bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Isaiah 40
Isaiah 40
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 39
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 41 →
1
«Ampionony, ampionony ny vahoakako,» hoy ny Andriamanitrareo.
2
Mitenena amin’ny fon’i Jerosalema, ary ataovy antso avo aminy, fa tapitra ny fanompoany, voaonitra ny helony, voarainy tamin’ny tanan’i Iaveh, ny indroa heny valin’ny fahotany.
3
Injany misy feo miantso hoe: «Misavà lalana any an’efitra, ho an’i Iaveh, manorena arabe any an-tany lava volo ho an’ny Andriamanitsika!
4
Aoka ny lohasaha rehetra hasandratra; ny tendrombohitra aman-kavoana rehetra haetry; ny avo hanjary tany lemaka; ary ny vato mideza ho lembalemba.
5
Dia hiseho ny voninahitr’i Iaveh, ka ho hitan’ny nofo rehetra tsy an-kavanavaka fa ny vavan’i Iaveh no efa niteny.»
6
Injay misy feo manao hoe: «Miantsoa!» dia nisy namaly hoe: «Ahoana no antso hataoko?» «Ahitra ihany ny nofo rehetra, ary tahaka ny vonin-javatra eny an-tsaha, ny hatsaran-tarehiny.
7
Maina ny ahitra, malazo ny voniny, rehefa seranin’ny fofon’ain’i Iaveh. Eny, ahitra ihany ny olombelona:
8
maina ny ahitra, malazo ny voniny, fa ny tenin’Andriamanitra haharitra mandrakizay.»
9
Miakara eny an-tendrombohitra avo ianao, izay mitondra ny teny soa ho an’i Siôna. Manandrata feo mafy ianao, izay mitondra ny teny soa ho an’i Jerosalema; manandrata feo, fa aza matahotra, lazao amin’ny tanànan’i Jodà hoe: «Indro ny Andriamanitrareo!»
10
Indro fa tonga i Iaveh Tompo, amin’ny heriny; ny sandriny mampiasa ny fanapahana. Indro fa miaraka aminy ny valisoa avy aminy, ary ny tamby homeny, eo anoloany.
11
Toy ny mpiandry ondry hiandry ny andian’ondry Izy; handray ny zanak’ondry amin’ny sandriny, hitondra an’ireny eo an-trotroany, ary handroaka moramora ny mampinono.
12
Iza no namatra ny ranomasina tamin’ny tanana ilany, sy nanjehy ny lanitra tamin’ny zehiny? ary namatra ny vovo-tany rehetra tamin’ny vata, sy nandanja ny tendrombohitra tamin’ny farangom-pandanjana, ary ny havoana tamin’ny mizana?
13
Iza no nitari-dalana ny Fanahin’i Iaveh, ary iza no nanolo-tsaina nampianatra Azy? Iza no nidinihany mba hanoro hevitra Azy
14
sy hampianatra Azy ny lalan’ny fahamarinana? ary hampianatra Azy ny fahendrena sy hanoro Azy ny lalan-tsaina?
15
Indro ny firenena fa hoatra ny rano indray mitete miraikitra amin’ny siny, heverina hoatra ny vovoka eo amin’ny mizana; indro ny nosy fa hoatra ny vovoka madinika.
16
I Libàna, tsy ampy hataina, ary ny biby ao, tsy ampy ho sorona dorana.
17
Ny firenena rehetra tahaka ny tsinontsinona eo anatrehany, fa ataony zava-poana sy tsinontsinona.
18
Koa ampitovinareo amin’inona àry Andriamanitra, ary sarin’inona no hamboarinareo ho Azy?
19
Rehefa nanao sampy anidina ny mpanao taozavatra dia petahan’ny mpanefy volamena takela-bolamena, sy anaovany tongalika volafotsy anidina.
20
Ny mahantra tsy manam-be hatolotra mifidy izay hazo tsy mety lo, dia mitady mpiasa mahay zavatra, hanaovany sampy tsy mihozongozona.
21
Tsy fantatrareo va? Tsy renareo va? Tsy nisy nanambara taminareo hatramin’ny voalohany va? Tsy renareo va izay nandatsaka ny fanorenan’ny tany?
22
Izy no manerinerina eo ambonin’ny andohalambon’ny tany; ary ny mponina eo dia tahaka ny valala ihany; Izy no namelatra ny lanitra tahaka ny voaly, sy nanenjana azy, hoatra ny lay hitoerana.
23
Hahatsinontsinona ny mpanapaka Izy, sy hampanjary zava-poana, ny mpitsara amin’ny tany.
24
Vao nambolena ireo, vao nafafy ireo, vao latsa-paka amin’ny tany ny fotony, dia tsofiny ka malazo, ary nindaosin’ny ranonoram-baratra hoatra ny vodivary.
25
Koa iza àry no hampitovinareo Ahy, ka ho tahaka azy Aho, hoy ilay Masina?
26
Asandrato ny masonareo amin’ny eo ambony, ka mijere. Iza no nahary ireo zavatra ireo? Dia izay mampandeha milahatra ny tafik’ireo, sy miantso azy rehetra amin’ny anarany avy; ary noho ny haben’ny heriny sy ny hafatratry ny tanjany, tsy misy midify ireny na dia iray aza.
27
Nahoana ianao, ry Jakôba, no milaza, ary ianao koa, ry Israely, no miteny hoe: «Miafina amin’i Iaveh ny lalako, ary takona eo anatrehan’Andriamanitra ny rariny ananako?»
28
Tsy fantatrao va? tsy renao va? Andriamanitra mandrakizay i Iaveh, izay namorona ny eran’ny tany; izay tsy mba mety sasatra na vizana ary tsy takatry ny saina ny fahendreny
29
Manome hery an’izay sasatra Izy ary mampitombo tanjaka an’izay reraka.
30
Ny zatovo mety sasatra sy vizana, ary ny tovon’olona mety hangozohozo.
31
Fa izay miankina amin’i Iaveh kosa, mahazo hery vaovao; hisidina avo toy ny voromahery; hihazakazaka, tsy hahalala sasatra; handeha fa tsy hahatsiaro vizana.
← Chapter 39
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 41 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52
53
54
55
56
57
58
59
60
61
62
63
64
65
66