bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Job 29
Job 29
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 28
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 30 →
1
Dia mbola nanohy ny teniny indray i Jôba, ka nanao hoe:
2
«Ah, iza re no hamerina amiko ny volana taloha, dia ny andro nitsimbinan’Andriamanitra ny fiarovana ahy,
3
raha namirapiratra teo ambonin’ny lohako ny jirony, ary nitari-dalana ahy teo amin’ny maizina ny fahazavany!
4
Araka ny toetrako tamin’ny fahalehibeazako, tamin’izay namangian’Andriamanitra ahy tamim-pifankazarana tao an-daiko,
5
sy mbola nomban’ny Tsitoha ahy, ary nitangoronan’ny zanako manodidina ahy;
6
tamin’izay nanasako tongotra tamin’ny ronono; sy namoahan’ny vatolampy diloilo mandriaka ho ahy.
7
Raha nivoaka ho eo am-bavahadin’ny tanàna aho, ka nianina nipetraka teo amin’ny kianja;
8
vao nahita ahy ny zatovo lahy miampirimpirina, ny anti-panahy mitsangana ka maharitra mijoro.
9
Ny andrian-dahy nangina tsy niteny, sy nitampim-bava amin’ny tanany.
10
Ny feon’ny mpanapaka tankina teo, ny lelany tafaraikitra tamin’ny lanilàniny.
11
Ny sofina nandre ahy, nanao ahy hoe: sambatra; ny maso nahita ahy, nanao filazàna tsara momba ahy.
12
Fa novonjeko ny ory nangatam-piantrana, mbamin’ny kamboty tsy nanan-kiankinana.
13
Ny fisaoran’ny olona am-bava loza nitsororoka tamiko; ny fon’ny mananotena nofenoiko hafaliana.
14
Notafiako toy ny lamba ny fahamarinana, kapaoty amam-pefilohako ny fanaovako ny rariny.
15
Izaho no mason’ny jamba, sy tongotry ny mandringa.
16
Izaho no rain’ny kamboty; ary nandinika tamim-pitandremana ny adin’ny olon-tsy fantatra.
17
Notapahiko ny valanoranon’ny nanao ny tsy marina, notsoahiko ny babo efa mby am-bavany.
18
Dia hoy izaho: ‹Eto amin’ny akaniko no hialako aina; ho maro toy ny fasika ny androko;
19
mitatra hatrany amin’ny rano ny fàkako, itoeran’ny rano mandritra ny alina ny raviko.
20
Ny voninahitro hihavao mandrakariva, ary ny tsipìkako hihahenjana indray eny an-tanako›.
21
Ny olona nihaino ahy, dia niandry, nandray tamim-panginana ny torohevitro.
22
Rehefa niteny aho, dia tsy nisy nanampy intsony, fa toy ny ando no nirotsaka tamin’ny teniko.
23
Niandry ahy toy ny fiandry ranonorana izy ireo, nitanatàna vava, toy ny niandry tandrifin-drahona amin’ny lohataona.
24
Raha nitsiky taminy aho, tsy azony ninoana izany, fa liana loatra izy nandray izany mari-pitiavana izany.
25
Nony nankeo aminy aho, ahy ny fitoerana voalohany, dia mipetraka aminy eo aho, toy ny mpanjaka hodidinin’ny miaramilany, sy tahaka ny mpanafaka alahelo, eo afovoan’ny tra-pahoriana.
← Chapter 28
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 30 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42