bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Job 7
Job 7
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 6
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 8 →
1
Andro fanompoana, ny fiainan’ny olombelona eto an-tany, ary toy ny an’ny mpikarama ny androny.
2
Toy ny mpanompo maniry alokaloka, toy ny mpikarama miandry ny karamany,
3
mova tsy izany aho nanana izay anjara volana mampahory, sy nanana izay anjara alina mampijaly.
4
Fa nony handry aho manao hoe: ‹Rahoviana aho no hifoha? Rahoviana ny alina no ho tapitra?› dia nandry andriran’antsy foana eo aho, mandra-pahazavan’ny andro.
5
Ny nofoko rakotra olitra aman-tako-pery vasoka, ny hoditro mitsefatsefaka, sady ivoaha-nana.
6
Mihelina faingana toy ny famahanan-tenona ny androko, dia lany: tsy misy fanantenana intsony!
7
Andriamanitra ô, tsarovy fa fofona kely foana ny aiko! ka tsy hahita fiadanana intsony ny masoko.
8
Ny maso mijery ahy, tsy hahita ahy intsony; ny masonao hizaha ahy, fa tsy ho eo intsony aho.
9
Mihahaka dia levona ny rahona: toy izany koa izay midina ho any amin’ny Seoly dia tsy hiakatra intsony;
10
tsy hody ao an-tranony intsony izy, ary tsy hahalala azy intsony ny fonenany teo aloha.
11
Noho izany dia tsy hamehy ny vavako aho; fa hiteny noho ny fahorian’ny fanahiko, handefa ny fitarainako noho ny ngidiny ato am-poko.
12
Ranomasina va aho, sa biby dia an-dranomasina, no dia asianao fefy avokoa ny manodidina ahy?
13
Nony injay aho mba milaza hoe: ‹Hampionona ahy ny farafarako, hampitony ny fitarainako ny fandriako›,
14
injay kosa Ianao mampitahotra ahy amin’ny nofy; mampivadi-po ahy amin’ny tsindrimandry.
15
Endrey! Aleon’ny fanahiko alàna aina an-keriny; ny taolako miantso ny fahafatesana!
16
Ny tenako voan’ny fihalevonana; ny aiko mitsoaka amiko ho amin’ny mandrakizay: avelao re aho; fa fofona foana ny androko.
17
Inona moa ny olombelona, no dia tombananao fatratra erỳ, fa mba mety hikarakara azy Ianao,
18
mamangy azy isa-maraina ary zahanao toetra isan-tapak’andro?
19
Rahoviana re no hitsahatra ny fijerenao ahy? Rahoviana re no havelanao aho, mba hisy hitelemako ivy?
20
Raha nanota aho, inona no azoko atao aminao, ry Mpiandry ny olombelona ô! Nahoana no dia apetrakao hiantefan’ny zana-tsipìkanao aho, ka hampanjarianao enta-mavesatra ho ahy ny tenako?
21
Nahoana no dia tsy avelanao ny heloko? Nahoana no dia tsy hadinoinao ny hadisoako? Fa vetivety foana dia handry amin’ny vovoka aho, ary hitady ahy Ianao; fa tsy hisy intsony aho».
← Chapter 6
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 8 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42