bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Job 14
Job 14
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 13
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 15 →
1
«Ny olona tera-behivavy, dia vitsy andro iainana, sady vontom-pahoriana.
2
Mitsimoka, dia jinjaina hoatra ny voninkazo izy; Lasa tsy mijanona hoatra ny aloka.
3
Amin’izy io anefa no ampihiratanao ny masonao, izy no entinao hifandahatra aminao amin’ny fitsarana!
4
Iza no mahay mamorona madio avy amin’ny maloto? Tsy iza tsy iza
5
raha voaisa ny andron’ny olombelona, raha naraikitrao ny isan’ny volany, raha nametra faritra tsy hihoarany Ianao,
6
avilio hijery azy ny masonao mba hisy hitsaharany, mandra-pankafizany ny fiafaran’ny androny toy ny mpikarama.
7
Ny hazo mbola manan-kantenaina, na voatapaka aza izy, mbola mety hihamaitso, ary miteraka solofony tsy an-kijanona.
8
Na efa antitra ao anaty tany aza ny fakany, na maty ao anaty vovoko aza ny fotony,
9
raha vao mahazo rano izy, dia mihamaitso, dia misandrahaka toy ny tanora vao nambolena.
10
Fa ny olona kosa maty, dia miampatra eo, rehefa miala aina izy, dia aiza moa?
11
Ny rano an-kamory mihalevona, ny ony miharìtra, dia maina.
12
Toy izany koa ny olona mandry, dia tsy miarina intsony, raha mbola eo koa ny lanitra tsy hahatsiaro intsony izy, ary tsy hofohazina amin’ny torimasony.
13
Endrey! raha mba mety manafina ahy any amin’ny fonenan’ny maty mantsy Ianao, ka hampiery ahy any mandra-pahafaky ny hatezeranao, hilaza amiko izay fetr’andro hahatsiarovanao ahy indray!
14
Raha mba velona indray mantsy ny olona nony efa maty izy! handrasako amin’ny andro rehetra anjara fiambenako izay hahatongavan’ilay hisolo ahy.
15
Hiantso Ianao amin’izay, ary izaho kosa hamaly Anao; ary mba ho manina ny asan’ny tananao Ianao.
16
Nefa indrisy, fa Ianao ankehitriny manisa ny diako, mibanjina ny fahotako Ianao.
17
Voaisy tombokase ny kitapo misy ny fahadisoako, nasianao loko ny tsy fahamarinako.
18
Ny tendrombohitra miletsy sy mihalevona, ny vatolampy afindra hiala amin’ny toerany,
19
ny rano mandavaka vato, ny onjany tondraka manindao ny vovo-tany; toy izany no andravànao ny fanantenan’ny olombelona.
20
Aonganao tsy hiarina izy, dia lasa; lazoinao ny tavany, dia alefanao izy.
21
Omem-boninahitra ny zanany, tsy fantany izany; voaetry ireny, tsy hitany akory.
22
Ny nofony tsy mahatsiaro afa-tsy ny fijaliany ihany, ny fanahiny tsy mitaraina afa-tsy amin’izay manjò azy.»
← Chapter 13
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 15 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
Recommended Reading
Commentary
Job Commentaries
→
Devotional
Job Devotional Guide
→
Get This Bible
Malagasy (Baiboly Katolika) Study Bible
→