bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Job 40
Job 40
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 39
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 41 →
1
Dia niteny tamin’i Jôba i Iaveh ka nanao hoe:
2
«Te hiady amin’ny Tsitoha va io mpanadidy azy io? mahavaly va izay mifandahatra amin’Andriamanitra?»
3
Fa namaly an’i Iaveh i Jôba, ka nanao hoe:
4
«Inona moa no havaliko Anao izay izaho tsinontsinona ity? fa dia mitampim-bava aho.
5
Efa niteny indray mandeha, ka tsy hamaly intsony, efa indroa aza, ka tsy hanampy aho, na dia kely aza.»
6
Mbola niteny tamin’i Jôba i Iaveh, tao amin’ny tafio-drivotra ka nanao hoe:
7
«Misikìna àry toy ny lehilahy, fa hanadina anao Aho, ka hampianatra Ahy ianao.
8
Tianao va ny hanafoana ny fananako ny rariny, dia hanameloka Ahy mba hanamarina ny anao?
9
Manan-tsandry toy ny an’Andriamanitra va ianao, ary mikotrokotroka tahaka ny Azy va ny feonao?
10
Miravaha fahalehibeazana amam-piamboniana ianao; ary mitafia voninahitra amam-piandrianana;
11
Ampàro ny fisafoaky ny hatezeranao, na iza na iza mpiavona dia aetreo amin’ny indray mijery!
12
Aforeto amin’ny fijerinao fotsiny ny mpiavonavona; montsàny eo am-pitoerany ny ratsy fanahy.
13
Ataovy indray manitrika ao amin’ny vovoka izy rehetra; hidio ao amin’ny maizina izy rehetra.
14
Amin’izay dia Izaho koa no hanaiky fa ny tananao ankavanana mahavonjy anao.
15
Jereo ange i Behemota izay noarìko toa anao koa: mihinana ahitra tahaka ny omby izy.
16
Jereo ange fa ao amin’ny valahany ny tanjany, ary ny heriny dia ao amin’ny hozatry ny lanivoany!
17
Ajorony hoatra ny sedera ny rambony, miray ho fehezana mafy ny hoza-peny.
18
Fantsona varahina ny taolany; bara vy ny taolan-tehezany.
19
Loha laharana izy amin’ny asan’Andriamanitra; nomen’ny Nahary sabatra izy.
20
Mahavokatra vilona ho azy ny tendrombohitra; milalao manodidina azy ny biby an-tsaha rehetra.
21
Mandry eo ambanin’ny tamotamo izy, any am-pierena anaty volotara amin’ny heniheny.
22
Manalokaloka azy ny tamotamo, manodidina azy ny hazomalahelo eny amorona.
23
Na tondraka aza ny ony, tsy matahotra izy; na hisondrotra havavany aza i Jordany, dia tsy miraika izy.
24
Moa ho azo atao va ny misambotra azy manatrika, ao amin’ny harato, ary managorobaka ny orony?
25
Mahasarika an’i Leviatàna amin’ny farango va ianao, sy mahageja ny lelany amin’ny hazakazaka?
26
Sa mahatsofoka zozoro amin’ny vavorony, sy mahaboroaka ny valanoranony amin’ny masom-by?
27
Hifon-jato amin’arivo aminao va izy, hanao teny malefaka aminao?
28
Hanao fanekena aminao va izy; ka halainao ho mpanompo mandrakizay?
29
Hilalao azy toy ny filalao fody va ianao, sy hamatotra azy holalaovin’ny zanakao vavy?
30
Ataon’ny mpiara-manjono varotra va izy, ka tsinjarainy amin’ny mpandranto?
31
Mahaloadoaka ny hodiny amin’ny zana-tsipìka va ianao, na mahatrobaka ny lohany amin’ny firombaka?
32
Andramo ny hisambotra azy, ka tsarovy ny ady, fa tsy hanindroa intsony ianao.
← Chapter 39
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 41 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42