bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Job 32
Job 32
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 31
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 33 →
1
Dia nitsahatra tsy namaly an’i Jôba intsony izy telo lahy ireo, satria nihombo tamin’ny fanaovana ny tenany ho marina izy io.
2
Fa nirehitra tamin’izay kosa ny fahatezeran’i Eliò, zanak’i Barakely, Bozita, fokon’i Rama. Nirehitra tamin’i Jôba ny fahatezerany, satria io nihambo ho marina noho Andriamanitra.
3
Nirehitra tamin’izy telo lahy sakaizany koa ny fahatezerany, satria tsy nahita teny tsara havaly azy izy ireo.
4
Noho ny maha-zokiny azy ireo, dia niandry i Eliò, vao niteny tamin’i Jôba.
5
Nony hitany anefa, fa tsy misy valy intsony eo am-bavan’ireto sakaizany telo lahy, dia nirehitra ny hatezerany.
6
Tamin’izay, dia niteny i Eliò, zanak’i Barakely, Bozita, ka nanao hoe: «Izaho vao tanora, ianareo efa anti-panahy; ka izany no natahorako, tsy nahasahiako ny hampahalala anareo izay mba hevitro.
7
Hoy aho anakampo: ‹Hiteny ireo be andro, hanambara ny fahendrena ny hamaroan’ny taona›.
8
Kanefa ny fanahy napetraka ao anatin’ny olombelona, dia ny fofon’ain’ny Tsitoha no manome ny fahazavan-tsaina.
9
Fa tsy ny taona no mampahazo ny fahendrena, tsy ny fahanterana no hahalalana ny rariny.
10
Koa izao no lazaiko, mihainoa ahy; fa izaho koa mba hanambara ny hevitro.
11
Raha mbola niteny ianareo, dia niandry aho; nampandry sofina tamin’ny porofo nalahatrareo aho, mandra-pahatapitry ny fifandaharanareo.
12
Narahiko saina mitandrina ny anareo, ary tsy naharesy lahatra an’i Jôba ianareo; tsy nisy nahatohitra ny teniny ianareo.
13
Aza manao hoe: ‹Nahita ny fahendrena izahay, Andriamanitra no mamely azy, fa tsy olombelona›.
14
Tsy mba hamely ahy no nanononany ny lahateniny; nefa tsy mba ny teninareo no hamaliako azy.
15
Indreo, very hevitra izy ireo, ka tsy mamaly akory; tsy mahita teny halahatra intsony.
16
Nandrasako izay hahataperan’ny teniny, izay hijanonany tsy miteny, tsy manan-kavaly.
17
Ka dia mba anjarako kosa izao ny miteny, fa mba te-hilaza izay hevitro kosa aho.
18
Feno lahateny aho, ka asesiky ny fanahy ato anatiko aho.
19
Efa toy ny divay voatsentsina ny foko, dia tahaka ny siny hoditra feno divay mila hipoaka.
20
Ka aoka hiteny aho, mba hisy hiainako malalaka; aoka hisokatra ny molotro mba hamaliako.
21
Tsy mba hizaha tavan’olona aho, na handoka olona na iza na iza;
22
fa tsy mba mahay mandoka; fa raha tsy izany dia halain’ny Mpahary ahy, eo no ho eo ihany aho.
← Chapter 31
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 33 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42