bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Job 28
Job 28
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 27
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 29 →
1
Misy toerana ihadiam-bolafotsy, misy toerana fanadiovam-bolamena.
2
Ny vy alaina avy amin’ny tany; ny vato arendrika hahazoana varahina.
3
Mampisava ny haizina ny olona, hatrany anatin’ny hantsana izy no mikaroka ny vato miafina ao amin’ny haizina sy ny aloky ny fahafatesana.
4
Mihady lalana izy lavitry ny tany onenana, tsy fantatry ny tongotry ny velona; tafahantona mitsingevaheva lavitry ny olombelona.
5
Ny tany iavian’ny hanina, voakorontana àty toa voan’ny afo.
6
Ny vatony no itoeran’ny safira, sy ahitana vovo-bolamena.
7
Ny vorom-pihaza tsy mahita ny lalana any, ny masom-papango tsy mahatazana azy;
8
ny biby dia tsy nandia izany, ny liona koa tsy nandalo tany na oviana na oviana.
9
Ny olombelona maninji-tanana amin’ny vatomainty, manozongozona ny tendrombohitra hatramin’ny fotony;
10
mandavaka lalana anatin’ny vatolampy; tsy misy zava-tsarobidy tsy hitan’ny masony.
11
Mahay manampina ny rano manamika Izy, ary mitondra ny miafina rehetra ho eo amin’ny mazava.
12
Fa aiza kosa no ahitana ny fahendrena? Aiza no fitoeran’ny fahalalana?
13
Ny olombelona tsy mahay manombana azy; ny tanin’ny velona tsy ahitana azy.
14
Fa hoy ny hantsana: ‹Tsy ato anatiko izy›; ny ranomasina milaza hoe: ‹Tsy atỳ amiko izy›.
15
Ny volamena madio tsy mahatakalo azy, na lanjam-bolafotsy ohatrinona aza tsy mahavidy azy.
16
Tsy ampifandanjaina amin’ny volamena avy any Ofira izy, na ny berila sarobidy na ny safira.
17
Ny volamena amam-pitaratra tsy azo ampitahaina aminy; ny kapoaka volamena madio tsy mahatakalo azy.
18
Ny voahangy amam-batomazava, tsy mendrika hotononina akory, fa mihoatra noho ny voahangy ny fahazoana ny fahendrena.
19
Ny tôpazy avy any Etiôpia tsy mahatoraka azy, ary ny volamena madio tsy mahatratra ny vidiny.
20
Koa avy aiza àry ny fahendrena? Aiza ny fitoeran’ny fahalalana?
21
Miafina amin’ny mason’ny velona rehetra izy, ary takona amin’ny voron’ny lanitra.
22
Hoy ny ambanin’ny tany sy ny fahafatesana: ‹Filazana azy fotsiny no mba renay›.
23
Andriamanitra no mahalala ny lalana mankany aminy; Izy no mahafantatra izay misy azy.
24
Fa Izy mahita ny hatrany amin’ny fara vazantany, mahatsinjo ny ambany lanitra rehetra.
25
Fony Izy nandamina ny lanjan’ny rivotra, nanao ny rano tao amin’ny mizàna,
26
namoaka lalàna ho an’ny ranonorana, nanori-dalana ho an’ny tselatry ny varatra,
27
dia nahita sy nilaza azy Izy, namorona azy sy nahatakatra ny zava-miafina ao aminy.
28
Izay Izy vao nilaza tamin’ny olombelona nanao hoe: ‹Ny fahatahorana ny Tompo, dia izay no fahendrena, ny mandositra ny ratsy, dia izay no fahalalana› ».
← Chapter 27
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 29 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42