bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Job 33
Job 33
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 32
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 34 →
1
Koa ankehitriny, ry Jôba, henoy ny teniko, mampandria sofina amin’izay rehetra alahatro.
2
Indro aho miloa-bava, mamoron-teny ato am-bavako ny lelako,
3
hivoaka amin’ny fo mahitsy ny teniko, ny marina tsy misy fitaka no hotononin’ny molotro.
4
Ny fanahin’Andriamanitra nahary ahy; ny fofon’ain’ny Tsitoha no manome ahy ny aina,
5
raha hainao atao, valio aho hoe: Alaharo izay porofonao eo anatrehako, miarena amin-kasahiana.
6
Eo anatrehan’Andriamanitra dia mitovy aminao aho, fa natao tamin’ny fotaka tahaka anao koa aho.
7
Ka ny tahotra ahy tsy hampiraika anao; ary ny lanjan’ny fahalehibeazako tsy hitambesatra aminao.
8
Eny, efa nilaza teo amin’ny sofiko ianao, sady reko tsara ny feon’ny teninao hoe:
9
‹Madio afaka amin’ny fahotana rehetra aho, tsy manan-tsiny aho, tsy misy haratsiana ato amiko:
10
kanefa manao izay hahitany antony hankahalany ahy Andriamanitra, ka ataony toy ny fahavalony aho.
11
Nataony am-boloky hazo ny tongotro; tsikiloviny avokoa ny diako rehetra›.
12
Ny valy ataoko aminao, dia tsy marina ny anao amin’izany; fa lehibe noho ny olombelona Andriamanitra.
13
Ka nahoana no mifanditra aminy, noho Izy tsy mamoaka izay ataony na amin’iza na amin’iza?
14
Miteny ihany anefa Andriamanitra, mbetika toy izao, mbetika toy izao, saingy tsy tandreman’ny olona izany.
15
Miteny amin’ny nofy, na amin’ny fahitana amin’ny alina Izy, raha ilay sondrian-tory mafy iny ny olona; ka matory eo am-pandriany.
16
Amin’izany no anokafany ny sofin’ny olona, ka ny fananarany dia ataony voatombokase ao,
17
mba hampialany ny olona amin’ny asany tsy mety sy hanesorany azy amin’ny avonavony,
18
mba hamonjeny ny fanahiny amin’ny fahafatesana, sy ny ainy tsy ho voan’ny zana-tsipìka.
19
Ny fijaliana koa no fananarana ny olombelona eo am-pandriany raha mampikotrana ny taolany ny ady lalandava.
20
Boboky ny mofo izy amin’izany, ny nahandro fy, tsy tiany mainty.
21
Ny nofony mihena hita maso; ny taolany izay tsy hita teo dia mitranitrany;
22
Mandroso manatona ny lavaka izy, ny ainy efa azon’ny halozan’ny fahafatesana.
23
Raha mahita ho mpanalalana anefa izy, anjely iray amin’ny arivo izay hampahalala ny olombelona ny tsy maintsy ataony,
24
dia hamindra fo aminy Andriamanitra, ka hanao amin’ny Anjely hoe: ‹Afaho tsy hidina any an-davaka izy, fa efa nahita ny avotry ny ainy Aho.›
25
Amin’izay ny nofony dia mandina noho ny an’ny tanora kely, fa miverina amin’ny andron’ny fahatanorany izy.
26
Mivavaka amin’Andriamanitra izy, ary Andriamanitra manambina azy; mibanjina ny tavany amim-piravoravoana izy, ary ny Tsitoha mamerina aminy ny fahamarinany.
27
Mihira izy eo amin’ny olona, manao hoe: ‹Efa nanota aho, nandika ny rariny, kanefa tsy novalian’Andriamanitra araka ny heloko.
28
Notsimbininy tsy hidina any an-davaka ny fanahiko; ary mivelatra eo amin’ny hazavana ny aiko›.
29
Izany, ataon’Andriamanitra daholo izany rehetra izany, indroa, intelo, ho an’ny olombelona,
30
mba hampiverina azy amin’ny fahafatesana, sy hanazava azy amin’ny fahazavan’ny velona.
31
Mitandrema, ry Jôba, ka mihainoa ahy, mangina ihany hitenenako.
32
Raha manan-kalahatra ianao, valio aho; mitenena fa satriko mahita anao ho marina.
33
Raha tsy manan-kalahatra kosa, mihainoa ahy; mangina fa hampianariko fahendrena ianao».
← Chapter 32
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 34 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42