bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Isaiah 49
Isaiah 49
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 48
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 50 →
1
Mihainoa ahy, ry Nosy; mitandrema ianareo, ry firenena lavitra! I Iaveh efa niantso ahy hatrany am-bohoka, efa nilaza ampahibemaso ny anarako, hatrany an-kibon’i neny.
2
Nataony sabatra maranitra ny lelako; nalofany tamin’ny aloky ny tanany aho; nataony zana-tsipìka maranitra aho, nafeniny teo amin’ny tranon-jana-tsipìkany.
3
Ary hoy Izy tamiko: «Mpanompoko ianao, ry Israely, izay hataoko reharehako.»
4
Dia hoy kosa aho: «Foana ny nisasarako; zava-poana sy tsinontsinona, no nandaniako ny heriko; fa ao amin’i Iaveh ny rariny ananako, ao amin’Andriamanitro ny valisoa ho ahy.»
5
Ary ankehitriny miteny i Iaveh, izay namorona ahy hatrany am-bohoka mba ho mpanompony, hampody an’i Jakôba aminy indray, ary mba ho tafakambana aminy indray i Israely. - Ary mahazo voninahitra eo imason’i Iaveh aho, ary Andriamanitro no heriko. -
6
Hoy Izy: «Mbola zavatra kely foana ny maha-Mpanompoko anao, hanangana ny firenen’i Jakôba indray, sy hampody ireo sisa voatahiry amin’i Israely; fa hatsangako ho fahazavan’ny firenena ianao, mba hitaran’ny famonjeko hatramin’ny faran’ny tany.»
7
Izao no lazain’i Iaveh, ilay Mpanavotra sy ilay Masin’i Israely; amin’ilay esoina sy tevatevain’ny vahoaka, mpanompon’ny mpanapaka masiaka: «Hahita anao ny mpanjaka, ka hitsangana; ary ny mpanapaka, ka hiankohoka, noho ny amin’i Iaveh izay mahatoky, sy ilay Masin’i Israely izay nifidy anao.»
8
Izao no lazain’i Iaveh: «Mihaino anao amin’ny andro fankasitrahana Aho, ary mamonjy anao amin’ny andro famonjena; niaro anao Aho, ary nanangana anao ho faneken’ny firenena, hanandratra indray ny tany, hizara ny loza nosimbana;
9
hilaza amin’izay lasan-ko babo hoe: ‹Mivoaha!› sy amin’izay ao anatin’ny aizina hoe: ‹Mankanesa atỳ amin’ny mazava;› hahazo hiraotra izy ireo manaraka ny lalana, ary ny vilon-kohaniny dia eny amin’ny havoana rehetra;
10
tsy ho noana izy na hangetaheta, tsy ho tratry ny fasika mahamay, na ny masoandro. Fa ilay mamindra fo aminy no hitarika azy ireo, sy hitondra azy ho eo amin’ny rano miboiboika.
11
Hataoko lalana ny tendrombohitra rehetra; ary hasandratra indray ny lalako.
12
Indreo ny sasany avy lavitra, indreo ny sasany avy any avaratra sy avy any andrefana, ary indreo koa ireo avy any amin’ny tanin’ny Sinima.
13
Mihobia an-kafaliana, ry lanitra; miontàna, ry tany! Velomy ny hobin-kafaliana, ry tendrombohitra! Fa i Iaveh efa nampionona ny vahoakany, sy nangoraka ireo izay nampahorîna!»
14
Hoy Siôna: «Nafoin’i Iaveh aho; hadinon’ny Tompo aho!» -
15
Hanadino ny taizany va ny vehivavy, ka tsy hamindra fo amin’ny naloaky ny kibony? Na hanadino aza ny reny, Izaho tsy mba hanadino anao!
16
Jereo, efa vitako tombo-kavatsa eo amin’ny felatanako ianao; eo anatrehako mandrakariva ny mandanao.
17
Ny zanakao, tamy faingana; ry zareo nanimba sy nandrava anao, manalavitra anao.
18
Atopazo manodidina ny masonao, ka jereo, fa mivory avokoa izy ireo, manatona anao izy ireo. Velona Aho, - teny marin’i Iaveh, - dia hihaingoanao, toy ny firavaka, ireo rehetra ireo; ary hisikinanao toy ny sikin’ny ampakarina.
19
Fa ny tanànanao rava, ny efitrao, ny taninao foana, ireo rehetra ireo dia tsy ho ampy amin’izay ho an’ny mponina eo aminao; ary izay nandany anao, lasa lavitra!
20
Amin’izany, hiteny eo an-tsofinao ireo zanakao nesorina taminao, hanao hoe: «Ety loatra aho amin’ity tany ity, ka omeo fitoerana hahazoako honenana aho; ka ataovy izay hahazoako tany honenana.»
21
Ary ianao kosa hanao anakampo hoe: «Iza no niteraka ireto ho ahy? Fa tsy nanan-janaka aho, momba aho, noroahina sy nisaorana aho; ary ireto kosa, iza no nitaiza azy? Indro Aho nitoetra irery; ka taiza ireto?»
22
Izao no lazain’i Iaveh Tompo: Indro Aho hanandratra ny tanako amin’ny firenena, ary hanangana ny fanevako amin’ny vahoaka; dia hoentiny miverina eo an-tanany ny zanakao lahy; ary hoentiny miverina eny an-tsorony, ny zanakao vavy.
23
Mpanjaka lahy no ho mpitaiza anao ary ny andriambaviny no ho mpitaiza anao; hiankohoka amin’ny tany eo anatrehanao izy ireo, ary hilelaka ny vovoka amin’ny tongotrao; dia ho fantatrao fa Iaveh Aho, ary tsy ho menatra izay manantena Ahy.
24
Fa moa alaina amin’ny mahery va ny rembiny, ary mety ho afaka hitsoaka va ny marina lasan-ko babo?
25
Izao no lazain’i Iaveh: Halaina aminy na ny sambotry ny mahery aza, ary ho afaka aminy ny babon’ny mpanao an-keriny. Fa ny mpandrafy anao, dia Izaho no hiady aminy, ny zanakao, dia Izaho no hamonjy azy ireo.
26
Hataoko mihinana ny nofony ny mpampahory anao; hidoroka amin’ny ran’ny tenany, hoatra ny amin’ny divay vaovao; dia ho fantatry ny nofo rehetra fa Izaho Iaveh no Mpamonjy anao, ary ilay Maherin’i Jakôba no mpanavotra anao!
← Chapter 48
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 50 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52
53
54
55
56
57
58
59
60
61
62
63
64
65
66