bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Job 8
Job 8
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 7
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 9 →
1
Dia niteny i Baldada avy any Sohe tamin’izay ka nanao hoe:
2
«Mandra-pahoviana no hanaovanao teny toy izany, sy vava miloaka toy ny tafio-drivotra mifofofofo?
3
Andriamanitra va hampandefitra ny rariny, ny Tsitoha va hamadika ny fahamarinana?
4
Ny zanakao aloha raha nanota taminy, dia natolony ho eo am-pelatanan’ny haratsiany.
5
Ianao kosa, raha mangata-bonjy amin’Andriamanitra ianao, raha mitalaho amin’ny Tsitoha ianao,
6
raha madio sy mahitsy fo ianao, dia hiambina anao Izy, haveriny amin’ny fiadanany indray ny fonenan’ny fahamarinanao,
7
ka hataonao zavatra kely foana ny toetranao voalohany noho ny faharoa efa lasa ambony loatra.
8
Anontanio ange ny olona tany aloha; diniho ange izay efa notsapain’ny razana;
9
satria isika vao omaly, ka tsy mahalala na inona na inona, ny androntsika eto an-tany mihelina toy ny aloka,
10
fa ireny kosa, tsy hanoro anao sy hilaza aminao va, ka hamoaka oha-teny avy ao am-pony?
11
Maniry eny ivelan’ny heniheny va ny zozoro? mitrebona tsy misy rano va ny harefo?
12
Mbola tanora, tsy voatapaka akory izy, dia maina, alohan’ny zava-maitso eny an-tsaha.
13
Toy izany koa ny lalan-kalehan’izay manadino an’Andriamanitra, ho levona ny fanantenan’ny tsy mpivavaka.
14
Ho maito ny tokiny, hanahaka ny tranon-kala ny fitokiany.
15
Miankina amin’ny tranony izy, nefa tsy mafy orina io; mifikitra aminy izy, nefa tsy mahajoro io.
16
Be aina eo ambany masoandro izy; misandrahaka eo amin’ny tanimboliny, ny rantsany;
17
mifandiditra eo amin’ny korontam-bato ny fakany; tafalentika hatreo ambanin’ny vato izy.
18
Raha voafongotra teo amin’ny fitoerany izy, dia lavin’ny fitoerany ataony hoe: ‹Tsy nahita anao na oviana na oviana aho›.
19
Ka tapitra hatreo ny fijaliany fa hafa indray no hisandratra avy amin’io tany io.
20
Tsia. Andriamanitra tsy manary ny tsy manan-tsiny; Izy tsy mitantana ny mpanao ratsy.
21
Hataony feno hehy mikakakaka ny rovanao, hataony eo amin’ny molotrao ny hira fifaliana.
22
Ho safo-kenatra ny fahavalonao; ary ho fongotra ny lain’ny ratsy fanahy ».
← Chapter 7
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 9 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42