bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Job 1
Job 1
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 2 →
1
Nisy lehilahy anankiray atao hoe Jôba, tany amin’ny tanin’i Hosa. Izy io dia lehilahy marina, mahitsy, matahotra an’Andriamanitra ary nifady ny ratsy.
2
Fito lahy sy telo vavy no zanaka naterany.
3
Ny fananany kosa dia ondry 7000, rameva 3000, omby 500 tsiroaroa, ampondravavy 500, ary mpanompo maro be, ka dia izy no lehilahy lehibe indrindra tamin’ny zanaky ny Tatsinanana.
4
Fanaon’ireo zanany ny mifamangy sy mifanasa amin’ny sakafo tsara samy amin’ny an’androny avy, ary naniraka hanasa ireo anabaviny telo vavy izy, hiara-mihinana sy misotro aminy.
5
Nony tapitra nitsingerina izany fanasana izany, nampanalain’i Jôba ireo zanany dia nodioviny. Nifoha vao maraina koa izy sy nanatitra sorona dorana araka ny isan-janany, fa hoy izy: «Fandrao nanota ny zanako, sy diso tamin’Andriamanitra tao am-pony». Toy izany no nataon’i Jôba hatrany hatrany.
6
Indray andro kosa, nony tonga teo anatrehan’i Iaveh ireo zanak’Andriamanitra, dia mba tonga teo afovoan’izy ireo koa i Satana.
7
Ka hoy i Iaveh tamin’i Satana: «Avy aiza ianao?» Dia hoy ny navalin’i Satana: «Avy nitety ny tany aho sy nitsangantsangana teny».
8
Ary hoy i Iaveh tamin’i Satana: «Efa nandinika an’i Jôba mpanompoko va ianao? Tsy misy olona toa azy eny ambonin’ny tany, marina, mahitsy, matahotra an’Andriamanitra, ary mifady ny ratsy».
9
Fa hoy i Satana namaly an’i Iaveh: «Moa matahotra an’Andriamanitra maimaim-poana va i Jôba?
10
Tsy efa vitanao fefy manodidina va ny tenany, ny ankohonany mbamin’ny ananany rehetra? Fa nambininao ny asan’ny tanany, ka manenika ny tany ny biby fiompiny.
11
Fa ahinjiro ny tananao dia kasiho ny ananany, raha tsy manozona Anao manatrika izy!»
12
Ka hoy i Iaveh tamin’i Satana: «Indro, azonao anaranam-po avokoa izay ananany, fa ny tenany tokana no aza kasihin-tanana». Dia niala teo anatrehan’i Iaveh i Satana.
13
Ary indray andro, raha ilay nihinana sy nisotro divay tao an-tranon’ny zokiny lahy matoa iny, ireo zanany lahy aman-janany vavy,
14
dia nisy iraka tonga nilaza tamin’i Jôba hoe: «Raha mbola niasa ny omby, ka nihinana teo akaikiny koa ny ampondravavy,
15
dia tonga tampoka ny Sabeanina nandroba azy ireo, sady namono ny ankizilahy tamin’ny lelan-tsabatra, fa izaho irery no afa-nandositra hilaza izany aminao».
16
Mbola miteny eo io, no nisy iray koa tonga nilaza hoe: «Nilatsaka avy any an-danitra ny afon’Andriamanitra ka nandoro ny ondry mbamin’ny ankizy lahy, sy nandevona azy, fa izaho irery no hany afa-nandositra hilaza izany aminao».
17
Mbola miteny eo io, no nisy iray koa tonga nilaza hoe: «Niantoraka tamin’ny rameva ny Kaldeanina nizara telo toko, ka nandroba azy, sady namono ny ankizy lahy tamin’ny lelan-tsabatra; fa izaho irery no afa-nandositra hilaza izany aminao».
18
Mbola miteny eo io, dia nisy iray koa tonga nilaza hoe: «Nihinana sy nisotro divay tao amin’ny zokiny lahimatoa, ny zanakao lahy aman-janakao vavy,
19
ary indro nisy rivotra mahery nifofofofo avy any an-dafin’ny efitra, nanainga ny zoron-trano efatra, dia nianjera tamin’ireo zatovo ny trano, ka maty izy: izaho irery no afa-nandositra hilaza izany aminao».
20
Dia nitsangana i Jôba tamin’izay, nandriatra ny fitafiany, nanaratra ny lohany, nidaboka tamin’ny tany ary niankohoka nanao hoe:
21
«Nitanjaka no nivoahako avy tao an-kibon’ineny, ary mitanjaka no hiverenako any indray. I Iaveh no nanome, i Iaveh no naka; hisaorana anie ny anaran’i Iaveh».
22
Tamin’izany rehetra izany i Jôba tsy nanota akory, na nilaza hadalana momba an’Andriamanitra.
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 2 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42