bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Job 41
Job 41
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 40
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 42 →
1
Indro diso fanantenana ny mpihaza, fa ny fijery ity biby be, dia ampy haharera-po azy.
2
Tsy misy sahy mihantsy an’i Leviatàna, koa zovy moa no sahy hanohitra Ahy eo anatrehako?
3
Zovy no nanisy soa Ahy ka tsy maintsy valiako kosa indray? Ahy avokoa ny eny ambanin’ny lanitra rehetra.
4
Tsy tiako hafenina ny momba ny rantsam-batany, ny heriny, ny firindran’ny rafitry ny vatany.
5
Iza no efa nanainga na oviana na oviana ny sisin’ny fiarovan-tratrany? Iza no efa namaky ny laharan’ny nifiny roa sosona?
6
Iza no efa namoha ny varavaran’ny vavany? Manodidina ny nifiny, dia itoeran’ny fahatahorana.
7
Kanto ny filahatry ny laniny; mova tsy ny tombokase mifanety erỳ;
8
mifampikasika avokoa izy rehetra, ka tsy azon’ny rivotra idirana ny elanelany;
9
mifandray lany avokoa izy dia tafakambana ka tsy mety hisaraka.
10
Mampitselatra fahazavana ny fieviny; tahaka ny hodimason’ny maraina, ny masony.
11
Mivoaka lelafo ny vavany misy kilalaon’afo mitselatra avy ao.
12
Mivoaka setroka ny vavorony, mova tsy ny avy amin’ny vilany mangotraka sy mandevilevy.
13
Maharehitra arina ny fofon’ainy, midedadeda avy ao am-bavany ny lelafo.
14
Mitoetra ao am-bozony ny hery; miantsambotra eo alohany ny fampahatahorana.
15
Mirary avokoa ny hozatry ny nofony, sady miraikitra mafy aminy tsy azo hotsonina.
16
Ny fony mafy toy ny vato, mafy toy ny vato ambany fikosoham-bary.
17
Raha mitsangana izy, raiki-tahotra ny mahery indrindra, torana azon’ny fivadiham-po.
18
Raha asiana ny sabatra izy, dia tsy mahalaitra azy ny sabatra, na ny lefona, na ny longy, na ny zana-tsipìka.
19
Ataony toy ny mololo ny vy, ary toy ny hazo vovohina, ny varahina.
20
Ny zana-tsipìka tsy mampandositra azy, ny vaton’antsamotady ataony ho tapak’ahitra.
21
Ny kanonta toy ny vodivary aminy; ny fikatrakatraky ny lefona ihomehezany.
22
Misy toa vakim-bilany maranitra amin’ny takìbany, ka toy ny vy famakiam-bainga velariny amin’ny fotaka.
23
Mampandevy ny hantsana toy ny vilany izy, ataony toy ny kapoaka misy zava-manitra ny ranomasina.
24
Voasori-pahazavana ny lala-nodiaviny, ka hoatra ny misy volofotsy ny hantsana.
25
Tsy misy toa azy eny ambonin’ny tany, fa noarîna tsy mahalala tahotra izy.
26
Ka handrininy eo anoloany ny voasandratra rehetra; izy no mpanjakan’ny biby mahery rehetra.»
← Chapter 40
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 42 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42