bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Job 22
Job 22
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 21
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 23 →
1
Dia niteny i Elifaza, ka nanao hoe:
2
«Mety hanasoa an’Andriamanitra va ny olombelona? Manasoa ny tenany ihany ny olon-kendry.
3
Mampaninona ny Tsitoha, raha marina ianao? Inona no azony, raha tsy misy diso ny lalanao?
4
Noho ny fitiavanao vavaka va no hamaizany anao, sy ifandaharany aminao amin’ny fitsarana?
5
Tsy mihoa-pampana va ny haratsianao, ary tsy hita isa ny hadisoanao?
6
Efa naka tsatòka tsy ahoan-tsy ahoana tamin’ny rahalahinao ianao, efa nanendaka ny lamban’ny mihanjaka ianao.
7
Ny olona reraky ny hetaheta tsy nomenao rano; ny noana, tsy nahafoizanao hanina.
8
Fa an’ny sandry matanjaka ny tany, ary izay mana-mpiaro no miorim-ponenana eo.
9
Ny mpitondratena nampodianao maina ary tapaka ny sandrin’ny kamboty.
10
Izany no mahavoahodidim-pandrika anao, ka indro ianao tabatabain’ny horohoro tampoka,
11
safotra haizina, tsy mahita, ary difotry ny rano mangeningenina.
12
Tsy any an-tampon’ny lanitra va Andriamanitra? Jereo ange ny handrin’ny kintana: akory ity haavony!
13
Ka hoy ianao: ‹Inona no fantatr’Andriamanitra amin’izany? Hahay mamantatra ny an-koatry ny rahona matevina va Izy?
14
Manjary sarona eo anatrehany ny rahona ka tsy mahita Izy, fa any amin’ny lanitra boribory any foana no mandehandeha›.
15
Mbola tohizanao harahina va ny lalana fahagola izay nodiavin’ny olona mpanao ratsy fahizany,
16
ka nalaina talohan’ny andro voafetra, ary nindaosin’ny riaka ny fanorenany?
17
Fa hoy izy tamin’Andriamanitra: ‹Mialà aminay Ianao! Fa inona moa no hain’ny Tsitoha atao aminay.›
18
Kanefa Izy no nameno harena ny tranony. - Lavitra ahy anie, ny fisainan’ny ratsy fanahy! -
19
Mahita ny fianjeran’ireny ny marina, ka mifaly, ary mihomehy azy ny tsy manan-tsiny:
20
Indro efa rava ny fahavalontsika! efa levon’ny afo ny hareny!
21
Koa mihavàna amin’Andriamanitra, dia mionòna ianao, fa izany no hiverenan’ny fiadanana aminao.
22
Raiso avy amin’ny vavany ny fampianarana ary alatsaho ao am-ponao ny teniny.
23
Ho tafarina ianao, raha miverina amin’ny Tsitoha, sy manesotra ny heloka lavitra ny lainao.
24
Ario eny amin’ny vovoka ny anja-bolamena, ary eny amin’ny korontam-bato eny an-dohasahan-driaka, ny volamenan’i Ofira.
25
Fa ny Tsitoha no ho volamenanao, sy ho volafotsy miavosa ho anao.
26
Amin’izay dia ny Tsitoha no hankamaminao, Izy koa no hanandratanao ny tananao.
27
Hivavaka aminy ianao dia hohenoiny, ka hoefainao ny voadinao.
28
Raha misy fikasanao hataonao, dia ho tanteraka, ary ny lalanao hamirapiratam-pahazavana.
29
Ireo mavozo handrina hilazanao hoe: ‹Miandrandrà›, dia hovonjen’Andriamanitra izay mietry fijery.
30
Ny olo-meloka aza hataony afaka, fa voavonjy amin’ny hadiovan’ny tananao Izy».
← Chapter 21
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 23 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42