bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
2 Chronicles 18
2 Chronicles 18
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 17
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 19 →
1
Nanan-karena sy voninahitra be i Jôsafata; ary ny zanany lahy dia nampanambadiany ny zanakavavin’i Ahaba mpanjakan’i Israely.
2
Taona vitsivitsy taorian’izany, dia nidina nankany amin’i Ahaba tany Samaria i Jôsafata; ary namonoan’i Ahaba ondry aman’osy sy omby betsaka izy sy ireo olona nanaraka azy. Avy eo dia notaomin’i Ahaba hanafika an’i Ramôta-Gilehada i Jôsafata
3
ka nanontaniany hoe: –Mba hiaraka amiko hanafika an’i Ramôta-Gilehada ve ianao? Dia novaliany hoe: –Eny, fa tahaka ny tenanao ihany aho, ka ny tafiko dia tafikao; koa hiaraka hiantafika aminao izahay.
4
Mbola niteny tamin’ny mpanjakan’i Israely indray i Jôsafata ka nanao hoe: –Mba anontanio aloha ny tenin’ny TOMPO.
5
ary novorin’ny mpanjakan’i Israely ny mpaminaniny efajato lahy ka nanontaniany hoe: –Handeha hanafika an’i Ramôta-Gilehada ve isika, sa hijanona ihany aho? Dia novalian’ireo hoe: –Mandehana, ry andriamanjaka, fa hatolotr’Andriamanitra eo an-tananao ny tanàna.
6
Ary hoy kosa i Jôsafata: –Moa tsy misy mpaminanin’ny TOMPO koa ve eto mba hanontaniantsika?
7
Dia novalian’ny mpanjakan’i Israely hoe: –Mbola misy lehilahy iray ahazoantsika manontany ny TOMPO ao; saingy halako izy, satria tsy mbola naminany soa ho ahy fa loza mandrakariva. Mikaià, zanakalahin’i Jimlà, no anarany. Ka hoy i Jôsafata: –Aza dia miteny toy izany re ianao, ry mpanjaka!
8
Tamin’izay dia niantso tandapa anankiray ny mpanjakan’i Israely, ka nandidy azy haka faingana an’i Mikaià zanakalahin’i Jimlà.
9
Ary ny mpanjakan’i Israely sy ny mpanjakan’i Joda dia samy nipetraka teo amin’ny sezafiandrianany sy efa niakanjo ny fanamiany avy, teo amin’ilay kianja manoloana ny vavahadin’i Samaria, nandritra ny naminanian’ireo mpaminany rehetra ireo.
10
Fa i Tsedekià, zanakalahin’i Kenahanà, dia namboatra tandro-by ka niteny hoe: –Izao no lazain’ny TOMPO: «Ireto tandroka ireto no hanotoanao ny tafika sirianina mandra-paharingany.»
11
Dia nilaza hafatra toy izany avokoa ny mpaminany rehetra teo ka nanao hoe: –Tafiho i Ramôta-Gilehada fa ho resinao, ry mpanjaka! Eny, hatolotry ny TOMPO eo an-tananao io tanàna io.
12
Ilay iraka izay nandeha naka an’i Mikaià kosa dia niteny taminy hoe: –Indro efa iray teny avokoa izao ireo mpaminany, ka milaza soa ho an’ny mpanjaka; enga anie ny teninao mba ho tahaka ny azy, ka hilaza soa ihany koa!
13
Fa hoy i Mikaià hoe: –Velona ny TOMPO, ka mianiana aho fa izay lazain’Andriamanitra ihany no hambarako.
14
Rehefa tonga teo anatrehan’ny mpanjaka izy, dia nanontaniany hoe: –Ry Mikaià, handeha hanafika an’i Ramôta-Gilehada ve izahay, sa hijanona ihany aho? Ka hoy ny navaliny azy: –Mandehana fa handresy ianareo, ary hatolotry ny Tompo eo an-tananareo io tanàna io.
15
Fa hoy indray ny mpanjaka taminy: –Impiry moa no hampianianako anao mba tsy hilaza amiko afa-tsy ny marina ihany amin’ny anaran’ny TOMPO?
16
Dia hoy ny navalin’i Mikaià: –Hitako fa ny tafik’i Israely manontolo dia niely teny an-tendrombohitra toy ny ondry tsy misy mpiandry. Ary ny TOMPO niteny hoe: «Tsy mana-mpifehy intsony ireo miaramila ireo, ka aoka izy samy hody soa aman-tsara any an-tranony avy!»
