bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Isaiah 24
Isaiah 24
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 23
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 25 →
1
Indro i Iaveh handrava ny tany manontolo sy hanavitsy ny mponina aminy, ny vohon’ny tany hakorokorony; ary ny mponina haeliny.
2
Ary ho sahala ihany no hanjò ny mpisorona sy ny vahoaka, ny tompo sy ny mpanompo, ny tompo vavy sy ny mpanompo vavy, ny mpivarotra sy ny mpividy, ny mpisambotra sy ny mpampisambotra.
3
Hosimbana sy hatolotra horobaina, ny tany, fa izany no teny notononin’i Iaveh.
4
Ny tany misaona sy majifa; izao tontolo izao, milofika sy majifa; ny nalaza indrindra amin’ny mponina eto an-tany milofika.
5
Voatolon’ny mponina aminy, ny tany, satria izy ireo nandika ny lalàna, nivadika tamin’ny didy, nandrava ny fanekena mandrakizay.
6
Noho izany ny tany levon’ny ozona; ny mponina aminy, mivesatra ny valin’ny helony; ka dia levona ny mponina amin’ny tany, fa vitsy ny isan’ny olona tavela.
7
Ny ranom-boaloboka misaona; ny fotony milofika; ireo nifaly am-po rehetra misento.
8
Nitsahatra ny feon’ampongatapaka falifaly, tapaka ny fety be horakoraka, nitsahatra ny feon-dokanga falifaly.
9
Tsy misy misotro divay intsony ny olona eo am-pihainoan-kira; ary mangidy amin’ny mpisotro azy, ny fisotro mahamamo.
10
Rava ny tanàna fikorontanana; mirindrina tsy azo idirana, ny trano rehetra.
11
Mihorakoraka eny an-dalambe ny olona, fa tsy misy ny divay; lasa tsy eo intsony ny hafaliany rehetra; foana niala tamin’ny tany ny firavoravoana.
12
Korontan-javatra foana sisa, eo an-tanàna; ary ny vavahady montsamontsana dia efa ravarava.
13
Fa ny hanjò ny eo afovoan’ny tany eo amin’ny firenena, dia tahaka ny amin’ny fikapohana ôliva, tahaka ny amin’ny fitsimponam-boaloboka, aorian’ny fitoazana azy.
14
Izay ireo manandratra ny feony, dia mihira; mihoby, eny amin’ny ranomasina, ny voninahitr’i Iaveh hoe:
15
«Miderà an’i Iaveh, ianareo, any amin’ny tany atsinanana, dia ny Anaran’i Iaveh, Andriamanitr’i Israely, any amin’ny nosy any andrefana.»
16
Renay avy hatrany am-paran’ny tany, ny hira hoe: «Voninahitra ho an’ny marina!» - Fa hoy aho: «Maty aho! Maty aho, loza ho ahy! Ny mpandroba mandroba, ny mpandroba mandroba tsy anerany!»
17
Fampitahorana sy longoa amam-pandrika no mahazo anao, ry mponina amin’ny tany.
18
Izay mandositra noho ny antso mampatahotra ho latsaka an-davaka, ary izay miakatra avy ao afovoan’ny longoa ho voan’ny fandrika. Fa ny vavahadin-drano ambony, mivoha; ary ny fanorenan’ny tany, mihozongozona.
19
Mitresaka mafy dia mafy ny tany; mipoaka mikotrokotroka ny tany; mihozongozona mafy ny tany;
20
mivembena, hoatra ny olona mamo ny tany; mitsingevingevina, hoatra ny fandriana mihantona izy; mitambesatra aminy ny tsy fahamarinany; mirodana tsy ho tafarina intsony izy.
21
Amin’izany andro izany i Iaveh hisava any ambony ny tafika any ambony, ary etỳ an-tany ny mpanjakan’ny tany.
22
Dia hatambatra efa voababo eny amin’ny hantsana sy hohidiana ao an-tranomaizina izy ireo, ka afaka andro maro be, vao hovangiana indray izy.
23
Ary ny volana hihamena, ny masoandro hivaloarika, fa i Iavehn’ny tafika hanjaka ao an-tendrombohitra Siôna sy ao Jerosalema, ary ny voninahitra hamirapiratra eo anatrehan’ny loholony.
← Chapter 23
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 25 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52
53
54
55
56
57
58
59
60
61
62
63
64
65
66