bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Job 9
Job 9
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 8
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 10 →
1
Dia niteny i Jôba ka nanao hoe:
2
«Fantatro tsara fa izany tokoa no izy: Ahoana no hahamarina ny olombelona mifandahatra amin’Andriamanitra?
3
Fa raha mitady hifamaly aminy izy, dia tsy hahavaly Azy, na dia iray amin’ny arivo aza.
4
Fa hendry Andriamanitra ao am-pony, mahefa Izy amin’ny heriny. Zovy moa no hanohitra Azy, ka tsy naninon-tsy naninona?
5
Mamindra ny tendrombohitra Izy, ka tsy fantatr’izy ireo, mandrodana ireny amin’ny hatezerany Izy;
6
manifikìfika ny tany amin’ny fanorenany Izy, dia mihozongozona ny andriny.
7
Mandidy ny masoandro Izy, dia tsy miposaka io; asiany tombokase ny kintana.
8
Izy irery no mamelatra ny lanitra, mandia ny onjan-dranomasina.
9
Izy no nahary ny Orsa, ny Telonohorefy, ny Kotokelimiadilaona, ary ny lafin’ny lanitra atsimo.
10
Manao zava-dehibe tsy hay fantarina Izy, dia zava-nahagaga tsy tambo hisaina.
11
Indro fa mandalo eo akaikiko Izy, tsy mahita Azy aho, manalavitra indray Izy, tsy mahatsikaritra Azy aho.
12
Raha mipaoka remby Izy, zovy no hahasakana izany? Zovy no hanao aminy hoe: ‹Fa inona ity ataonao?›
13
Andriamanitra! Tsy misy mahaketraka ny hatezerany, na inona na inona, mitanondrika eo anoloany ireo maro mpisolanandrana.
14
Ka izaho ve no hanonofy izay hamaly Azy, ka hifantina izay teny hifandaharako aminy?
15
Na hanana ny marina aza aho tsy hahavaly akory, ny hangataka ny famindram-pon’Izy mpitsara ahy no hataoko.
16
Na ho nanaiky ny fitarainako aza Izy, dia tsy noheveriko ho nihaino ny feoko,
17
Izy ilay manorotoro ahy toy ny ao amin’ny tadio, sy mampitombo ny feriko tsy ahoan-tsy ahoana;
18
tsy avelany hahita hiainana akory aho, sady vokisany zava-mangidy.
19
Raha ny hery no heverina, mahery Izy; raha ny rariny indray, hoy Izy: Iza no mitory Ahy?
20
Na tsy manan-tsiny aza aho, hohelohin’ny vavako; fa na marina aza, dia holazainy ho diso.
21
Tsy manan-tsiny, izany tokoa, aho, nefa tsy mifikitra amin’ny fiainana, ary enta-mavesatra ho ahy ny fahavelomako.
22
Tsy mampaninona anefa izany; ka hoy aho hoe: Samy aringany ihany na ny marina na ny meloka.
23
Raha mba mahafaty amin’ny indray mamono ahay ny loza! Fa indrisy; ihomehezany ny fizahan-toetra ny marina.
24
Voatolotra eo an-tanan’ny ratsy fanahy ny tany; saronan’Andriamanitra tava ny mpitsara eo. Satria iza indray moa no hanao izany raha tsy Izy?
25
Faingana noho ny tsimandoa ny androko, lasa tsy mbola nahita ny fiadanana izy,
26
mandalo toy ny lakan-jozoro izy, tahaka ny voromahery miantonta amin’ny rembiny.
27
Raha mba manao aho, hoe: ‹Aoka hohadinoiko ny fitarainako, sy hajanoko ny tarehiko malahelo fa hanao endrika miramirana›;
28
dia indro nangovitra aho, noho ny fijaliako rehetra, satria fantatro fa tsy hataonao ho tsy manan-tsiny aho.
29
Ho voatsara ho meloka ihany, ka nahoana no hanasa-tena foana?
30
Na dia handro amin’ny oram-panala aza aho, ka hanadio ny tanako amin’ny ranon-davenona,
31
dia arobokao ao amin’ny fotaka kosa, ka ataon’ny fitafiako zava-betaveta aho.
32
Tsy olombelona toa ahy Andriamanitra, ka ho azoko valiana, mba hifanatrehanay eo amin’ny fitsarana.
33
Tsy misy mpanelanelana anay, hametraka ny tanany aminay roa tonta.
34
Fa aoka hoesoriny amiko ny tsora-kazo, aoka hitsahatra tsy hampivadi-po ahy ny fampitahorany;
35
amin’izay aho dia hiteny tsy amin-tahotra Azy, Fa raha tsy izany aho dia mba verivery saina.
← Chapter 8
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 10 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42