17
Dia hoy ny mpanjakan’i Israely tamin’i Jôsafata: –Tsy efa voalazako taminao va fa tsy mba mety maminany soa ho ahy izy, fa loza ihany?
18
Ary hoy indray i Mikaià: –Henoy àry ny tenin’ny TOMPO. Hitako nipetraka teo amin’ny sezafiandrianany manko ny TOMPO; ary ireo anjeliny rehetra any an- danitra nijoro teo ankavanany sy teo ankaviany.
19
Ka hoy ny TOMPO nanontany hoe: «Iza no hitaona an’i Ahaba, mpanjakan’i Israely, handeha hanafika an’i Ramôta-Gilehada mba hahafaty azy any?» Ary samy nanana ny fomba famaliny avy ny tsirairay.
20
Fa nandroso ka nitsangana teo anatrehan’ny TOMPO ny fanahy anankiray ary nanao hoe: «Izaho no hitaona azy.» Hoy kosa ny TOMPO hoe: «Amin’ny fomba ahoana?»
21
Dia hoy izy: «Handeha aho ka ho tonga fanahy mandainga ao am-bavan’ireo mpaminanin’i Ahaba rehetra.» Ary hoy indray ny Tompo: «Ho voataonanao tokoa izy, sady zavatra manavanana anao izany; ndeha àry ka ataovy.»
22
Ankehitriny, indro ny TOMPO efa nanisy fanahy mandainga ao am-bavan’ireto mpaminaninao ireto, dia satria IZY mihitsy no efa nilaza ny loza hanjo anao.
23
Tamin’izay dia nanatona an’i Mikaià i Tsedekià zanakalahin’i Kenahanà, ka namely tehamaina azy sady nanao hoe: –Niala tamiko ve ny Fanahin’ny TOMPO hiteny aminao?
24
Dia novalian’i Mikaià hoe: –Indro fa ho hitanao izany amin’ny andro izay hitsofotsofohanao efitrano mba hiery.
25
Tamin’izay ny mpanjakan’i Israely dia nibaiko hoe: –Sambory i Mikaià, dia ento miverina any amin’i Amôna governoran’ny tanàna sy any amin’i Joasy zanako lahy
26
ka lazao ireo fa baiko avy amiko ny hanaovana ity olona ity an-tranomaizina ary ny hamahanana azy mofo kely sy rano kely fotsiny mandra-piveriko soa aman-tsara.
27
Fa hoy kosa i Mikaià: –Raha tàhiny ka tafaverina soa aman-tsara ianao, dia tsy nampitenenin’ny TOMPO aho tsy akory.
28
Dia lasa nanafika an’i Ramôta-Gilehada ny mpanjakan’i Israely sy i Jôsafata mpanjakan’i Joda.
29
Ary hoy ny mpanjakan’i Israely tamin’i Jôsafata: –Hody olon-kafa aho, dia hirotsaka an’ady; fa ianao kosa miakanjoa ny fanamianao ihany. Dia nody olon-kafa ny mpanjakan’i Israely sady nirotsaka an’ady.
30
Fa ny mpanjakan’i Siria kosa efa nanome baiko ireo komandin’ny kalesiny mba tsy hamely miaramila tsotra na mpitari-tafika fa ny mpanjakan’i Israely ihany.
31
Nony nahita an’i Jôsafata ireo komandin-kalesy, dia nihevitra azy ho ny mpanjakan’i Israely mihitsy. Dia nohodidininy hasiana izy; kanjo niantso vonjy kosa i Jôsafata, ka namonjy azy ny TOMPO Andriamanitra, ary nampiala ny fahavalo teo aminy.
32
Rehefa hitan’ireo komandin-kalesy fa tsy ny mpanjakan’i Israely io, dia nialany.
33
Ary nisy miaramila sirianina anankiray nandefa zana-tsipîka tsy nahy, ka nahavoa ny mpanjakan’i Israely teo anelanelan’ny famavàn’ny akanjo vy fiarovan-tratrany; ka dia hoy ity mpanjaka tamin’ny mpamily ny kalesiny: –Ahodino ny kalesy, ka ento miala ny toeram-piadiana aho fa maratra mafy.
34
Kanefa nihamafy ny ady tamin’izay andro izay, hany ka voatery nihafy ny mpanjakan’i Israely nitsangana teo amin’ny kalesiny, nanoloana ny tafika sirianina, mandra-paharivan’ny andro; fa nony efa hilentika ny masoandro, dia maty izy.
← Chapter 17
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 19 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36