarobidy, voaorina mafy: izay miankina aminy amim-pinoana, tsy mba handositra.
17
Ny rariny no hataoko fitsipika, ary ny fahamarinana no hataoko fandanjàna.» «Ka ny lainga fiarovana hopaohin’ny havandra; ary ny fierenao hindaosin’ny rano.»
18
Ny fanekenareo amin’ny fahafatesana hofoanana; ary ny fifanarahanareo amin’ny Seoly, tsy haharitra; fa rehefa handalo ny loza manafotra, homontsaniny ianareo;
19
Isaky ny avy izy, hahatratra anareo, fa ho avy izy rahampitso sy rahampitso andro aman’alina; ny fangorohoroana ihany no hanao fananarana anareo!
20
Satria: fohy tsy misy hitsorana, ny farafara; ary kely tsy ampy hirakofana ny firakotra.
21
Fa i Iaveh hitsangana, toy ny tao an-tendrombohitra Farasima; sy hirimorimon’ny hatezerana, toy ny tao an-dohasahan’i Gabaôna, hahavita ny asany, asa tokana aman-tany, hanatanteraka ny lahasany, lahasa hafa noho ny fanaony!
22
Koa ankehitriny atsaharo ny hanihaninareo, fandrao mihamafy ny fatoranareo; satria efa reko fa misy fandringanana voatendrin’ i Iavehn’ny tafika hahazo ny tany rehetra.
23
Mampandria sofina, ka mandrenesa ny feoko, mihainoa tsara ka mandrenesa ny feoko:
24
Moa ny mpiasa tany izay mihevitra ny hamafy, dia miasa tany hatrany hatrany sy miasa tany ary mamaky bainga ihany?
25
Rehefa voaravony ny tany, moa tsy dia hapariakany va amin’izay ny nigela sy hafafiny ny komìna, ary hataony mitandahatra tsara ny frômenta sy ny orja amin’ny anjara toerany; ary ny epaotra kosa, eny an-tsisiny?
26
Ny Andriamaniny no nampianatra azy izany fitsipika izany, sy nanoro azy.
27
Satria tsy mba ny rambaramba no fivelezana ny nigela, ary ny komìna tsy kodiavana kodiaran-tsarety; fa ny nigela velezina amin’ny tehina, ary ny komìna amin’ny tsora-kazo.
28
Ny frômenta hosena, fa tandremana tsara ny tsy hivelezana azy lava; atosika ho eo aminy ny kodiaran-tsarety, mbamin’ny soavaly, nefa tsy torotoroina izy.
29
Izany koa dia avy amin’i Iavehn’ny tafika; mahagaga amin’ny fisainanay Izy, sady be no azony enti-manatanteraka.
← Chapter 27
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 29 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52
53
54
55
56
57
58
59
60
61
62
63
64
65
66