bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Job 12
Job 12
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 11
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 13 →
1
Dia niteny i Jôba ka nanao hoe:
2
«Marina tokoa fa ianareo ihany dia sahala fahendrena amim-bahoaka be, ka dia hiara-maty aminareo ny fahendrena!
3
Izaho koa anefa mba manan-tsiny toa anareo, tsy latsaka noho ianareo na amin’inona na amin’inona. Ary iza moa no tsy mahalala izay zavatra lazainareo?
4
Fananihànin’ny sakaizako aho, izaho izay miantso an’Andriamanitra, ka nohenoin’Andriamanitra. Fananihàniny aho, ilay marina, ilay tsy manan-tsiny!
5
ny olona ory, fandatsa! Izany no teny arahin’ny miadana; ary eso no miandry an’izay mangozohozo.
6
Ny lain’ny jiolahy anefa, anjakan’ny fiadanana; ny mihaika an’Andriamanitra, no mandry feizay; dia ireo tsy manana andriamanitra, afa-tsy ny sandriny ihany.
7
Kanefa, masìna ianao, mba fotory ny biby, fa hampianatra anao izy; hatramin’ny voromanidina, fa hanoro anao izany izy.
8
Na mitenena amin’ny tany fa hampahalala anao izy; hatramin’ny hazandrano any an-dranomasina aza, dia hitantara izany aminao.
9
Satria iza moa amin’ireo rehetra ireo no tsy mahalala, fa ny tanan’i Iaveh no mahavita ireo zavatra ireo,
10
ary Izy no mitana eo an-tanany ny ain’ny manana aina rehetra, mbamin’ny fofon’ain’ny olombelona rehetra?
11
Moa tsy ny sofina va no mamantatra ny teny, ary tsy ny vava no manandrana ny hanina?
12
Ny fotsy volo no manam-pahendrena, ary ny andro lava no mahavokatra fahamalinana.
13
Ao amin’Andriamanitra no onenan’ny fahendrena amam-pahefana, ary ny fahalalana amam-pahazavan-tsaina.
14
Indro manjera Izy, ka tsy misy manorina indray, manidy ny olona aman-trano, ka tsy misy mamoha.
15
Indro tazoniny ny rano, dia ritra; alefany indray, dia manakorontana ny tany.
16
Azy ny faherezana amam-pahamalinana, Azy ny maniasia sy ny mampaniasia.
17
Entiny mifatotra ny mpanome saina ny vahoaka, ary esoriny amin’ny mpitsara ny fahatsiloan-tsainy.
18
Vahàny ny fehikibon’ny mpanjaka, dia feheziny tady ny valahany.
19
Tarihiny ho any am-pahababoana ny mpisorona, ary aongany ny manam-pahefana,
20
ataony tsy manan-kalahatra izay olona mahay indrindra, ary endahany fisainana ny anti-panahy.
21
Latsahany fanamavoana ny andriandahy; ary ketrahiny fehikibo ny matanjaka.
22
Alàny sarona ny zava-miafina amin’ny haizina ary asehony eo amin’ny mazava ny aloky ny fahafatesana.
23
Ampitomboiny ny firenena, dia ravàny koa; itariny izy, dia etèny indray.
24
Ny saina esoriny amin’ny mpanapaka ny firenen’ny tany, dia ampaniasiaviny any an’efitra tsy misy lalana izy ireo,
25
dia miraparapa amina haizina lavitra ny mazava ireny, ary avembenany toy ny olona mamo.»
← Chapter 11
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 13 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
Recommended Reading
Commentary
Job Commentaries
→
Devotional
Job Devotional Guide
→
Get This Bible
Malagasy (Baiboly Katolika) Study Bible
→