bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Isaiah 38
Isaiah 38
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 37
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 39 →
1
Tamin’izany andro izany, narary efa ho faty i Ezekiasa. Ary tonga tao aminy i Izaia, zanak’i Amôsa, nanao taminy hoe: «Izao no lazain’i Iaveh: Omeo ny fianakavianao izay didinao, fa ho faty ianao, fa tsy ho velona intsony.»
2
Dia nitodika nankany amin’ny rindrina i Ezekiasa, ka nivavaka tamin’i Iaveh; hoy izy:
3
«Iaveh ô, tsarovy fa nandeha teo anatrehanao tamim-pahamarinana sy firaiketam-po aminao aho, ary nanao izay tsara eo imasonao.» Sady nitomany nanao ranomaso havozona i Ezekiasa.
4
Dia tonga tamin’i Izaia ny tenin’i Iaveh, nanao hoe:
5
«Mandehana lazao amin’i Ezekiasa hoe: ‹Izao no lazain’i Iaveh, Andriamanitr’i Davida, rainao: Reko ny vavakao, hitako ny ranomasonao, ka indro, ampiako dimy ambin’ny folo taona ny andronao.
6
Hamonjy anao sy ity tanàna ity amin’ny tanan’ny mpanjakan’i Asiria Aho; ary hiaro ity tanàna ity.
7
Ary izao no famantarana omen’i Iaveh ho anao, hahafantaranao fa hotanterahin’i Iaveh izany teny nolazainy izany:
8
Indro aho hampihemotra ny aloka hiverina araka ny ambaratonga efa nampidinan’ny masoandro azy, eo amin’ny ambaratongan’i Akaza, dia ambaratonga folo.› » Dia nihemotra ambaratonga folo, teo amin’ny ambaratonga efa nidinany teo, ny masoandro.
9
Zavatra nosoratan’i Ezekiasa, mpanjakan’i Jodà, fony izy narary ka sitrana tamin’ny aretiny:
10
Hoy aho: «Dia amin’izao andro mbola iadanako izao aho no midina ho any amin’ny vavahadin’ny seoly; ka hanesorana amiko ny taonako sisa!»
11
Hoy aho: «Tsy mba hahita an’i Iaveh intsony aho, tsy hahita an’i Iaveh, eo amin’ny tanin’ny velona; tsy mba hahita ny olombelona intsony aho eo amin’ny mponina any amin’ny fonenana mangina!»
12
Ny fonenako nesorina, nentina lavitra ahy, tahaka ny lain’ny mpiandry ondry. tahaka ny mpanenona aho manao ny tenon’ny fiainako, fa tapahiny hiala amin’ny fanenomana aho! Hatramin’ny antoandro ka mandra-piavin’ny alina dia hotaperinao ny aiko.
13
Tsy niteny tsy nivolana aho, mandra-pahamarain’ny andro. Nanapatapaka ny taolako rehetra toy ny liona izy; hatramin’ny antoandro ka mandra-piavin’ny alina dia hotaperinao ny aiko!
14
Nikoraraika toy ny vano aman-tsidintsidina aho, nitoloko toy ny voromahailala aho, valalanina ny masoko, mijery any ambony:
15
Iaveh ô, anaovana an-tery setra aho, anie Ianao no hiantoka ahy. Inona no holazaiko? Nilaza tamiko izy, nahavita izy. Handeha amim-panetren-tena aho, amin’ny taona iainako rehetra, mahatsiaro ny hangidin’ny aiko.
16
Tompo ô, izany no fiainana, ao amin’izany rehetra izany ny fiainan’ny fanahiko. Mahasitrana ahy Ianao, mampody ny aina amiko;
17
koa indro manjary fiadanana ho ahy ny mangidy mafy indrindra. Nanesotra ny fanahiko Ianao, teo amin’ny lavaka famoizana; narianao any ivohonao ny fahotako rehetra.
18
Satria tsy mankalaza anao ny Seoly, ary ny fahafatesana tsy manao hira fiderana Anao; ireo midina any an-davaka, tsy manantena ny fahamarinanao intsony.
19
Fa ny velona dia ny velona ihany no mankalaza Anao tahaka izao ataoko anio izao; ny ray hampahalala ny zanany ny fahamarinanao.
20
I Iaveh efa nalaky namonjy ahy; isika kosa hitendry hampaneno ny kofehin’ny lokangako amin’ny andro rehetra iainantsika, ao an-tranon’i Iaveh.
21
Hoy i Izaia: «Mitondrà ampempan’aviavy iray, dia apetaho amin’ny fery, ary aoka ho sitrana ny mpanjaka.» Ary hoy i Ezekiasa: «Inona no famantarana ahalalako fa hiakatra any amin’ny tranon’i Iaveh aho?»
← Chapter 37
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 39 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52
53
54
55
56
57
58
59
60
61
62
63
64
65
66