bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Isaiah 65
Isaiah 65
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 64
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 66 →
1
Nekeko hotadiavin’izay tsy nangataka ahy aho, nety ho hitan’ireo tsy nitady ahy aho; Hoy aho: «Inty aho, Inty aho!» tamin’ny firenena izay tsy nitondra ny anarako.
2
Namela-tanana tontolo andro aho, mankamin’ny vahoaka niodina, mankamin’ireo mizotra amin’ny lalan-dratsy, araka izay sitraky ny sainy; mankamin’ny vahoaka mihaika ahy,
3
tsy an-kijanona sy manatrika, izay manao sorona eny amin’ny zaridaina, mandoro emboka eny ambony biriky;
4
mitoetra any anaty fasana, ary mandany ny alina any am-pierena, mihinana hena kisoa, mbamin’ny hanina maloto eo an-doviany;
5
manao hoe: «Mihataha ianao! Aza manakaiky ahy, fa masina ho anao aho!» Ireny dia setroka eo am-bavoroko, afo mirehitra mandrakariva.
6
Indro fa voasoratra eo anatrehako: Tsy hangina aho mandra-pamaliko, mandra-pamaliko ao an-tratran’ireny,
7
ny helokareo mbamin’ny heloky ny razanareo, hoy i Iaveh, ny razanareo izay nandotra emboka, teny an-tendrombohitra, sy naniratsira Ahy teny amin’ny havoana; hafatrako ao an-tratrany, ny valin’ny fitondran-tena nataony.
8
Izao no lazain’i Iaveh: Raha misy ranom-boaloboka eo amin’ny sampahony, dia hoy ny olona mahita azy: «Aza simbàna, fa misy fitahiana ao;» toy izany koa no hataoko, noho ny amin’ny mpanompoko, mba tsy handrava azy rehetra.
9
Hamoaka taranaka avy amin’i Jakôba Aho, sy mpandova ny tendrombohitro, avy amin’i Jodà, ka ny voafidiko no hahazo azy, ary ny mpanompoko no honina eo.
10
Ary i Sarôna no hatao vala ho an’ny ondry, ary ny lohasahan’i Akora no hatao tany fiandrasana omby, ho an’ny oloko, izay nitady Ahy.
11
Fa ianareo kosa izay nahafoy an’i Iaveh, sy nanadino ny tendrombohitro masina, fa mamela-databatra ho an’i Gada, ary mameno kapoaka ho an’i Menì,
12
atolotro ho an’ny sabatra ianareo, ka hiondrika hovonoina avokoa. Satria miantso Aho, tsy novalianareo, niteny Aho, fa tsy nohenoinareo; fa izay ratsy eo imasoko no nataonareo, ary izay tsy sitrako no nofidinareo.
13
Koa izao no lazain’i Iaveh Tompo: Ny mpanompoko hihinana, fa ianareo ho noana; ny mpanompoko hisotro, fa ianareo hangetaheta. Ny mpanompoko hiravoravo, fa ianareo hangaihay;
14
ny mpanompoko hihira noho ny hafalian’ny fony, ianareo kosa hikiakiaka noho ny fahorian’ny fonareo; sy hidradradradra noho ny fangitakitaky ny fanahinareo;
15
ary ny anaranareo dia havelanareo hatao fiozonana eo amin’ireo voafidiko; ary ianao hovonoin’i Iaveh Tompo; fa ireo mpanompony kosa hantsoiny amin’ny anarana hafa.
16
Na iza na iza te-hotahina eto an-tany, dia hitady hotahin’ny Andriamanitry ny fahamarinana; ary na iza na iza hianiana eto an-tany, hianiana amin’ny Andriamanitry ny fahamarinana. Fa ny fahoriana taloha hohadinoina, sy ho lasa tsy ho hitan’ny maso intsony.
17
Fa indro mahary lanitra vaovao sy tany vaovao Aho, ka ny zavatra taloha dia tsy hotsarovana intsony, na ho mby ao an-tsaina akory aza.
18
Aoka hifaly kosa ianareo, sy hanan-kafaliana mandrakizay, noho izay efa hoarîko: fa indro Aho hahary an’i Jerosalema ho an’ny fifaliana, sy ny vahoakany ho an’ny firavoravoana.
19
Dia ho faly amin’i Jerosalema Aho, sy ho ravoravo amin’ny vahoakako. Ka tsy misy ho re ao intsony, na ny feo mitomany na ny antsom-pahoriana.
20
Tsy hisy intsony ao na ny zaza teraka ho fohy andro iainana, na ny anti-panahy tsy mahatratra ny isan’ny androny; fa mbola maty tanora ihany ny maty amin’ny fahazato taonany, ary efa zato taona ny mpanota vao ho tratry ny ozona.
21
Hanao trano izy, dia izy no honina ao; hamboly voaloboka izy, dia izy no hihinana ny vokany.
22
Fa tsy hanao trano honenan’ny hafa izy, na hamboly hihinanan’ny sasany. Fa hanahaka ny an’ny hazo ny andron’ny oloko; ary hahatonta ny asan’ny tanany ireo voafidiko.
23
Tsy hanasa-tena foana intsony izy; na hiteraka ho faty tampoka foana; fa ho taranaka ambinin’i Iaveh izy ireo mbamin’ny solofony miaraka aminy.
24
Alohan’ny hiantsoany dia hamaly aho; mbola hiteny izy, dia efa ekeko ny teniny.
25
Ny amboadia sy ny zanak’ondry hiara-miraotra vilona, ny menarana hihinam-bovoka; ny liona hihinam-bilona hoatra ny omby; ary ny tany no hiveloman’ny bibilava. Ary tsy hisy ratsy na fanimbana hatao, eo amin’ny tendrombohitro masina manontolo, hoy i Iaveh.
← Chapter 64
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 66 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52
53
54
55
56
57
58
59
60
61
62
63
64
65
66