bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Isaiah 23
Isaiah 23
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 22
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 24 →
1
Faminaniana ny amin’i Tira. Migogogogoa, ry sambon’i Tarsisa, fa rava izy! Tsy misy rano intsony, tsy misy hidirana intsony! Avy any amin’ny tany Setima, no nandrenesany an’izany.
2
Aoka hitanàka, ianareo mponina amorontsiraka, rakotry ny mpandranto avy any Sidona, izay mitety ranomasina.
3
Mamakivaky ny ranobe ny vary avy any Nila, ny vokatry ny ony, niditra ho hareny, tsenan’ny firenena izy.
4
Aoka ho safotry ny henatra ianao, ry Sidona, fa efa niteny ny ranomasina, ny trano mimanda eo amin’ny ranomasina, nanao hoe: «Tsy mba nihetsi-jaza aho na niteraka, tsy mba namelona zatovo aho, na nitaiza virjiny.»
5
Rehefa handre izany vaovao izany i Ejipta dia ho raiki-tahotra mandre ny naharavan’i Tira.
6
Mità ho any Tarsisa ianareo, ka migogogogoa, ry mponina amorontsiraka!
7
Ity va no renivohitrareo falifaly, izay efa hatramin’ny andro fahagola ny fiandohany, sy izay nentin’ny tongony lasa lavitra hitoetra any.
8
Iza no nandidy izany, hamelezana an’i Tira izay nanome satroboninahitra; ary ny mpandrantony dia andriandahy, ary ny mpivarotra avy aminy olo-malaza amin’ny tany?
9
I Iavehn’ny tafika no nandidy izany mba hanamatroka ny voninahitr’izay rehetra mamirapiratra, mba hanetry ny olo-malaza rehetra amin’ny tany.
10
Mieleza amin’ny taninao, tahaka an’i Nila, ry zanaka vavin’i Tarsisa, fa tsy manam-pehikibo intsony ianao.
11
I Iaveh efa naninjitra ny tanany amin’ny ranomasina, nampihorohoro ny fanjakana; nanao didy hamelezana ny tanànany mimanda.
12
Ary hoy izy: «Tsy hanao fifaliana intsony ianao, ry virjiny afa-baraka, zanaka vavin’i Sidona! Mitsangàna, mità ho any Setima; na any aza anefa, tsy hisy fitsaharana ho anao.
13
Jereo ny tanin’ny Kaldeanina, firenena mbola tsy nisy, izay nanolotra an’i Asora ho an’ny bibidia any an’efitra; nanangana ny tilikambony izy, nandrava ny lapany, nataony korontan-javatra miavovona sisa teo!
14
Migogogogoa, ry Tarsisa, fa rava ny tanàna mimanda.»
15
Amin’izany i Tira dia hohadinoina fitopolo taona, araka ny halavan’ny andron’ny mpanjaka iray. Ary rehefa afaka fitopolo taona no hanjò an’i Tira dia araka ilay tononkiran’ny vehivavy janga hoe:
16
Raiso ny lokanganao, mandehana manodidina ny tanàna, ry kala janga hadino; mitendre amim-pahaizana, hamaroy ny hiranao, mba hahatsiarovan’ny olona anao.
17
Ary rehefa afaka fitopolo taona, dia izao no zavatra hitranga: hamangy an’i Tira i Iaveh, ka handray ny tambiny indray izy, dia hitolo-tena amin’ny fanjakana rehetra eto an-tany, manerana an’izao tontolo izao.
18
Ary hatokana ho an’i Iaveh ny tombom-barony sy ny tanginy, fa tsy hangonina hiavosa na hotahirizina; satria ny azony dia ho an’ireo monina eo anatrehan’i Iaveh, hohaniny sy hivokisany ary hihaingoany fatratra.
← Chapter 22
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 24 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52
53
54
55
56
57
58
59
60
61
62
63
64
65
66