bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Job 31
Job 31
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 30
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 32 →
1
Efa fanekena nataoko tamin’ny masoko, ka hataoko ahoana no fanopy maso hijery virjiny?
2
Fa inona no anjara hotahirizin’Andriamanitra any ambony ho ahy? Anjara toy inona no homen’ny Tsitoha ahy any an-danitra?
3
Tsy anjaran’ny ratsy fanahy va ny loza? Ary tsy ho an’ny mpanao ny tsy marina ny fahoriana?
4
Moa tsy mahalala ny lalako va Andriamanitra? Tsy manisa ny diako rehetra va Izy?
5
Raha nandia ny lalan’ny lainga aho, raha nidodododo ho amin’ny fitaka ny tongotro,
6
holanjain’Andriamanitra eo amin’ny mizàna marina aho, dia ho hitany ny tsy fananako tsiny.
7
Raha nivily niala tamin’ny lalana marina ny tongotro, raha nanaraka ny masoko ny foko, raha misy tsiny tafaraikitra amin’ny tanako;
8
dia aoka hamafy aho, fa olon-kafa no hijinja; aoka ho fongotra ny tamingako.
9
Raha adala tamim-behivavy ny foko, ka namitsaka teo am-baravaran’ny namako aho:
10
aoka hampihodina ny vato fitotoana ho an’ny hafa, ny vadiko; ary aoka ho olon-kafa no hanala baraka azy.
11
Fa heloka mahatsiravina izany, heloka fanameloky ny mpitsara,
12
afo mandoro mandra-pahalevona, tsy maintsy ho nandevona ny fananako rehetra.
13
Raha nolaviko ny rariny ananan’ny ankizy lahy aman’ankizy vaviko, fony ireny nifamaly tamiko;
14
Inona no hatao raha hitsangana Andriamanitra? Inona no havaliko Azy amin’ny andro hiaviany?
15
Ilay namorona ahy tao am-bohoka, moa tsy dia nanao azy koa? Moa tsy Mpahary iray ihany va no nampisy anay?
16
Raha nandà ny hataky ny mahantra aho; raha nahavalalanina foana ny mason’ny mananotena aho;
17
raha nobodoiko izaho irery ny anjara mofoko, fa tsy nazahoan’ny kamboty anjara,
18
hatramin’ny fahazazako, dia nitandrina ahy toy ny ray Izy, hatramin’ny nahaterahako nitarika ny diako.
19
Raha nijery ny ory maty tsy manan-damba aho, ny mahantra tsy manan-kirakofana,
20
ka tsy nisaotra ahy ny fony, sy tsy nanafàna azy ny volon’ny zanak’ondriko,
21
raha naninji-tanana namely ny kamboty aho, saingy nahita ahy manana ny mpitsara hiankinana:
22
aoka ny soroko hisaraka amin’ny tenabeko, aoka ny sandriko hitsoaka amin’ny taolam-panavy.
23
Fa izaho olona nataho-tody mandrakariva avy amin’Andriamanitra, ka tsy mahay maharitra eo anatrehan’ny fiandrianany.
24
Raha ny volamena no nametrahako ny fitokiako, ka ny volamena madio no nataoko hoe: ‹Ianao no fanantenako›,
25
raha ny habetsahan’ny hareko no nifaliako, mbamin’ny fananana nangonin’ny tanako;
26
raha nahita ny masoandro nandefa ny hafanàny aho, na ny volana nandroso am-pamirapiratana,
27
ka nety ho voangoly mangingina ny foko; raha nataoko teo am-bavako ny tanako,
28
dia heloka fanameloky ny mpitsara koa izany, ka ho nandà an’Andriamanitra avo indrindra aho raha izany.
29
Raha nifaly noho ny fahavoazan’ny fahavaloko aho; sy nibitabitaka noho ny loza nanjò azy;-
30
Tsia, tsy namela ny lelako hanota aho, ka nangataka amim-panompana azy ho faty...
31
Raha tsy filazan’ny olona tao an-daiko ny hoe: ‹Aiza re no hahitana olona tsy voky tamin’ny hanin-databany?›
32
Raha nandry tany alatrano ny mpivahiny, fa tsy mba novohako varavarana akory ny mpandeha!...
33
Raha mba nanafin-keloka toy ny ataon’ny olona aho, ka nampihiboka ny hadisoako tato anatiko,
34
noho ny tahotro ny fivoriam-be, noho ny tahotra sao esoin’ireo fianakaviana, ka ho nangina aho tsy sahy nandingana ny tokonam-baravarana akory!...
35
Ah, aiza re no hahitako olona hihaino ahy? Indro ny soniako: ‹Hamaly ahy anie ny Tsitoha!› Aoka hanoratra ny taratasy fitarainany koa ny manana ady amiko.
36
Raha tsy ataoko eo an-tsoroko izany; raha tsy afehiko ny handriko toy ny satroboninahitra izany!
37
Havoakako amin’ny mpitsara ahy ny diako rehetra, hanatona azy toy ny zanak’andriana aho.
38
Raha mitaraina hiampanga ahy ny taniko, raha nampitomaniako ny soritsoriny;
39
raha nihinana ny vokany tsy nanakarama azy aho; raha naka an-keriny azy tamin’ny tompony marina;
40
dia aoka ho tsilo no haniry eo, hisolo ny varimbazaha, aoka ho ahi-dratsy no hisolo ny orja.» Tapitra eo ny lahatenin’i Jôba.
← Chapter 30
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 32 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
Recommended Reading
Commentary
Job Commentaries
→
Devotional
Job Devotional Guide
→
Get This Bible
Malagasy (Baiboly Katolika) Study Bible
→