bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Job 3
Job 3
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 4 →
1
Rehefa afaka izany, dia niloa-bava i Jôba ary nanozona ny andro nahaterahany izy.
2
Nanomboka niteny i Jôba nanao hoe:
3
«Ho foana anie ny andro nahaterahako, Mbamin’ny alina nanao hoe: ‹Misy olona iray vao torontoronina›.
4
Hiova ho haizina anie izany andro izany, Ka tsy hiahy azy any ambony anie Andriamanitra, ary tsy hamirapiratra aminy anie ny hazavana.
5
Fa ny haizina aman’aloky ny fahafatesana anie hahalasa azy, ho voasaron’ny rahona matevina izy, ka hahatsiravina ny fanakonana ny hazavany!
6
Ho babon’ny haizim-pito anie izany alina izany, ka tsy hisaina amin’ny andron’ny taona, tsy hiditra amin’ny fanisana ny volana!
7
Ho efitra foana anie izany alina izany, ka tsy ho re ao ny hobin-kafaliana!
8
Hanozona azy anie ireo izay manozona ny andro, izay mahay mamoha an’i Leviatàna!
9
Hihamaizina anie ny kintan’ny marainanay, andrasany anie ny fahazavana nefa tsy ho tonga, ary aza mahita ny hodimason’ny maraina izy!
10
Satria tsy nohidiany ho ahy ny varavaran’ny kibo, ary tsy nafenina tamin’ny masoko ny fahoriana.
11
Toy izay aho, ka maty hatrany am-bohoka! Toy izay aho, ka niala aina, raha vao nivoaka avy tao an-kibo!
12
Nahoana aho, no dia nahita lohalika roa hiampofo? Ary nahoana aho no nisy nono roa hotsentsafiko?
13
Fa toy izay aho efa nandry ary niadana, efa natory sy niala sasatra,
14
miaraka amin’ireo mpanjaka sy lehiben’ny tany, izay efa nahavita fasan-dehibe ho an’ny tenany;
15
sy amin’ireo andriandahy be volamena, nameno volafotsy ny fonenany.
16
Na hoe: tsy ho nisy aho, toy ireo tsy tonga volana tsy fantatra; sy toy ireo zaza tsy nahita masoandro.
17
Any, tsy manao an-keriny intsony ny ratsy fanahy any, miala sasatra ny olona lany hery;
18
ny voababo any, mandry feizay avokoa, tsy mandre intsony ny feon’ny mpampahory azy.
19
Any avokoa ny kely sy ny lehibe, Ary ny mpanompo afaka amin’ny tompony.
20
Nahoana no atao mahita masoandro ny ory, sy omena ny aina ireo vonton’ny hangidy ny fanahiny,
21
manantena ny fahafatesana, nefa tsy avy ny fahafatesana; katsahiny an-kafanam-po, mihoatra noho ny rakitra,
22
fa sambatra izy ireo, mientan-kafaliana, ary ravoravo raha sehatra ny fasana;
23
dia ny olona maizin-dalan-kaleha izany, sy voafefin’Andriamanitra hatraiza hatraiza!
24
Ny fitolokoko no toy ny mofoko, ary ny fitarainako migororoana toy ny rano.
25
Fa izay atahorako no manjò ahy, ary izay angovitako no miantefa amiko.
26
Tsy misy fianinana intsony, tsy misy fiadanana intsony, tsy misy fitsaharana intsony, fa tebiteby no nahazo ahy».
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 4 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42