bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
2 Chronicles 1
2 Chronicles 1
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 2 →
1
Ary i Salômôna, zanakalahin’i Davida, nanamafy orina ny fahefana maha mpanjaka azy; ary niaraka tamin’i Salômôna ny TOMPO Andriamaniny ka nanandratra azy ho amin’ny ambony indrindra.
2
Novorîn’i Salômôna ny Israelita rehetra, dia ny mpifehy vondro-miaramila sy mpifehy andia-miaramila ary ny mpitsara sy ireo tompon’andraikitra rehetra teo amin’i Israely, izany hoe ireo filoham-pianakaviana.
3
Dia niara-niakatra ho any amin’ny toeram-pisoronana tao Gibehôna i Salômôna sy ny olona rehetra tafangona; fa tao no nisy ny Tranolay fihaonana tamin’Andriamanitra, dia ilay nataon’i Mosesy mpanompon’ny TOMPO tany an-taniefitra.
4
Ny Vatamasin’Andriamanitra moa dia efa nampakarin’i Davida avy tany Kiriata-Jeharîma ho ao amin’ny toerana izay nomaniny hasiana azy; fa efa nanangana lay ho azy tao Jerosalema izy.
5
Fa ny alitara halimo izay namboarin’i Betsalela zanakalahin’i Orỳ sady zafikelin’i Hora kosa dia teo anoloan’ny Fonena-masin’ny Tompo tao Gibehôna. Teo no nahatongavan’i Salômôna sy ny Israelita tafangona mba hanontany ny TOMPO.
6
Dia nandroso teo anatrehan’ny TOMPO i Salômôna ka nanolotra sorona dorana manontolo arivo teo ambonin’ny alitara halimo akaikin’ny Tranolay fihaonana.
7
Tamin’ny alina iny no nisehoan’Andriamanitra i Salômôna ka nilazany hoe: –Angataho izay tianao homeko anao!
8
Dia hoy i Salômôna tamin’Andriamanitra: –Efa nanehoanao fitiavana lehibe i Davida raiko; ary nampanjaka ahy handimby azy Ianao.
9
Koa ankehitriny, ry TOMPO Andriamanitra ô, aoka ho tanteraka ny fampanantenana nataonao tamin’i Davida raiko, satria Ianao no efa nampanjaka ahy tamina vahoaka marobe tahaka ny vovo-tany.
10
Koa omeo fahendrena sy fahaiza-manavaka aho hitondrako ny tenako manoloana ity vahoaka ity; fa raha tsy eo izany, dia iza indray no ho afaka hifehy izao vahoakanao betsaka izao?
11
Dia hoy Andriamanitra tamin’i Salômôna: –Satria izany no tao am-ponao fa tsy nangataka vola aman-karena na voninahitra na ny hahafaty ireo fahavalonao ianao, ary tsy nangataka ny ho ela velona aza fa fahendrena sy fahaiza-manavaka hifehezana ny vahoakako izay nananganako anao ho mpanjaka;
12
koa dia omena anao ny fahendrena sy ny fahaiza-manavaka. Ary homeko vola aman-karena koa ianao, mihoatra noho izay nananan’ireo mpanjaka hafa rehetra tany alohanao, ary tsy hisy hanana toy izany ny any aorianao.
13
Dia niverina tany Jerosalema i Salômôna rehefa niala teo amin’ny toeram-pisoronana tao Gibehôna, izay nisy ny Tranolay fihaonana; ary nanjaka tamin’i Israely izy.
14
Nanangona kalesy fitondra miady sy mpitaingin-tsoavaly i Salômôna ka nanana kalesy 1 400 ary mpitaingin-tsoavaly 12 000 izay nisy natobiny tamin’ireo tanàna fitoeran-kalesy ary nisy notanany teo aminy tao Jerosalema.
15
Toy ny hamaroan’ny vatokely no nataon’ny mpanjaka habetsaky ny volafotsy sy volamena tao Jerosalema; ary toy ny hamaroan’ny aviavy any Sefelà no nataony habetsaky ny hazo sedera.
16
Ny soavalin’i Salômôna dia avy tany Ejipta sy Silisia; ireo mpandranton’ny mpanjaka no nividy azy tany.
17
Ny kalesy fitondra miady anankiray nentin’ny mpandranto niakatra avy tany Ejipta dia sekela volafotsy eninjato, ary ny soavaly anankiray kosa dia nitentina sekela volafotsy 150; toy izany vidiny izany koa no nitondran’ireo mpandranto ireo ho an’ny mpanjakan’ny Hetita sy ho an’ny mpanjakan’i Siria.
18
Nanapa-kevitra i Salômôna fa hanao tempoly ho voninahitry ny TOMPO sy lapa ho an’ny tenany.
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 2 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36