bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Job 24
Job 24
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 23
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 25 →
1
Nahoana no tsy misy fotoana natokan’ny Tsitoha, ary ireo manompo Azy tsy mba mahita ny androny?
2
Misy olona mamindra orim-bato, miandry biby fiompy nangalariny,
3
mandroaka ny ampondran’ny kamboty, mitana ny ombin’ny mananotena ho tsatòka,
4
manosika ny mahantra hivily lalana, ka voatery hiery avokoa ny madinika amin’ny tany.
5
Mova tsy ny ampondra dia any an’efitra izy: dia nivoaka izy hanao ny asany, mitady ny rembiny hatramin’ny vao maraina. Ny tany efitra no ahazoany hanina ho an-janany;
6
ny salohim-bary eny an-tsaha no tsongoiny, ary ao an-tanimboaloboky ny mpampahory azy izy no mifetsy.
7
Mihanjaka izy ireo, ary mandritra ny alina, noho ny fitafiana tsy misy, mandry tsy amim-pirakofana aro hatsiaka.
8
Kotsan’ny ranonorana eny an-tendrombohitra, mitampisaka eny amin’ny vatolampy fa tsy manan-kialofana.
9
Misarika ny kamboty eo am-pinonoana, maka tsatòka amin’ny olona ory;
10
ka dia miboridana tsy manan-kitafy ireo, noana mivesatra ny amboaram-barin’ny tompo;
11
mamia ny diloilo ao an-trano fitahirizana divay; mangetaheta eo am-pamiazana voaloboka.
12
Misondrotra avy eny an-tanàna eny ny feon’ny olona mitoloko, velon-taraina ny ain’ny voaratra, nefa tsy ahoan’Andriamanitra izany heloka bevava izany!
13
Misy mitoetra ao amin’ny fahavalon’ny fahazavana, tsy mahalala ny lalany akory, na maharitra mizotra amin’ny sakeli-dalany.
14
Ny mpamono olona mifoha vao mangiran-dratsy, mamono ny ory aman-tsy manana, misodisody alina toa jiolahy.
15
Ny mason’ny mpaka vadin’olona mikendry izay iavian’ny maizimaizina; tsy misy mahita any, hoy izy, dia manao very maso izy.
16
Ny sasany manamy trano amin’ny alina, miery nony antoandro; tsy mahalala ny fahazavana izy.
17
Toy ny aloky ny fahafatesana ho azy ireo ny maraina, satria ny alina mahatahotra no efa mahazatra azy.
18
Ah, mitsinkafona ambonin’ny rano, toy ny zava-maivana, ny tsy mivavaka, tsy manana afa-tsy anjara voaozona izy eto an-tany, tsy mba manitsy lalana mankany amin’ny tanimboaloboka izy.
19
Toy ny ifohan’ny maina sy ny hafanana ny ranom-panala, no iteleman’ny Seoly ny mpanota.
20
Ah, ny kibo nitoerany manadino azy, ny olitra mihinana azy amam-pankafizana, ny olona tsy mahatsiaro azy intsony; tapaka toy ny hazo ny haratsiana.
21
Nandroba ny momba tsy niteraka izy, ary tsy nanisy soa ny mananotena.
22
Ny olo-mahery kosa anefa hozongozonin’ny herin’Andriamanitra; mitsangana izy, dia tsy manampò izay ho velona intsony ireo;
23
ataony mahatoky tsy manana ahiahy ihany ireo, fa ataony andry maso eny amin’izay alehany.
24
Mba misandratra izy, nefa vetivety, dia tsy eo intsony indray; mianjera sy jinjaina toy ny olon-drehetra, tangosana toy ny salohim-bary.
25
Raha tsy izany no izy, dia iza kosa no hamaky lainga ahy? Iza no hampiseho ny teniko ho tsinontsinona?»
← Chapter 23
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 25 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
Recommended Reading
Commentary
Job Commentaries
→
Devotional
Job Devotional Guide
→
Get This Bible
Malagasy (Baiboly Katolika) Study Bible
→