bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Job 13
Job 13
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 12
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 14 →
1
«Indro fa nahita izany rehetra izany ny masoko, ary ny sofiko nandre sy nahalala izany.
2
Izay fantatrareo, dia fantatro koa; tsy latsaka noho ianareo aho na amin’inona na amin’inona.
3
Fa amin’ny Tsitoha no tiako hitenenana, amin’Andriamanitra no tiako handaharana ny amin’ny adiko.
4
Fa ianareo, dia mpamahan-dalitra foana, mpitsabo tsy vanon-ko inona avokoa ianareo.
5
Injay mba mangina ianareo! fa izany no solom-pahendrena ho anareo.
6
Masìna ianareo, henoy ny fanamarinako tena, tandremo izay alahatry ny molotro momba ny adiko.
7
Hilaza lainga va ianareo hanamarina an’Andriamanitra, fitaka va no hataonareo hiarovana Azy?
8
Hizaha tavan’olona ianareo momba an’Andriamanitra sy hitsangana ho mpisolo vava?
9
raha ny fonareo no mba zahàny toetra, hankasitraka anao va Izy amin’izany? Hofitahinareo toy ny famitaka olombelona va Izy?
10
Tsy maintsy hohelohiny mihitsy ianareo, raha mizaha tavan’olona mangingina ianareo.
11
Eny hampivadi-po anareo ny fahalehibeazany, hianjera aminareo ny fampitahorany.
12
Fa hevi-javona ny porofonareo, trano manda fotaka ny mandanareo.
13
Mangina ianareo, avelao aho fa te hiteny; dia hanjò ahy izay hanjò ahy.
14
Te haka ny nofoko amin’ny nifiko aho, te hametraka ny aiko eo an-tanako aho.
15
Na dia hovonoina aza aho, ka tsy manan-kantenaina intsony, dia hiaro ny fitondran-tenako eo anatrehany aho.
16
Nefa Izy no famonjena ahy, fa ny tsy mivavaka tsy mba mety miseho eo anatrehany.
17
Ka henoy àry ny teniko, manongilàna sofina amin’izay halahatro.
18
Indro efa voalahatra ny amin’ny adiko ary fantatro fa hahazo ny rariny aho.
19
Moa misy te handahatra hamely ahy? dia hangìna eo no ho eo ihany aho, dia ho faty.
20
Fa mba halaviro ahy ireto zavatra roa ireto, ry Andriamanitra, dia tsy hiery hiala eo anatrehan’ny Tavanao aho.
21
Esory tsy hitambesatra amiko ny tananao, ary aoka tsy hampivadi-po ahy ny fampitahoranao.
22
Amin’izay, dia antsoy aho fa hamaly, na izaho no hiteny aloha, ary hamaly kosa Ianao.
23
Firy no isan’ny fahadisoako amam-pahotako? ampahalalao ahy izay fiodinako aman-dratsy nataoko.
24
Nahoana Ianao no manafina ny Tavanao toy izao, sy mijery ahy toy ny fahavalonao!
25
Moa te hampitahotra ravin-kazo hozongozonin’ny rivotra va Ianao, hanenjika vodivary maina,
26
no dia ny hadisoan’ny fahatanorako no ampanodiavinao ahy,
27
no dia ampidirinao amin’ny boloky hazo ny tongotro, no dia tsikilovinao avokoa izay halehako,
28
no dia feranao koa izay hodiaviko? Ny nofoko anefa ity efa mihalevona hoatra ny hazo vovohina, sy tahaka ny fitafiana hanin’ny kalalao.»
← Chapter 12
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 14 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
Recommended Reading
Commentary
Job Commentaries
→
Devotional
Job Devotional Guide
→
Get This Bible
Malagasy (Baiboly Katolika) Study Bible
→