bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Job 21
Job 21
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 20
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 22 →
1
Dia niteny i Jôba ka nanao hoe:
2
«Mihainoa, mihainoa ny teniko, aoka mba ho izany ahay no fampiononana azoko aminareo.
3
Avelao hiteny aho amin’ny anjarako; fa rehefa tapitra ny teniko, mahazo mamelively ihany ianareo.
4
Moa olombelona va no halehan’ny fitarainako? Ka aiza no hahatsindriako ny foko?
5
Jereo aho, ka aoka ho talanjona ianareo, ary tampeno ny vavanareo.
6
Raha mihevitra izany aho, dia mihoron-koditra, ary tera-kovitra ny nofoko.
7
Nahoana àry no velona ihany ny ratsy fanahy; sady tratra antitra mitombo hery?
8
Ny taranany mihamahery eo anoloany, ny solofony mandroso laza eo imasony.
9
Ny ankohonany mandry feizay, lavitry ny tahotra, ny tsora-kazon’Andriamanitra tsy mba mikasika azy.
10
Ny ombalahiny mahavanona anaka, ny omby vaviny miteraka, tsy mamotsotra.
11
Avelany miriaria toa andian’ny biby fiompy ny zanany, mifalihavanja manodidina azy mbamin’ny zanany vao teraka.
12
Manara-bava ny feon-dokanga aman’ampongatapaka izy ireo, ary mikoriana amin’ny feon-tsodina.
13
Mandany ny androny amin’ny fiadanana izy ireo, fa sombin’andro monja no idinany ho any amin’ny Seoly.
14
Hoy anefa ireny amin’Andriamanitra: ‹Mialà aminay; fa tsy te hahalala izay lalanao akory izahay.
15
Zinona moa ny Tsitoha, no hotompoinay? Inona no ho azonay amin’izay fivavahana aminy?›
16
Moa tsy efa eo an-tanany va ny fiadanan’izy ireo? - Kanefa, lavitra ahy anie, ny fisainan’ny tsy mivavaka! -
17
Mba fahita matetika va ny hoe, maty ny fanilon’ny tsy mivavaka, iantsamboran-doza izy ireo, na nanendren’Andriamanitra anjara amin’ny hatezerany izy ireo?
18
Moa toa mololo indaosin’ny rivotra no ahitana azy, sy toy ny akofa paohin’ny tadio?
19
Hoy ianareo: ‹Atokan’Andriamanitra ho an’ny zanany ny sazy afitsony azy›. Fa aoka ny Tenan’Andriamanitra no hanasazy azy mba ho tsaroany,
20
sy ho hitan’ny masony ny faharinganany, ary hosotroin’ny tenany ny fahatezeran’ny Tsitoha!
21
Mampaninona azy izay manjò ny taranany atỳ aoriana, rehefa tapaka hatreo ny isan’ny volana hiainany.
22
Andriamanitra va no hotoroana fahendrena, nefa ny tafasandratra indrindra aza, mbola tsarainy?
23
Ny iray maty ao anatin’ny fiadanana, ny hafinaretana amam-pianìnany lavorary;
24
ny valahany manotraky ny taviny; ny taolany feno tsoka mandranoka.
25
Ny iray kosa maty amin’ny fahorian’ny fanahiny, tsy mba nanandrana izany fiadanana izany akory.
26
Samy mandry eo amin’ny vovoka izy roa tonta; samy rakotr’olitra ny tenan’izy roa tonta!
27
Endrey! fantatro tsara ny hevitrareo; mbamin’ny fitsarana tsy marina amelezanareo ahy.
28
Fa hoy ianareo: ‹Aiza ny tranon’ny mpampahory? Zary inona ny lay nitoeran’ny tsy mivavaka?›
29
Tsy mbola mba nanontany mpandeha lavitra va ianareo, ka tsy mahalala ny zavatra ambarany?
30
Amin’ny andron’ny fahoriana, voatsimbina ny ratsy fanahy; amin’ny andron’ny fahatezerana, afaka alanàlana izy!
31
Iza akory no manìny ny fitondran-tenany eo anoloany? Iza akory no nampamoaka izay nataony?
32
Amim-panajana no itondrana azy halevina, ary misy miambina eo amin’ny fasany.
33
Ho maivana aminy ny bainga any an-dohany, sady ny olona rehetra hanaraka azy any avokoa, toy ireo maro tany alohany, izay efa nialoha azy any.
34
Ka inona no hevitr’izao fampiononam-poana ataonareo izao? Fanomezam-bohony avokoa no hany sisa amin’izao valin-teninareo izao».
← Chapter 20
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 22 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
Recommended Reading
Commentary
Job Commentaries
→
Devotional
Job Devotional Guide
→
Get This Bible
Malagasy (Baiboly Katolika) Study Bible
→