bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Isaiah 42
Isaiah 42
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 41
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 43 →
1
Indro ny mpanompoko izay tantanako; ilay voafidiko ka sitraky ny foko; napetrako ao aminy ny fanahiko; hamoaka fahamarinana ho an’ny firenena izy.
2
Tsy hiantso mafy izy, na hanandra-peo, na hanao izay handrenesana ny feony eny an-dalambe.
3
Ny volotara efa poritra, tsy hotapahiny; ny lahin-jiro efa ho faty, tsy hovonoiny. Hanambara ny rariny, araka ny marina izy;
4
tsy ho ketraka izy na ho kivy akory, mandra-panoriny ny rariny amin’ny tany; ary ny nosy hiandry ny lalàny.
5
Izao no lazain’i Iaveh Andriamanitra Izay nahary ny lanitra sy namelatra azy, izay namelatra ny tany mbamin’ny vokatra ao aminy, izay nanome fofon’aina ny olona eo aminy, sy fofon’aina ho an’izay mandeha eo.
6
Izaho Iaveh no niantso anao, tamin’ny fahamarinana, sy nandray tanana anao, miaro anao Aho ary manao anao ho fanekem-pihavanana ho an’ny vahoakako sy fahazavan’ny firenena,
7
hampahiratra ny mason’ny jamba, hamoaka ny mifatotra eo amin’ny tranomaizina, sy ireo mipetraka ao anatin’ny haizina ao amin’ny fonja.
8
Izaho no Iaveh, izany no Anarako; ary ny voninahitro tsy homeko ny hafa. Ny fanajana Ahy, tsy ho an’ny sampy.
9
Efa tanteraka izay, ireo zavatra taloha; ary zava-baovao indray izao no ambarako; alohan’ny hitrangany dia ampandrenesiko rahateo ianareo.
10
Mihirà fihiram-baovao ho an’i Iaveh; sy fiderana Azy, hatramin’ny faran’ny tany, ianareo miantsambo amin’ny ranomasina sy monina ao aminy, ianareo, nosy, mbamin’ireo mponina aminareo!
11
Aoka hanandra-peo ny efitra mbamin’ny tanàna eo aminy; ny toby onenan’i Sedera! Aoka hientan-kafaliana, ny mponina any Selà; aoka hihobim-piravoravoana any an-tampon-tendrombohitra!
12
Aoka hanome voninahitra an’i Iaveh, sy hitory fiderana Azy eny amin’ny nosy!
13
Fa mivoaka i Iaveh toy ny lehilahy mahery; mamoha ny firehetam-pony, toy ny mpiady, mandefa akoran’ady, akora mikotrokotroka; manampatra ny heriny, handresy ny fahavalony.
14
«Ela nangina Aho; nitam-bava tsy niteny sy nanindry fo Aho; mitolokoloko toy ny vehivavy miteraka, misentosento sy mihanahana Aho.
15
Hofoanako ny tendrombohitra aman-kavoana; hataoko maina avokoa izay maitso eo aminy; hampanjariako nosy ny ony, ary homainiko ny farihy.
16
Hampandehaniko amin’ny lalan-tsy fantany ny jamba; ary hotarihiko amin’ny sakeli-dalana mbola tsy hitany; ny maizina hataoko mazava eo anoloany; ary ny tany be havoana halamako. Hotanterahiko ireo teny ireo; ary tsy havelako tsy hatao.
17
Hihemotra sy ho safo-kenatra ireo izay matoky ny sampy, izay milaza amin’ny sarin-javatra anidina hoe: Ianareo no andriamanitray.»
18
Mihainoa, ianareo marenina; mihirata hijery, ianareo jamba!
19
Iza no jamba afa-tsy ny mpanompoko; iza no marenina tahaka ny iraka irahiko? Iza no jamba tahaka an’izay nataoko sakaizako, sy jamba tahaka ny mpanompon’i Iaveh?
20
Nahita zavatra maro ianao, fa tsy nahatana na inona na inona; nisokatra ny sofiny, fa tsy nandre na inona na inona izy.
21
Sitrak’i Iaveh noho ny fahamarinany, ny nanome lalàna lehibe sy be voninahitra!
22
Ary indro ity vahoaka ity, dia voababo sy norobaina ny fananany. Voafatotra ao an-johy avokoa izy rehetra; voahiboka ao an-tranomaizina izy; robaina izy nefa tsy misy mamonjy azy, baboina ny fananany, nefa tsy misy manao hoe: «Avereno!»
23
Iza aminareo moa no hety handre izany dia handinika sy hihaino amin’ny sisa?
24
Iza no nanolotra an’i Jakôba horobaina, sy i Israely hobaboina? Moa tsy i Iaveh va, izay nanotantsika? Tsy nety nanaraka ny lalany izy ireo; ary ny lalàny tsy nohenoiny?
25
Dia nalatsany tamin’izy ireo ny afon’ny fahatezerany, sy ny firehitry ny ady: ka nirehitra nanodidina azy izany, nefa tsy azony an-tsaina, ary nandoro azy, nefa tsy noheveriny.
← Chapter 41
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 43 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52
53
54
55
56
57
58
59
60
61
62
63
64
65
66