bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Isaiah 59
Isaiah 59
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 58
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 60 →
1
Indro fa tsy ny tanan’i Iaveh no fohy ka tsy mahavonjy, tsy ny sofiny no lalodalovana ka hoe tsy hahare;
2
fa ny helokareo no nanisy efitra mampisaraka anareo sy ny Andriamanitrareo; ny fahotanareo no nanafenany ny Tavany tsy hihainoany anareo.
3
Satria ny tananareo voaloto tamin’ny ra; ary ny rantsan-tananareo tamin’ny heloka. Ny molotrareo miteny lainga; ny lelanareo milaza teny ratsy.
4
Tsy misy mitory olona ara-drariny, na mandahatra momba ny adiny araka ny hitsiny; fa ny tsy izy no iankinany, ny lainga no alahany; torontoronina hevi-dratsy ny olona ka miteraka heloka.
5
Mikotrika atody menarana izy, sy manenona tranon-kala: izay mihinana amin’ny atodiny, ho faty; ary raha potsirina izany, dia menarana no mivoaka avy ao.
6
Ny tenona ataony tsy azo itafiana; ary ny taozavany tsy azo irakofana; fa asa mahameloka ny asany, ary asa mandoza no ao an-tanany.
7
Ny tongony miriotra ho amin’ny ratsy, sy mimaona handatsaka ny ra tsy manan-tsiny; ny heviny dia hevitra mahameloka; fandravana amam-pandringanana no eo amin’ny alehany.
8
Tsy mahalala ny lalan’ny fiadanana izy; ary tsy mba misy hitsiny eo amin’ny lalany; fa lala-miolakolaka no soritany haleha, ka izay mandia izany tsy mahita fiadanana.
9
Noho izany, nanalavitra antsika ny fitsarana marina, ary tsy tonga hatraty amintsika ny fahamarinana. Miandry ny mazava isika, kanjo ny haizina no indro eo; miandry ny fahazavan’ny andro, kanjo mandeha amin’ny maizina ihany.
10
Miraparapa manara-drindrina, hoatra ny jamba isika, miraparapa hoatra ny olona tsy mana-maso; tafintohina amin’ny mitataovovonana, hoatra ny maizin-takariva; eo afovoan’ny olona matanjaka isika dia sahala amin’ny olona maty.
11
Manerona hoatra ny orsa avokoa isika; ary tsy mitsaha-mitoloko hoatra ny voromahailala; miandry ny fitsarana isika nefa tsy tonga izy, miandry ny famonjena nefa lavitra antsika izany.
12
Fa ny fiodinany, efa maro eo anatrehanao; ary ny fahotanay, mitsangan-ko vavolombelona mamely anay; eny, eto anatrehanay ny fiodinanay, ary fantatray ny helokay:
13
dia ny nivadika sy nandà an’i Iaveh, nihataka nanalavitra ny Andriamanitray, niteny fampahoriana amam-pikomiana; namorona sy namoaka lainga avy ao am-ponay!...
14
Ka dia nihataka ny rariny, ary lavitra anay eny ny fahamarinana; fa tafintohina eo an-kianja malalaka ny fahamarinana, ary tsy mahazo miditra eo ny hitsiny:
15
Lasana ny fahamarinana, ka baboina izay mifady ny ratsy. Hitan’i Iaveh izany ka tsy sitraky ny masony, ny tsy fisian’ny hitsiny intsony.
16
Hitany fa tsy nisy olona teo, ary gaga izy fa tsy nisy nanalalana akory. Ka dia ny sandriny no nitsangan-kanampy Azy, ary ny fahamarinany no nanohana Azy.
17
Niakanjo ny fahamarinana ho fiarovan-tratra Izy, ary nametraka ny satro-pamonjena teo an-dohany; ny famaliana no nataony akanjo fiadiana, ary nihodidina tamin’ny fahasaro-piaro, toy ny amin’ny kapaoty izy.
18
Hifandanja amin’ny asa natao ny valy, dia hatezerana ho an’ny mpandrafy Azy, valim-bonoana ho an’ny fahavalony, hanao valim-bonoana amin’ireo nosy Izy.
19
Dia hatahorany hatrany andrefana ny Anaran’i Iaveh, ary hatrany amin’ny fiposahan’ny masoandro, ny voninahiny; fa ny fiaviny ho toy ny ony maria, hampandehanan’ny fofon’ain’i Iaveh.
20
Ho avy izy ho Mpanavotra ho an’i Siôna, sy ho an’ny ao amin’i Jakôba, izay hibebaka amin’ny helony; - teny marin’i Iaveh. -
21
Ary Izaho kosa, dia izao no fanekeko amin’izy ireo, hoy i Iaveh: Ny Fanahiko izay ao aminao, sy ny Teniko izay hataoko ao am-bavanao, dia tsy ho tapaka tsy ho eo am-bavanao, sy eo am-bavan’ny zanakao, ary eo am-bavan’ny zanaky ny zanakao, hatramin’izao ka ho mandrakizay, hoy i Iaveh.
← Chapter 58
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 60 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52
53
54
55
56
57
58
59
60
61
62
63
64
65
66