bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Job 5
Job 5
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 4
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 6 →
1
Miantsoa hoe, raha misy olona hamaly anao! iza amin’ireo masina no hitodihanao?
2
Ny adala levona amin’ny hatezerany ary ny foka maty amin’ny fisafoahany.
3
Efa nahita ny adala namàka nisandrahaka aho, kanjo vetivety foana dia nanozona ny fonenany.
4
Tsy misy famonjena ho an’ny zanany; montsanina eo am-bavahady ireny, nefa tsy manan-kamonjy;
5
Ny variny vokatra, dia lanin’ny lehilahy noana, mihoatra ny fefy tsilohery izy, dia mandroba azy; ny hareny koa, areboky ny lehilahy mangetaheta.
6
Fa tsy mivoaka avy amin’ny vovoka ny fahoriana, ary tsy mitsimoka amin’ny tany ny fijaliana,
7
no ho teraka mba hozoim-pahoriana ny olona, toy ny zanaky ny varatra mba hiakatra fanidina.
8
Raha izaho ianao, Andriamanitra no hotodihiko, any aminy no handefasako ny fivavahako.
9
Manao zava-dehibe tsy takatry ny saina Izy, zava-mahagaga tsy tambo hisaina.
10
Izy no mandatsaka ranonorana amin’ny tany, mandefa ny rano eny amin’ny saha,
11
manandratra izay voaetry, ary ny tra-pahoriana mahita hasambarana indray.
12
Manafoana ny tetikadin’ny mpamadika Izy, ka tsy mahatanteraka ny teti-dratsiny ny tanan’ireny.
13
Maningotra ny fetsy amin’ny hafetseny izy, ary mandrava ny tetikadin’ny fetsy ratsy,
14
ka tojo ny haizina amin’ny antoandro izy ireny ary miraparapa toy ny amin’ny alina, amin’ny mitatao vovonana indrindra.
15
Hataon’Andriamanitra afaka amin’ny sabatry ny lelan’ireny ny malahelo, sy amin’ny tanan’ny mahery.
16
Ka mody amin’ny mahantra ny fanantenana, ary ny faharatsiana kosa mikombom-bava.
17
Sambatra ny olona faizan’Andriamanitra! ka aza atao tsy ho zavatra ny fanitsian’ny Tsitoha.
18
Fa mandratra Izy, ary mamehy ny ratra; mikapoka Izy, ary manasitrana amin’ny tanany.
19
Inenina Izy hanafaka anao amin’ny fahoriana; ary amin’ny fanimpitony, dia tsy hahazo anao ny loza.
20
Amin’ny mosary, harovany amin’ny fahafatesana ianao; amin’ny ady, harovany tsy ho voan’ny sabatra ianao.
21
Ho voaaro amin’ny kotopian’ny lela ianao, ary tsy hatahotra rehefa avy ny fandringànana.
22
Hihomehezanao ny mosary amam-pandringanana; tsy hatahotra ny biby dia amin’ny tany.
23
Fa ho vita fanekena aminao ny vato eny an-tsaha; ary hihavana aminao ny biby dia amin’ny tany.
24
Fa hahita ny fiadanana manjaka eo an-dainao ianao; ary hitsidika ny tanim-bilonao ianao, ka tsy hisy diso tsy ao.
25
Ho hitanao ny taranakao mitombo, ary ny solofonao mihamaro, hoatra ny ahitra any an-tsaha.
26
Efa tratra antitra tsara ianao vao hiditra any am-pasana, toy ny amboaram-bary akarina amin’ny fotoany.
27
Izany no voadinikay, izany no marina. Henoy Izy, ary ataovy soa ho anao».
← Chapter 4
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 6 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42