bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Job 16
Job 16
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 15
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 17 →
1
Dia niteny i Jôba nanao hoe:
2
«Efa reko matetika ny kabary toy izany, Mpampionona tsy zaka leferina avokoa ianareo.
3
Rahoviana re no ho tapitra izany lahateny izany e? Asesiky ny fitsindrona inona ianao no mamaly indray?
4
Hahay miteny toa anareo izao koa aho, raha ianareo no mba toy ahy izao; hofafazako teny tsara lahatra ianareo, hanifikifi-doha aminareo aho.
5
Vava no hankaherezako anareo, ka ny molotro mihetsika no ho fanamaivanana anareo.
6
Raha miteny moa aho, tsy mihena ny fijaliako; raha mangina indray, hanamaivana azy va izany?
7
Fa ankehitriny, indrisy, efa mandreraka ny heriko Andriamanitra: naringanao ny havako rehetra, ry Andriamanitro ô.
8
Mamatotra ahy Ianao: ka izany no vavolombelona miampanga ahy, mitsangana hanohitra ahy ny hahiazako, miampanga ahy manatrika.
9
Ny hatezerany mamiravira sy manenjika ahy; mikitro-nify amiko Izy; ary fijery mivandravandra no atifitry ny fahavaloko ahy.
10
Asanasanany handrapaka ahy ny vavany, fetsàhany amin-datsa ny takolako, miray tetika izy rehetra hamely ahy.
11
Natolotr’Andriamanitra amin’ny ratsy fanahy aho ity; natsipiny eo an-tanan’ny olon-dratsy aho ity.
12
Teo amin’ny fiadanana aho, no nobatainy, noraisiny tamin’ny hatoko aho, dia nomontsaniny. Natsangany ho tigetra kendren’ny zana-tsipìkany;
13
mirimorimo manodidina ahy ny zana-tsipìkany, trobarany tsy ananany antra ny lanivoako, ararany amin’ny tany ny tsinaiko.
14
Akoany hiampy ny mikoa amiko, toy ny rapeton’olona no fiantorany amiko.
15
Nanjairako gony ny hoditro, ary nahosinkosiko tamin’ny vovoka ny handriko.
16
Teramenan’ny ranomaso ny tavako, ary mivelatra eo ambony hodi-masoko ny aloky ny fahafatesana.
17
Kanefa tsy misy haratsiana eo an-tanako, ary madio ny fivavako.
18
Ry tany ô, aza saronanao ny rako, ary aoka hisondrotra malalaka ny fitarainako!
19
Fa na dia izao aza, manam-bavolombelona any an-danitra aho, ary mpiaro ahy, any amin’ny fitoerana avo any.
20
Ireo sakaizako mihomehy ahy; fa amin’Andriamanitra kosa no itomanian’ny masoko.
21
Aoka izy hitsara hanelanelana an’Andriamanitra sy ny olombelona, hanelanelana ny zanak’olombelona sy ny namany.
22
Fa mandroso ho lany ny taona voaisa ho ahy, ary ny lalana idirako, tsy hiverenan-kilalana.
← Chapter 15
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 17 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
Recommended Reading
Commentary
Job Commentaries
→
Devotional
Job Devotional Guide
→
Get This Bible
Malagasy (Baiboly Katolika) Study Bible
→