bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Job 36
Job 36
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 35
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 37 →
1
Mbola niteny indray koa i Eliò ka nanao hoe:
2
«Mahareta kely ihany, dia ampianariko ianao, fa mbola manan-kolazaina, hanamarina ny an’Andriamanitra aho.
3
Haka ny porofoko avy any amin’ny fotony aho, dia haneho ny fahamarinan’ny Mpahary ahy.
4
Matokia, fa tsy misy fitaka ny teny alahatro; olona marina amin’ny heviny no eto anoloanao.
5
Indro fa mahery Andriamanitra nefa tsy mba mamingavinga olona, mahery Izy amin’ny herin’ny fahalalany.
6
Tsy avelany ho velona ny ratsy fanahy, ary manome rariny ho an’ny olona ory Izy.
7
Tsy mampiala ny masony amin’ny olona marina Izy, sady mametraka ireny amin’ny seza fiandrianana miaraka amin’ny mpanjaka, ataony tafaorina ho mandrakizay, ka dia tafasandratra izy ireo.
8
Raha avy izay hifatorany aman-gadra, sy hisingorany amin’ny tadim-pahoriana:
9
ambarany azy ireo izay nataony, dia ny fahotany vokatry ny fiavonavonany.
10
Sokafany hihaino fananarana ny sofiny, dia amporisihiny izy hiala amin’ny ratsy.
11
Ka raha mihaino sy manaiky izy, dia amin’ny fiadanana no hanaperany ny androny, ary amin’ny fahafinaretana, ny taonany.
12
Fa raha tsy mihaino kosa izy, dia ho levon’ny sabatra, ho faty amin’ny hajamban-tsaina.
13
Ny fo tsy mivavaka, dia entim-pahatezerana, ka tsy mba mitaraina amin’Andriamanitra raha ataony latsaka amin’ny gadra izy ireo.
14
Izany no mahafaty tanora an’ireny; sy mahalazo ny ainy toy ny an’ny olom-betaveta.
15
Fa ny ory kosa vonjen’Andriamanitra amin’ny fahoriany, ary ny fijaliany no ampianarany azy.
16
Ka hotsoahany amin’ny fahaporetana koa ianao, hapetrany eo amin’ny malalaka, amin’ny fahafahana tanteraka, ary ho voavoatra ny latabatrao sy handrosoana izay hanim-py indrindra.
17
Fa raha fenoinao kosa ny famaran’ny tsy tia fivavahana dia hivesatra ny fanamelohana aman-tsazin’izany ianao.
18
Ka matahora fandrao tezitra Andriamanitra ka vesarany famaizana ianao; ary sao voafitaky ny fanatitrao sarobidy ianao.
19
Moa manafaka anao amin’ny fahoriana va ny fitarainanao, ary na dia izay rehetra mety ho tratry ny herinao aza?
20
Aza maniry ny hiavian’ny alina; izay aharinganan’ny firenena eo amin’ny fitoerany.
21
Mitandrema mba tsy hitodika hanatona ny tsy fahamarinana, fa aleonao izany toy izay ny fahoriana.
22
Jereo ange: lalina loatra ny fahefan’Andriamanitra! Tompo iza moa no mitovy aminy?
23
Zovy no mba nanorina lalana tsy maintsy halehany? Zovy no afa-milaza aminy hoe: ‹Diso ny nataonao?›
24
Koa ny mankalaza ny asany aloha no aoka hoheverinao, fa ambentin-kiran’ny olona ny fankalazana an’izany.
25
Fa ny olona rehetra gaga amin’izany, ny olombelona mitazana izany avy lavitra.
26
Lehibe Andriamanitra; mihoatra ny fahalalana rehetra, tsy takatry ny saina ny isan’ny taonany.
27
Manintona ny piti-drano madinika Izy, dia miraraka ho ranonorana ireny, entin’ny havesarany.
28
Avelan’ny rahona hilatsaka izy sy hirotsaka amin’ny be sy ny maro.
29
Iza no mahafantatra ny fivelatry ny rahona, mbamin’ny fikotrokotroky ny lain’ny Tsitoha?
30
Mbetika izy mamelatra ny fahazavany manodidina azy, mbetika miery toy ny any ambanin’ny ranomasina.
31
Toy izany no amoahany ny fitsaràny amin’ny firenena, sy anomezany hanina ankabetsahana koa.
32
Ataony eo an-tanany ny fahazavana, dia tondroiny aminy ny zavatra tsy maintsy iantefany.
33
Ka ny fikotrokotrony mampahalala azy mialoha, manambara ny hiaviany ny fahatairan’ny biby fiompy.
← Chapter 35
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 37 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
Recommended Reading
Commentary
Job Commentaries
→
Devotional
Job Devotional Guide
→
Get This Bible
Malagasy (Baiboly Katolika) Study Bible
→